LA NOUVELLE TERRE

FAMPIRANTIANA
MISOKATRA NY 6 JANOARY HATRAMIN’NY 20 APRILY 2024

FANOKAFANA NY
ASABOTSY 6 JANOARY 2024
AMIN’NY 3 ORA TOLAKANDRO HATRAMIN’NY 7 ORA HARIVA

Ireo mpanakanto
Amir Juvara Andrianalitiana (Amir.J)
Joëlle Aresoa (Joey Aresoa)
Aina Jo Harimanjato (Jo Aina)
Richianny Raherinjatovo (Richianny Ratovo)
Mbolatiana Raoilison (Clipse Teean)

Nofinofy maka ny tsiron’ny tany

Tena manembona izany tsiron’ny tany izany aho.
Ary tena mamy izany akora vokatrin’ny tany izany !
Unifions nos avis autour de la Terre, la Terre mère, la Terre patrie, la Terre terre*.
Prenons le goût comme principe universel pour converser**.
The taste of my land, motherland, our land just like a dream***.

Ravo izahay ato amin’ny Hakanto Contemporary manoratra tantara vaovao amin’ny alalan’ny fampirantiana
LA NOUVELLE TERRE
Fampirantiana mivoy ny lohahevitra manodidina ny tany tanindrazana sy ny tany mitsinjo ny tontolo iainana
Izay iarahana amin’ny mpanakanto dimy mbola maitso volo tokoa kanefa efa milofo tanteraka
Amir Juvara Andrianalitiana (Amir.J) . Joëlle Aresoa (Joey Aresoa) . Aina Jo Harimanjato (Jo Aina) . Richianny Raherinjatovo (Richianny Ratovo) . Mbolatiana Raoilison (Clipse Teean)

Tanindrazana, Tany mitsinjo ny tontolo iainana
Tsy azo sarahina ireo lohahevitra roa ireo, koa andao hiaraha-mizaha ka ho atao lanja mitovy.
Alaintsika ny tany hamolavolana ny ho avy, misalasala na hitory fitiavana na amboraka alahelo.
Tany miahotra, miafy sy marefo ao anatin’ny fomba rehetra ho fampandrosoana.
Tany mitroatra kanefa mbola manoritra ainga vao.
Eny, mila karakaraina ny tany (nahaterahana), amin’ny fomba ahoana ? Inona ny fitavaona hanaovana izany ? Ahoana  ?
Indraindray anefa dia toa zava-poana ihany izao tontolo iainantsika izao.

Eo anatrehan’ireo fanontaniana mihevaheva ireo no hanoloran’ireto mpanakanto ireto ny fijeriny sy ny kantony.
Misalasala izy ireo kanefa maneho ihany koa ny faharesen-dahany tanteraka – fantatry ny fony ny fahamarinan’ny Tany – ao anatin’ny fanahiny lalina sy ny sanganasany.

Ranon’ando vao maraina ao anatin’ny taratry ny alina
Entin’i Richianny Raherinjatovo miriaria isika manaraka sori-dalana malefaka sy mampisalasala. Mitondra antsika anaty tontolo zary ho nofy eo anelanelan’ny tany/kibon’ny reny sy ny ilay rivo-doza ambany tany, kanefa fanantenana ihany no setrin’izany.
Norangotiny loko ny fitaratra ary tsy misy hiraharahiny an’izany.

Ilay Tany mitana ahy
Miroboka anatin’ireo tsiahin’i Joëlle Aresoa sy ny tany niaviany isika ary mitsidika ireo tany vaovao izay soritany.
Ny feony no mampita ny akon’ny fihetseham-pony, ny hiakan’ny tany sy ny tsiarony…
Voafaritra eo ambony latabatra ny sarin-tanin’ny fiainany.

Fire party, Revy mandoro
Hatosiky ny hetaheta maro, asehon’i Aina Jo Harimanjato ny afo mandrehitra sy mampidoboka ny gadon’ny sanganasany.
Horonan-tsary, raki-peo, hay raha, seho, akanjo, hosodoko … maro ny azo tanisaina.
Eto, anio, afindrany ato amin’ny habaky ny fampirantiana ny toeram-ponenany, ary zarainy amintsika ny fijeriny manokana sy azy irery ny fitiavan-tanindrazana.
Tsy hijanona ny lanonana ato anatin’ity efitrano ity… ary ny tany no toeram-pandihizana !

Kilalao mainty ou le jeu noir
Voalohany teo amin’ny asany no anoloran’i Amir Juvara Andrianalitiana sanganasa miavaka sy mirakotra ny haizin’ny loko mainty kanefa maneho ny fanantenana ara-ekolojika. Ny arina no hipoiran’ny hazavan’ny zava-maitso ary ny rindrina no hitoeran’ny dian’ny tsipiky ny fiainana. Eny, velona manana fo mitempo hatrany isika !

Ento aho, mba ento aho ry rivotra
Tadiavo ilay zavatra, izay no vohizin’i Mbolatiana Raoilison anatin’ny sanganasany. Eo anelanelan’ny rindrina, eo anelanelan’ny lanitra, eo anelanelan’ny tany – manasa antsika izy mba hisambotra ilay rivotra mitsoka eo amin’ny tanin’ny fihetseham-pontsika rehetra.
Tena izy sa somambisamby ? Isika no mamantatra izany.

Ampanetren-tena sy ampahatsoram-po no anehoan’ireo mpanakanto dimy ireo ny fijeriny ny Tany.
Kianja filalaovana mbola mitoetra ho ankamantatra, kanefa tsy azo ihodivirana fa tsy maintsy kajiana hatrany.
Amin’ny halemem-panahy sy ny fo,
Am-pitiavana.

Joël Andrianomearisoa . Rina Ralay-Ranaivo
2024

* Andao isika handravona ny hevitsika rehetra mikasika ny Tany, ilay Tany nanome ny aina, ilay Tany niavina, ilay Tany mpamokatra.
** Ny tsiro no fototra hiraisain’ny resaka rehetra.
*** Ny tsiron’ny taniko, tanindrazana, tany toy ny nofy.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

Lamba Forever
Mandrakizay

FAMPIRANTIANA
NY 8 JOLAY 2023
HATRAMIN’NY 25 NOVAMBRA 2023

Omaly, eto anio, hatrany sy mandrakizay, tsy manam-pahataperana
Amin’ireo fomba rehetra entina anehoana ny kolontsain’i Madagasikara, singa iray tsy azo idovirana.
Lamba lamba lamba ary lamba ihany.

Maro karazana tokoa ireo famaritana maro lafy entina hamaritana sy handikana ny atao hoe Lamba ankehitriny. Ny fampirantiana LAMBA FOREVER MANDRAKIZAY, dia manasongadina ny maha zava-tsarobidy ny lamba, ary ihany koa maneho ny maha mpivoitra hevitra tsy manam-pahataperana azy.
Mifanindry andalana hatrany amin’ireo tetikasan’ny Hakanto Contemporary, izay manolotra fomba fijery avy amin’ny taranja samihafa sy avy amin’ny vanim-potoana nifandimby, ny fampirantiana mahakasika ny Lamba etoana dia mihoatra lavitra noho ny fandraisana azy ho singam-panehoana fotsiny ihany. Ity fampirantiana ity dia manolotra fomba fijery ara-javakanto maro karazany sy manasongadina ny fahasamihafan’ny kanto manodidina ny lamba. Ireo mpanakanto navondrona rehetra ireo dia misy ifandraisany amin’ny lamba avokoa : imbetika mandray ny lamba ho toy ny zava-mahasondriana, imbetika raisiny ho fanombohana andrana, mifono embona sy eritreritra na ihany koa nofinofy sy vinany.
Araka ny famaritana, ny atao hoe lamba dia ilay ravindamba mahitsy efa-joro, amin’ny ankapobeny dia fitafiana, entina hanaovana sy hotontaina raha iny vao mahita masoandro ka mandrapialan’ny fofon’aina, eny na efa lasa any ankoatra aza.
Efa fampiasan’ny be sy ny maro hatramin’ny ela ny lamba, tsikaritra izany tamin’ireo tahirin-tsary nalaina tao amin’ ny Foiben-Taosaritan’i Madagasikara tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha-XIX, ary manana anjara toerana sarobidy tokoa ho an’ny fiarahamonina malagasy.

Akora, tenona sy fihetsehampo, kofehy mitety ny fotoana sy ny faritany rehetra eto Madagasikara
Asatanana nentim-paharazana no anenonana ny hasy, ny landy, na ny rofia, ahazoana lamba izay mandravaka ny sorok’ireo vehivavy Merina, isikinan’ ireo lehilahy Bara, isaforan’ireo Betsileo mandavantaona. Misy ihany koa ireo karazan-damba natokana ifanolorana entina anamafisana orina ny fifandraisana misy eo amin’ireo samy mpiarabelona, amin’ny fotoana samy hafa, na an-kafaliana na an-karatsiana, toy ny amin’ny fanambadiana sy fahoriana.
Akon’izay fampiasana ny lamba ho enti-miaina izay, dia manan-danja lehibe ihany koa ny fampiasana ny voambolana hoe lamba eo amin’ny teny malagasy. Voalohany, dia entina milaza amin’ny ankapobeny ireo kojakoja maro fampiasa amin’ny andavan’andro toy ny fitafy ho an’olombelona mazava ho azy, fa koa entina hilazana ireo fitaovana rehetra fampiasa amin’ny latabatra, na rehefa hirakotra, na rehefa hanaingo varavarankely… Mbola maro ireo ohatra azo raisina. Manaraka izany, misongadina manokana ao anatin’ireo ohapitenenana sy ohabolana ihany koa ny lamba satria dia entina anehoana ny maha zava-dehibe ny firahalahiana, ny firaisankina, ny fiainana, ny fitiavana ary ihany koa ny finoana.

Lamba, vetin-kevitra ara-javakanto voalohan-tsafidy, tahaky ny fofonaina sy aingampanahy
Raha toa ka manamafy amin’ny andian-tsary Doria ny fisian’ny lamba amin’ny andavan’andron’ny olona eto an-drenivohitry Madagasikara, Antananarivo, ilay mpaka sary Kevin Ramarohetra ; ireo mpanao sary hosodoko Emile Ralambo sy Jean Yves Chen indray dia mampiseho fijery hafa amin’ny fifandraisana mateza misy eo amin’ ny lamba sy ireo sanganasany avy. Na mifanelanelana ampolo-taonany maro aza ireto sary hosodoko roa ireto, izay samy lasa filamatra eo amin’ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy, dia mitoetra hatrany ny finiavana hanoratra ny tononkalon’ny lamba, izay nampifandray azy ireo ao anatin’ny fotoana iray. Ilay voalohany mampiseho ny hamamin’ny fisiana eny amin’ny tontolo ambany vohitra, izahana lamba maha lasa eritreritra ary ny faharoa kosa dia mamerina tsy misy mipika ny antsipirihany madinika rehetra, hita amin’ny akanjo fotsin’ireo Fifohazana.
Amin’ny tolo-kanto hafa, ny lamba dia lasa ambaratongan-dalana entina hanariana dia. Madame Zo, izay mikirakira andram-panenomana mifandimby samihafa, dia mampifanandrina antsika amina fanambarana horonantsary VHS navadiny ho fanaka, hany ka niofo any anaty fotoana hafa ny kofehin’ilay horonantsary.
Manoloana io seza io, Joël Andrianomearisoa sy Madame Zo, dia manamafy amintsika amin’ny alalan’ireo rindran-draha iraisany sy tsy manampaharoa, FEHY MAINTY, izay aseho voalohany eto Madagasikara, fa ny lamba dia kilalaon’ireo faniriana tsy to… Tahaka ny fitaratry ny fiainana noloahana kiraro avo izay isarangotin’ny vorivorindamban’ny hamamoana.
Ireo tetikasa ireo dia mifamaly amin’ireo patchwork ato amin’ity fampirantiana ity. Lasa fitambarana fahatsiarovana ny lamba, entina manontany ny fihiziany manokana sy ny iraisan’ny mpiarabelona.
Ny lafiny haitao ao amin’ny Ny hendry no anarina, fa ny adala no manary lamba izay sanganasan’i Sandra Ramiliarisoa, izay vita amin’ny polyfloss* kosa dia mamaritra fitanisana tsy mana-pahataperana ireo fahaizana mamoly, manenona, mamatotra.
Amin’ny lafiny ara-kevitra, ny Bemiray no namelona ny fomba fiasan’i Tsiriniaina Irimboangy, ao anatin’ilay rindran-draha mitondra ny lohateny hoe Sombin-tantara, izay manambatra ireo voka-pikarohana nataony mahakasika ny lamba, sy nentin’ny embona fahatsiarovany ny renibeny nibaby azy, tahaka ny fomba nentim-paharazana malagasy.

Lambam-pianakaviana
Ao anatin’ny hay rindran-draha ataony, i Gad Bensalem izay mpisehatra amin’ny tantara an-dapihazo, dia mitondra ny Any Dada, fomba iray hiantsoany ilay ray, izay tsy eo intsony, na mety efa lasana, ary mandrava tanteraka ny lamba, misintona azy toy ny kofehy mba hanehoany ny tantaran’i Doda : mikaroka ny fihiziany, mamboraka ireo tsiarony ny reniny sy ny renibeny izay nitaiza azy, ary eo andaniny ny rainy izay tsy fantany akory. Eo amin’izay sehatra manodidina ny resa-pianakaviana izay ihany, amin’ny alalan’ny hai‑maritrano, ilay mpamolavola ara-kendrika Nadia Randriamorasata dia manadiady ny tetiarany ary mamantatra indray ny tantaran’ireo razambeny teo ampamoronana ny sanganasany mitondra ny lohateny hoe 1997, tsanganana marin-trano izay manome voninahitra ny fianakaviany, indrindra ny rainy izay efa lasa any amin’ny tontolon’ny razana.

Izay sahy maty ihany no mifono lambamena
Amin’ny kolontsaina malagasy, ny lamba dia entina hanamarihana ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny velona sy ny maty. Ny fahafatesana dia tsy midika hoe tapitra hatreo akory ny fiainana, fa fandalovana ho any amin’ny tontolo masin’ny razana kosa. Ny amin’izay finoana izay indrindra, ny fifamenoana misy eo amin’ny velona sy ny maty dia tsapa amin’ny sanganasan’ireto mpanakanton’ny hita sy ny jery roa ireto. Ireo sary pikan’i Christian Sanna izay manasongadina lamba iray sady toy ny fandrakofana ireo fahatsapana ara‑nofo no toy ny mamaritra toerana fanaovana joro ; i Nazaria Tooj, izay sady mpandihy no mpamorona soradihy, indray kosa, ao anatin’ny horonantsariny mitondra ny lohateny hoe OME dia maneho ny hevitry ny fiverenan’ny fahaterahana indray.
Manamafy ny fiverenan’ny fahaterahana ilay sary sokitra vita amin’ny lamba an’i Charles Edgar Lincoln, naka aingampanahy tamin’ireo trano manara eny ambony fasana, izay fitoeran’ireo fanahy ho mandrakizay…

Mitafy ny lambamenan’ny fanirintsika ary miala aina ao ambadikin’ny alok’ireo fanantenana rehetra.
Arindra ao amin’ilay lapihazon’ny nofinofy, indreo misy fantina vitsy ny sanganasan’ireto mpamorona haifiraratra fanta-daza, midera manokana ny lanjan’ny traikefa avo lenta. Eto ny hai-toetany dia tsy misy dikany intsony. H. Ranaivo mamadika ny lambamena nentim-paharazana ho lasa palitao akanjo fianjaika amin’ny fiainana. Christian Lacroix dia voazaitra, ratsantanana malagasy, ho petakofehy. Clée Rabeharisoa sy Charlotte Razafindrakoto, taorian’ny fandalovan’izy ireo tany amin’ny Christian Dior sy Balmain, nampianjaika ireo sokajim-piarahamonina sangany indrindra nonina eto Imerina.
Mifandray indrindra amin’izay asa famoronana avo lenta izay ny fahamendrehan’ireo nisalotra lamba, nalain-dRamilijaona sy Rasolonjatovo sary: porofon’ilay endrika feno arifomba manodidina ny lamba fianjaika nentim-paharazana.

Ankoatra ireo fanazarana samihafa entina manome endrika, ny lamba ihany koa dia mibitsibitsika ao amin’ny fanahintsika.
Manamarina izany ilay mpanoratra Jean Luc Raharimanana izay manambara fa toy ny manenona ireo tsiarony, ireo eritreriny, ary ireo fisaintsainany izy ao anatin’ireo tantara foroniny, ireo tantara fohy ary ireo asa sorany. Raha asa soratra no nahafantarana ity mpanoratra ny « Rêves sous le linceul » sy ny « Tisser » ity, etoana izy dia sambany no manolotra andian-tsary izay notsongainy avy ao amin’ireo kahieny manokana, fampiasany rehefa manomana ireo asa-sorany izy. Misy takosona tsy mihebohebo ampitafiny ireo erijika manainga azy, aboridany ny alahelon’ny fiarahamonina, rovitiny ny voalin’izay rehetra tsy azo antoka.

… et moi je t’aime à la folie avec ton lamba blanc
Et quand tu danses à la fête,
tu fais tourner tant de tête avec ton lamba blanc

Henri Ratsimbazafy . 1960

Omaly sy anio, ary mandrakizay, manjohy ny diany lava dia lava ny lamba, sady misalotra ny toerana maha tompon’ny lakan’ny kolotsaina malagasy azy. Andry iankinan’itsy farany, efa lahatry ny lamba ny hikikiaka tahaky ny asa soratra tsy manam-pahatamperana, hanohy hambabo antsika, hanome aingam-panahy, hitoetra ho filamatra ary hiseho amin’ny endrika maro isankarazany, ho doria sy mandrakizay

 Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo

*Polyfloss: kofehy azo avy amin’ny fanodinana akora fako plastika

IREO MPANAKANTO
GAD BENSALEM . JEAN YVES CHEN . TSIRINIAINA IRIMBOANGY . CHARLES EDGAR LINCOLN . JOËL ANDRIANOMEARISOA . MADAME ZO . NAZARIA TOOJ . JEAN LUC RAHARIMANANA . ALPHONSE RAKOTOVAO . GASTON RAKOTOVAO . EMILE RALAMBO . KEVIN RAMAROHETRA . A. RAMIANDRASOA . SANDRA RAMILIARISOA . RAMILIJAONA . H. RANAIVO . NADIA RANDRIAMORASATA . RASOLONJATOVO . CHRISTIAN SANNA . CLÉE RABEHARISOA SY CHARLOTTE RAZAFINDRAKOTO

Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana
Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo

Mpiara mifarimbona
Akanjo . Association Des Médiateurs Culturels – Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar . Collection Elia Ravelomanantsoa . Collection Nicole Rabetafika . Collection Rabeharisoa . Collection Yavarhoussen . Foiben-Taosarintanin’i Madagasikara . Fonds Yavarhoussen . Institut de Civilisations, Musée d’Art et d’Archéologie de l’Université d’Antananarivo . Mboahangy

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara

Esprit Revue Noire
Une collection fondatrice

Sary maneho ny hay hetsi-draha an’i Joël Andrianomearisoa no eo amin’ny takela firakofana Revue Noire, laharana natokana ho an’i Madagasikara, ny taona 1997. Izay toy ny famantarana nohavaozina amin’ity taona 2022 ity noho ilay fampirantiana ESPRIT REVUE NOIRE UNE COLLECTION FONDATRICE eto amin’ny Hakanto Contemporary eto Antananarivo, roapolo taona aty aoriana.

Ny gazetiboky, ny trano fanontana sy famokarana boky dia naorin’i Jean Loup Pivin sy i Pascal Martin Saint Leon (izy ireo izay samy mpahay maritrano no sady tale ara-javakanto, ary mpitantana sy mpandrindra fampiratiana), Simon Njami (mpanoratra sy mpitantana ara java-kanto) ary Bruno Tilliette (mpanota boky ary mpanoratra).

Gazetiboky manadiady ireo hetsiky ny vanim-potoana ankehitriny afrikanina, nanamarika ny taona 1900 sy 2000, Revue Noire izay nanolotra endrika vaovao sy tsy mbola fantatra ny amin’ny ain-dehibe an’ny asa famoronana, ireo haitao maoderina, ireo fahamaroan’ny zavakanto sy ny mpanakanto avy any Afrika sy ireo any am-pielezana. Nahely maneran-tany, ity gazetiboky iraisam-pirenena izay amin’ny fiteny roa -frantsay/anglisy- ity dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantaran’ny zavakanton’ny vanimpotoana ankehitriny afrikanina ary nampivohitra mpanakanto maro, ny zavakanto ara- kendrika amam-bika hatramin’ny sary pika, ny sarimihetsika hatramin’ny dihy, ny lamaody hatramin’ny famolavolana ara- kendrika, ary ny literatiora tamin’ny fampisongadinana andiana mpanoratra vaovao.

Ity anjara asany ity dia nisava lalana teo amin’ny zavakanton’ny vanimpotoana ankehitriny ary indrindra teo amin’ny fanehoana ny tontolon’ny fakàna sary afrikanina. Ny fampirantiana atolotra ao Antananarivo dia avy amin’ilay fampirantiana hoe L’Afrique par elle-même izay efa niodina hatrany Paris (Maison Européenne de la Photographie) hatrany amin’ny Bienal de São Paulo, hatrany Washington (Smithsonian) ary hatrany New York (New Museum of Contemporary Art) ary nandalo tany Londres (Barbican), Bruxelles (Tervuren), Cape Town ary Berlin… Ilay boky Anthologie de la Photographie africaine, de l’Océan Indien et de la Diaspora (1998) izay mifandray amin’ilay fampirantiana, ary ireo laharana Revue Noire nivaoka dia samy mametraka vato fehizoro amin’ny tantaran’ny fakana sary afrikanina.

Mpaka sary malagasy manodidina ny roapolo isa no naseho tao anatin’ilay laharana natokana ho an’i Madagasikara ny taona 1997. Ankehitriny, ity fampirantiana Revue Noire eto Antananarivo ity dia miompana amin’ny tantaran’ny fakàna sary afrikanina, sary 140 ary ny ankamaroany dia ireo sary natonta voalohany sy tranainy. Misy horonantsary novokarin’ny Revue Noire ihany koa aseho ato ary fitambaran’ireo Revue Noire izay nivaoka aranty ato mba ahafahan’ireo mpitsidika mandray anjara amin’ilay fizohin-kevitry ny Revue Noire.

Natonta isaky ny telo volana, ireo laharana tsirairay dia mandrafitra jery tambatra avy amin’ireo kaomity mpanoratra napetraka isaky ny toerana, isaky ny firenena. Misy laharana sasany dia mamaha petrakolana manokana, mifandray amin’ny taranja iray, ny fakàna sary, ny dihy, ny lamaody na trangam-piarahamonina toy ny an-tanandehibe, ny haify na ihany koa ny Sida izay mandripaka ny kôntinanta. Manolo-tena amin’ity ady ho amin’ny fahavelomana ity, Revue Noire dia namokatra ny Les artistes africains et le Sida ny taona 1995, na dia tsy mbola nisy aza ny fitsaboana io aretina io tamin’izany, nampivondrona laharana Revue Noire, horonantsary novokarin’ireo mpanantontosa afrikanina, kapila mangirana ary fandaharana izay naparitaka tamin’ireo fahitalavitra afrikanina.

Ity votoatinasan’ny Revue Noire ity dia miraikitra tanteraka ao antsain’ireo mpanorina azy. Hita taratra izany ao amin’ilay fampirantiana Suites africaines tao Paris ny taona 1996 ka mpanakanto ara-kendrika amambika, mpandihy, mpaka sary, mpanoratra, mpanao hay hetsi-draha dia nitambatra tao amin’ity habaka mientanentana sy mampalalaka ny fitsangatsanganana ity.

Ankehitriny, dia mbola manohy ny asany ny trano fanontana boky ary manohy hatrany ireo famoahana boky sy ireo fampirantiana, izay vao tsy ela izao toy ny tao Toulouse, tao amin’ny Musée des Abattoirs, nanolotra ireo endrika maro an’ny Revue Noire amin’ny alalan’ny fanontana boky, zavakanto, sary pika, mozika, horonantsary. Izay aingam-panahy izay ihany no namolavolana ny fampirantian’ny Hakanto Contemporary ity.

Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon

FAMPIRANTIANA HATRAMIN’NY
6 MAY 2023

Ny fampirantiana Esprit Revue Noire une collection fondatrice dia manolotra an’ireo sanganasan’ireo mpanakanto ireo :

Joseph Moïse Agbojelou . Daniel Attoumou Amicchia – Agence Anta . Cornélius Augustt Azaglo . Agence BTEM-SGM-FTM . Mama Casset . Jean Depara . Drum . Gahité Fofana . Samuel Fosso . Antoine Freitas . Dorris Haron Kasco . Rotimi Fani-Kayodé . Seydou Keïta . Philippe Koudjina . Zwelethu Mthethwa . Ambroise Ngaimoko Studio 3 Z . Yves Pitchen . Alain Nzuzi Polo . Ramilijaona . J. Randria . Joseph Razaka . Guillaume Razafitrimo . Studio Rill Maurille Andrianarivelo . Abdourahmane Sakaly . Malick Sidibé . Ilay mpaka sary tsy fantatra avy ao Saint-Louis, Sénégal

Nisokatra ny 26 Novambra 2022 hatramin’ny 6 May 2023
Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana, Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara

LA NOUVELLE MAIN

The new hand
Ilay tanana vaovao

FAMPIRANTIANA MIARAKA
HATRAMIN’NY 22 OKTOBRA 2022

Miaraka amin’ny mpanakanto
Rose Kely Ranarivelo . Andy Rasoloharivony . Fitiavana Ratovo . Sanka

Toy ireo andian-teny izay misoratra eo amin’ny solaitra mainty,
Ilay tanana vaovao dia tanora malagasy efatra feno fisalasalana.
Efa mpanakanto ve izy ireo sa tsia? Ary ho lasa mpanakanto ve?
Ireo no tsangan-kevitras mipetraka! Io no votoatiny!
Eto mantsy, dia tsy ny ho mpanakanto aloha no imasoana, fa kosa fanehoana ny finiavan’izy ireo ao anaty asa famoronana, sy ny fanirian’izy ireo handrafitra ny endrika isehoany anio sy rahampitso ao anatin’ny fahatanorana tsy miraika.

Anio, eto amin’ny Hakanto Contemporary, dia faly izahay mampahafantatra ny mpitsidika ireto mpanakanto tanora efatra ireto, endrika vaovao, vao misandratra eo amin’ny sehatry ny vanimpotoana ankehitriny Malagasy amin’ny alalan’ireto sanganasa goavana sy miavaka ireto, izay novokarina manokana ho an’ity fampirantiana ity.

Rose Kely Ranarivelo, Andy Rasoloharivony, Fitiavana Ratovo ary i Sanka dia samy nandray anjara tamin’ny atrikasa izay nokarakarain’ny Hakanto Contemporary. Fihaonana izay natao matetika ho fampirisihana ny fifampiresahana sy ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpanakanto avy amin’ny taranja samihafa. Ary indrindra ahafahana mamboraka herijika vaovao.

Voahevitra ho toy ny habaka hifampiresahana sy hisainana miaraka, ireo fihaonana ireo dia tsy fifantenana fotsiny an’ireto mpanakanto efatra tanora ireto izay ao anatin’ity fampirantiana ity, fa ihany koa ho fampirisihana azy ireo ao anatin’ny famolavolany ireo hevi-pamoronana. Satria, amin’izao toerana misy azy ireo izao, dia mbola samy ao anatin’ny lalam-pikarohana avy izy ireo. Samy mbola manohy ny fitadiavana izay mety ho kanto anatin’ny lasi-panehoany avy, hatramin’ny fanandramana akora hafa sy hendrika hafa. Ny fitantanana manokana, izay nomena azy ireo ho fanomanana ity fampirantiana ity, dia niompana indrindra eo amin’ny maha zava-dehibe ny fivelarana ao anatin’ny lalam-pikarohany avy.

Raha jerena, ireto mpanakanto tanora ireto dia entanin’ny faniriana hanao dingana vaovao. Samy maniry ny handroso, ary hijery lalana vaovao amin’ny asany avy, mikolokolo ary manome tombana vaovao. Ireto ho mpanakanton’ny ampitso ireto dia mitady ny fomba hialany amin’ny tontolo mahazatra azy na ihany ko ny fitokatokanany. Ary na dia eo aza ilay ho avy mbola manjavozavo izay apetrak’ity lalana nosafidian’izy ireo ity, dia tsy mampaninona azy izany. Ny faniriana hanandrana, hanome hevitra na fotsiny hoe haneho ny fisiana dia mialoha ny zavatra hafa rehetra ary manako eto, anatin’ny fihetsika samy hafa, ny sosokevitra ary ihany koa ireo akora.

Ireo sary, ireo vy, ireo tany masaka, ireo lamba ary ihany koa ireo ireo taratasy… ireo akora mifampiditra anaty kilalaon‑pifampiresahana, fifanoherana sy fifandirana. Izy ireo dia maneho hendrika maro izay ahitana fitoviana eo amin’ny hevitry ny sanganasa tsirairay, izay samy voakolokolon’ny tantaran’ireo mpanakanto ary ireo traikefa ara-piarahamonina. Izany indrindra angamba no manome ilay hatsarana ao amin’ireto sanganasa ireto amin’ny ankapobeny, ny kalitaon’ny singa isanisany, ary maneho eo imason’ny tontolo ho toy ny fanolorana ny mombamomba ireto mpanakanto tanora ireto. Ny mahakasika manokana ireto rindran-draha ireto, ny herin’ny tolokevitra tsirairay dia mitotra eo amin’ny fandanjalanjany sy ny fahamarinany, satria tsy misy fanazarana manahirana mihoatran’ny fanolorana ny tenany sy ny tontolony avy, miaraka amin’ny fahasotana apetraky ny raikipohy sy ny fanehoana.

TSARASAOTRA
Amin’ny alalan’ny tantaran’ny fianakaviany, i Rose Kely Ranarivelo dia mamerina indray ireo fotoana maminy amin’ny alalan’ireto singa ampiasainy: Tsarasaotra. Miainga amin’ny lasi-panehoana maro toy ny tanimanga, ny hazo, ny hosodoko, ireo tahirin’ny fianakaviany izay avohitr’ity mpanakanto ity eo ambony latabatra iray noforoniny. Avy amin’ny aingampanahy mifototra amin’ny maha sady frantsay no Malagasy azy, ny rindran-draha atolony dia manako eo anivon’ireo todika ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina, amin’ny lafin’ny safidy sy ny hakanto.

IRAY LALANA
Mba hanatanterahana ny sanganasany dia namolavola fomba fiasa azy manokana i Fitiavana Ratovo izay hita eo amin’ny fiainana andavan’andro. Ity andiana fanitso vita sokitra ity, izay aseho toy ny sary anaty toeram-pampirantiana, dia maneho olona ao anaty fiarahamonina izay mitovy fijery, mitovy sanda ary mibanjina ho avy hitambarana. Iray lalana – izay midika ara‑bakiteny hoe miaradia amin’ny lalana iray – dia toa faniriana ny fahatongavantsainan’ny rehetra ao anatina fiarahamonina mandalo fotoan-tsarotra.

L’URGENCE DE LA FOI
Amin’ny alalan’ny herin’ilay taranja, ary ireo sary, Andy Rasoloharivony dia manasa ary miangavy ireo mpitsidika hiditra anatin’ity toeram-pivavahana ity, mba handray anjara ao anatin’ny fahamaizan’ny finoana (L’urgence de la foi). Ao anaty kilalao misy fifanoherana manaitra, ity mpanao horonantsary ity dia manolatra amin’ny alalan’ny andian-tsary, marika famantarana mahery eo anivon’ny finoana kristianina eo anivon’ny rava-panorenana. Ny hazana voajanaharin’ny masoandro, izay mitaratra anatin’ity toerana mifono zava-miafina sady masina ity, ireo no manainga ity fandraisana anjara ity ho eo amin’ny faratampon’ny andrana.

IRETO MASO
MIJERY AHY
MIBANJINA ANAO
MAMPITAMBERINA
NY LASA
NY VITA NATAO
I Sanka indray, dia mandroboka antsika amin’ny lalina sy ny herin’ny fijery, izay varavaran’ny fanahy. Izy dia manolotra dia manolotra ireto sanganasa voalohany izay maneho ny traikefa lalina ananany amin’ny maha mpanao sary tanana azy. Ny sanganasany dia mampivondrona andiana sary vita tanana, ary fifandimbiasana teny tahapeo voasoritra eo amin’ny solaitra mainty, izay mampitamberina ireo fihetsika fanaony tany amboalohany.

Ilay tanana vaovao, dia ambangovangon’ny ho avy mbola tsy fantatra, kanefa misoritra noho ireto tanora efatra mitondra fanantenana miaraka amin’ny faniriana mba handrafitra sy hanamboatra ny fotoanany.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

RAMILY
ILAY NANAO
NY MARAINA

FAMPIRANTIANA
NY 30 APRILY 2022
HATRAMIN’NY 30 JOLAY 2022

Sady jery todika no fanomezam-boninahitra, ny fampirantiana dia natokana ho an’i Emile Rakotondrazaka, izay fantatra amin’ny anarana hoe Ramily na hoe Dadamily ho an’ireo akaiky azy. Ramily tokoa no rain’ny sary mainty sy fotsy malagasy ny vanim-potoana ankehitriny. Ny fampirantiana dia fotoana iray hanasongadinana ny fahaiza-manaony amin’ny maha-mpaka sary, sy mpisava lalana ny mainty sy fotsy azy, ary mpanasa sary miavaka.

EMILE RAKOTONDRAZAKA . RAMILY

Emile Rakotondrazaka, antsoina hoe Ramily, na koa hoe Dadamily, teraka ny 25 Septambra 1939 tao Antohomadinika, Antananarivo. Zoky lahimatoa tamin’ny folo mianadahy, zana-dRakotozafy sy Razanapanalina, mpandrafitra.

Notaizan’ny mpitandrina Rasolonjatovo izay nanana zanaka mpakasary izy nanomboka ny taona 1949 teo amin’ny faha-folo taonany. Tamin’izay no nidirany voalohany teo amin’ny tontolon’ny fakana sary rehefa nanaraka io zanakin’ny mpitaiza azy io nanantontosa « opérations cartes d’identité » teny ambanivohitra sy tanandehibe eto Madagasikara, nandritra ny vanimpotoan’ny fanjanahantany.

Ny taona 1956, teo amin’ny faha-17 taonany, niasa nanampy tao amin’ny laboratoaran’ny PHOTOFLEX teo Analakely teo amin’ny Avenue de l’Indépendance, izay notarihin’ilay mpakasary frantsay Mesli d’Arloze izy. Nanomboka nanintona ny maro ny talentany mahafehy ireo teknika fanasana sary ao anaty efitra mainty. Nankafizin’ny mpampiasa azy tokoa ireo fifehezany ireo akora simika hanatontosana ny fanasana sary. Ramily dia laborantin tena lafatra.

Ny taona 1968, nanokatra ny laboratoarany fanasana sary voalohany izy – mbola kely saingy efa nalaza sahady – teny amin’ny tanàna manantantara, Ankadifotsy, ka tao ambany rihan’ilay fivarotamboky notazomin-dramatoa vadiny no nametrahany azy.

Roa taona taoriana (1970), nifindra teny Itaosy Ramily. Nentiny teny ilay laboratoara fanasana sary, izay lasa lehibe kokoa sy raitra dia raitra. Anisan’ny voalohany teto Madagasikara izany. Namorona efitrano fakana sary ihany koa izy. Taorian’izay dia nanomboka nisokatra ny toeram-pandrafetana hazo ho fefimeran’ireo sary pika.

Teo anelanelan’ny taona 1970 hatramin’ny 2000, Ramily dia nanao fampirantiana teny amin’ny habaky ny Air Madagascar, ny Centre Culturel Albert Camus (izay Institut Français de Madagascar ankehitriny), ny CITE (Centre d’Information Technique et Économique), ary ny Alliance Française d’Antananarivo, sy teny amin’ny arabe an’Antananarivo rehetra teny, niaraka tamin’ireo andiana mpaka sary. Nandray anjara tamin’ireo hetsika Mois de la Photo sy ny Festival Photoana, ary hetsika ara-tsary atao isaky ny roa taona eo anivon’ny Ranomasimbe Indianina, natao teto Antananarivo, ihany koa izy. Indroa miataona, « Revue Noire » dia nanokana lahatsoratra ho an-dRamily.

Mpikambana mpanorina, fikambanana mpaka sary roa samihafa izy, dia ny « Association des Photographes de Madagascar » sy ny « Association des Photographes de Tananarive ».

Anisan’ireo hetsika farany nisehoany vahoaka ny taona 2007, sy nandraisany anjara ilay fampirantiana iraisampirenena « 30 et Presque-Songes » notarihin’i Joël Andrianomearisoa tao Antananarivo.

Vato nasondrotry ny tany teo amin’ny fakana sary Ramily, izay handrarezin’ny fanasana sary mainty sy fotsy. Nahatratra ny laza faratampony ny sanganasany nanomboka ny taona 1970. Nihato tamin’ny asany maha-mpanasa sary azy izy ny taona 2003, rehefa nianjadian’ny fahatapahana lalan-drà. Nodimandry Ramily ny 26 Martsa 2017 tao Antananarivo, ary namela sary toy ny tononkalo anjatony, nanao asa fanasana sary voakaly tokoa, namela sarim-panambadiana sy lanonana miloko mainty sy fotsy, ary indrindra, nampita ilo ny fitiavany ny fakana sary, taminkahalalahana tanteraka tamin’ireo taranaka andiana tanora mpaka sary.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

NY FITIAVANAY
OUR LOVE
NOTRE AMOUR

FAMPIRANTIANA MIARAKA
NISOKATRA NY 09 OKTOBRA 2021
HATRAMIN’NY 16 MARSA 2022

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara

Ny fitiavanay
Our love
Notre amour

Ry Tanindrazanay malala ô !
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Oh our cherished country!
Oh beautiful Madagascar,
Our love for you remains,
And will remain forever.

Toy ny fanao ato amin’ny Hakanto Contemporary rehefa manao fampirantiana efa ho roa taona izao,
mametra-panontaniana foana izahay mahakasika ny zava-misy, ny Tantara, ny ankehitriny ary miandrandra ny ho avy ihany koa.

Amin’ity andiany ity, tsy mivaona amin’izay fanao, dia hiresaka manodidina
ny tanindrazana – ny firenena – ny tany izahay.
Ny lasa, ny ankehitriny, ny ho avy, ireo hatrany no gadona handrindrana ity feo vaovao ity.

Ny tany
Resahina matetika ity tanintsika lazaina fa Nosy mena ity, ampahan-tany anilan’ny Afrika, afovoan’ny ranomasim-be sy izao tontolo izao.
Isika.
Isika izay avy amin’ny Ranomasimbe, araka ny fanambaran’i Serge Henri Rodin azy.
Madagasikara.
Ny ranomasina manodidina azy, mitoetra ho misitery hatrany.

Fanambarana ? Fametraham-panontaniana ? Fitiavana ? Elanelana ? Fahaleovantena ?
Tsy ny hanome vahaolana no ifantohana eto, fa kosa ny handrafitra fahatsapana amin’ny alalan’ny fampivondronana fahaiza-manao.
Fihetsika tsy miloko, hatramin’ny fisiana saina tsy misy loko.
Fo voatritra mba ahafahana mandraraka ny ranomaintin’ny fanantenana.
Kalom-pitia mitraotra avy amin’ny tonombavaka.
Na ihany koa sakafo mitam-pihavanana, afomanga manoloana ireo ratrantsika.
Maro no mety ho valiny. Mety ho amin’ny alalan’ny resaka, indraindray fifanandrinana, na koa disadisa.

Fanehom-pitiavana Ny fitiavanay
Indro misy fanehom-pitiavana marolafy ataon’ny mpanakanto malagasy 26 ho an’ity nosy malala ity.
26 miresaka an’izay 60 taona izay.
Mpanakanto 26.
60 taona nahaleo tena.
Ahoana ny handrafetana ny ankehitriny manoloana ity fankalazana ity ? Ahoana no hamborahana ny tantara ? Hanoratana indray ireo tantara. Ahoana no hitantaràna ny ho avy ?

Manoratra indray ny tantara
Miverina manoratra ny lasa
Manainga indray
Manolo ny faka
Ary dia manangana, manangana, manangana hatrany.

Michèle Rakotoson

Ny tena sy fo fanahy anananay

Feo re moramora manako mamelombelona ny fo sy fanahy ao anaty fahalalahana.
Eny, andao resahina fa fotoanany izao.

– Joël Andrianomearisoa . Septambra 2021

Ry Tanindrazanay malala ô
Hiram-pirenanan’i Madagasikara nanomboka tamin’ny 1958
Tonony . Pastora Rahajason
Feo . Norbert Raharisoa

IVELANY HAKANTO

MALAGASY

Sarin’i Rijasolo
Tsena Pochard
Lalana Ampanjaka Toera . Soarano . Antananarivo

Tomorrow

Sarin’i Viviane Rakotoarivony
Lycée Jean-Joseph Rabearivelo
7, lalana Andrianampoinimerina . Analakely . Antananarivo

Ireo mpanakanto

Alizé . Malala Andrialavidrazana . Jean Andrianaivo Ravelona . Philippe Gaubert . Joan Paoly . Mat Li . MiMaDa . Môta Soa . Ndao Hanavao . Zahra Rabeharisoa . Fenosoa Rahajamalala . Viviane Rakotoarivony . Harivola Rakotondrasoa . Zoly Rakotoniera . Michèle Rakotoson . Emile Ralambo . Rina Ralay-Ranaivo . Maurice Ramarozaka . Antoine Ratrena . Fela Razafiarison . Ketaka Razafimisa . Rijasolo . serge henri rodin . Samoëla . Ludonie Velotrasina . Vonjiniaina

BEYOND ALL
YOU ARE
MINE

Fampirantiana miaraka
:mentalKLINIK . Rina Ralay-Ranaivo . Temandrota

TOLO-KEVITR’I JOËL ANDRIANOMEARISOA

Hakanto Contemporary 
Antananarivo 

Fampirantiana manomboka ny 27 Febroary hatramin’ny 4 Septambra 2021

Beyond all you are mine.
Manoloana an’izao rehetra izao, ahy ianao.

Fanambarana feno hafaliana manoloana ny ho avy manjavozavo. Hatraiza ny fetra! Hanao ahoana  ny ampitso?
Fanambarana velona, amin’ny fotoana manempotra. Hatao ahoana ny hiaina? Miaraka amin’iza?
Sakaiza azo hitokiana eo anatrehan’ny tontolo marefo. Hiara handihy ve isika indray andro any? Hifanoroka?
Fitiavana mihatrika fitiavan-tanindrazana diderena.

Mpanakanto telo no manambara fa mbola tafaraka, feno aingam-panahy ary velona hatrany isika.
Isika no manefy ny fotoana ary mihoatra ny faravodilanitra rehetra ny faniriantsika.
Ny voalohany dia hery malagasy. Temandrota.
Mikirakira ny tany, mamolavola ny afo, manorotoro ny fontsika hanako feo vao.
Amin’ny alalan’ny Kolondoy no anoritany faritany vaovao, kianja filalaovana hiarahan-tsika miatrika ny fanontaniana rahampitso sy ny filan-tsika anaty.

Ny faharoa,
avy any Bosphore mandalo ny moron’ny Ikopa,
ry zareo :mentalKLINIK izay mampanjavozavo ny fitsipiky ny lalao eo amin’ny materialy, ny fahazavana ary ny fihetseham-po.
Tsy misy jeografia ankoatry ny fahatsapana.
Ny hevitry ny 2, ny 3 na mihoatra… Ny mpifankatia :mentalKLINIK dia manasa antsika hametra-panontaniana momba ny fitiavana vaovao ary indrindra ilay fitiavana an’Antananarivo. Another Love.

Ary ny fahatelo,
Rina Ralay Ranaivo izay mizara ny fony eo anelanelan’Antananarivo, Berlin sy ny toerana hafa,
dia miantso amin’ny alalan’ny Chapitre I, ny nofinofy, ny razana ary ny tantara manamorona renirano tsy hita maso hiampitana.
Miampita rano indray, miampita fotoana, miampita ny hafa, miampita sisintany,
Hifankahita indray ary hanamafy fa manoloana an’izao rehetra izao, ahy ianao.

Hanorina faniriana,
Faniriana ny hitoetra eo amin’ny tontolo,
Hisosa safoin’ny rivotra,
hianjoria.

Joël Andrianomearisoa . 2021

ICI NOUS PORTONS TOUS LES RÊVES DU MONDE

Tolo-kevitr’i Joël Andrianomearisoa

Fampirantiana ny 08 Febroary 2020 hatramin’ny 08 Febroary 2021

Tsy misy dikany aho.
Tsy hisy dikany na rahoviana aho.
Tsy hahay ny te ho tsy hisy dikany aho.
Ankoatra izay, vimbiniko anaty ny nofin’izao tontolo izao.”

Fernando Pessoa

Ny eto dia eto, avy eto isika mijery ny tontolo, avy eto isika manonofy ny tontolo. Ndao haminavina, ndao hiresaka nofy, ndao hanonofy – satria noho ny nofy no hahafahantsika mametraka tsioka vao Malagasy amin’ny alalan’ny endrika ara-fiforonan’ny ankehitrio anatrehan’ny mpanakanto sy ny endri-panehoana avy any an-kafa.

Ao anatin’ny filaza, tsy misy fomba fanehoana mihitsoka amin’ny endriny tokana. Ilay fampirantiana dia mametraka ny hamaroam-peon’ny endrika anaty lalaom-potoana miaraka amin’ny anoanony sy ny tena iziny.

Tsy mifantsika ny lisi-tsakafo. Tsy misy fefy ny lisi-tsakafo.
Ny chef Lalaina miandraikitra ny fenitra nony izy nanavao sakafo fanta-daza Malagasy anaty ngadon’ny Nofy rock an’i Kristel.

Ny hodidina dia ilay lalao, ny hamaroan-karazana, no fitsipika.
Ny roroa ho dorian’i Istanbul :mentalKLINIK mamorom-panindroany fitia vaovao, lalaom-pitia vaovao manoloana ireo volana vaovao sinoritr’i Môssieur Njo.
Anatin’ny hamaroan-karazan’ny tsipika, ilay designer tanora Domi Sanji mangaro ny taniny mifanandrina amin’i Alexandre Gourçon sy valony alinkisa.
Ramily, ilay rain’ny fakana sary Malagasy ankehitriny somary latsaka anaty fanadinoana, mahita indray ny hazavana amin’ny alalan’ny andia famantarana azy eo anelanelan’ny ngazana sy ny habetsahana ara-java-maniry. Ilay mpanakanto plasticien Donn dia mametraka ny piesiny eo anelanelan’ny nofy ratsy sy ny halefahana toy ny fiserak’ilay mpamorona sora-dihy Judith Manantenasoa ny hamamian’ny korontana tanteraka.
Izany rehetra izany dia milona anaty embona adala Malagasy amin’ny alalan’ny teny ifanaovana ara-diteratioran’i Jean-Joseph Rabearivelo sy Elie Rajaonarison.

Fihaoanana tsy nampoizina hanosika sy hanaitra.
Ny asa tanana mihaona amin’ny hira. Ny fakana sary no raoby. Ny teny lasa hosodoko. Ndao handrary ny literatiora, ndao handrehitra ny afo, ndao handihy ny mari-trano, ndao hiresaka zaitra, ndao hanafy ny ankehitrio.
Ndao hanao petakofehy ny hainahandro dia ndao hanimbolo voninkazo.
Ny nofy no tena iziko, karazana tena izy hafa. Ny nofin’Iarivo. Ny vinavinan’ny tontolo.
Ndao hianjoria.
Ndao hanonofy.

Eto Madagasikara isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao.

Joël Andrianomearisoa . Janoary 2019 

IREO MPANAKANTO
JOËL ANDRIANOMEARISOA . :MENTALKLINIK . DONN . ALEXANDRE GOURÇON . KRISTEL . LALAINA RAVELOMANANA . JUDITH OLIVIA MANANTENASOA . MOSE NJÔ . JEAN-JOSEPH RABEARIVELO . RAMILY . ELIE RAJAONARISON . DOMI SANJI

HAKANTO CONTEMPORARY

Hakanto Contemporary dia manandratra sy manohana ny famoronana eo amin’ny sehatry ny kanto ao Madagasikara.

Natokana hanomezan-danja ny harenan’ny kanton’ny vanim-potoana ankehitriny Malagasy, toerana mahaleotena ho an’ny mpanakanto, tsy hitadiavam-bola nisokatra ho an’ny be sy ny maro tamin’ny volana Febroary 2020.

Joël Andrianomearisoa no mpitantana ara-java-kanto, mirefy 300 m2 ny toerana ary ao Ankadimbahoaka, atsimon’Antananarivo no misy azy. Mandray anjara amin’ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny kanto ao an-toerana sy iraisam-pirenena izy ary manamafy fa tokana sy manana ny maha-izy azy ny kolontsaina Malagasy.

Maimaim-poana ny fitsidihana ary misokatra ho an’ny rehetra. Hakanto Contemporary dia manolotra toerana ahafahan’ny mpanakanto sy izao tontolo izao mihaona sy mifanerasera.

Ankoatran’ny fampirantiana miaraka sy ny fampirantiana ataon’olon-tokana manandratra ny kanton’i Madagasikara dia manolotra toerana fiofanana natokana ho an’ny mpanakanto ihany koa ny Hakanto Contemporary ho fampitomboana ny traikefa sy hampandroso ny tetikasam-pamoronana manohana ny sehatry ny kanto Malagasy.

Ny Fonds Yavarhoussen no manohana an’ny Hakanto Contemporary noho ny fahatsapany fa andry lehibe ho an’ny fampandrosoana ny kanto sy ny kolontsaina ary mankahery hatrany  ny taranaka mbola ho avy eo amin’ny sehatry ny famoronana.

HASNAINE YAVARHOUSSEN

Hasnaine Yavarhoussen no Tale Jeneraly ny Groupe Filatex ary nanorina ny Fonds Yavarhoussen. Mahatsapa fa ny kanto sy ny kolontsaina dia andry lehibe ho an’ny fampandroasana, ny FYH dia manome toky amin’ny fanandratana ny tontolon’ny kanto sy kolontsaina Malagasy.

Ny taona 2019, ny Fonds Yavarhoussen dia nanohana ny trano heva voalohan’i Madagasikara tamin’ny Biennale de Venise faha-58 niaraka tamin’ny mpanakanto Joël Andrianomearisoa. Ny taona 2020 no niarahan’izy ireo nanorina ny Hakanto Contemporary ao Antanananarivo, toerana voalohany natao ho an’ny kanto, taranja rehetra mifangaro (tsy hitadiavam-bola), natokana hanandratana ny lanjan’ny kanton’ny vanim-potoana ankehitriny Malagasy sy manolotra toeram-piofanana ho an’ny mpanakanto.

Nampandroso sy nampivelatra ny Groupe Filatex, orinasam-mpianakaviana, teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena i Hasnaine Yavarhoussen ka nahatonga ny sampany misahana ny angovo ho mpamokatra angovo mahaleo tena lehibe indrindra ao Madagasikara. Nitantana sy nandrindra asa soa maro eo anivon’ny Groupe Filatex i Hasnaine Yavarhoussen ary nanatontosa fandaharan’asa soa 32 ao Madagasikara.

Ny taona 2018 sy 2019 i Hasnaine Yavarhoussen dia voafantina tamin’ny Choiseul 100 Africa, izay manaiky sy mandahatra ny mpitarika Afrikanina 200 latsaky ny 40 taona.