BEYOND ALL
YOU ARE
MINE

Fampirantiana miaraka
:mentalKLINIK . Rina Ralay-Ranaivo . Temandrota

TOLO-KEVITR’I JOËL ANDRIANOMEARISOA

Hakanto Contemporary 
Antananarivo 

Fampirantiana manomboka ny 27 Febroary hatramin’ny 4 Septambra 2021

Beyond all you are mine.
Manoloana an’izao rehetra izao, ahy ianao.

Fanambarana feno hafaliana manoloana ny ho avy manjavozavo. Hatraiza ny fetra! Hanao ahoana  ny ampitso?
Fanambarana velona, amin’ny fotoana manempotra. Hatao ahoana ny hiaina? Miaraka amin’iza?
Sakaiza azo hitokiana eo anatrehan’ny tontolo marefo. Hiara handihy ve isika indray andro any? Hifanoroka?
Fitiavana mihatrika fitiavan-tanindrazana diderena.

Mpanakanto telo no manambara fa mbola tafaraka, feno aingam-panahy ary velona hatrany isika.
Isika no manefy ny fotoana ary mihoatra ny faravodilanitra rehetra ny faniriantsika.
Ny voalohany dia hery malagasy. Temandrota.
Mikirakira ny tany, mamolavola ny afo, manorotoro ny fontsika hanako feo vao.
Amin’ny alalan’ny Kolondoy no anoritany faritany vaovao, kianja filalaovana hiarahan-tsika miatrika ny fanontaniana rahampitso sy ny filan-tsika anaty.

Ny faharoa,
avy any Bosphore mandalo ny moron’ny Ikopa,
ry zareo :mentalKLINIK izay mampanjavozavo ny fitsipiky ny lalao eo amin’ny materialy, ny fahazavana ary ny fihetseham-po.
Tsy misy jeografia ankoatry ny fahatsapana.
Ny hevitry ny 2, ny 3 na mihoatra… Ny mpifankatia :mentalKLINIK dia manasa antsika hametra-panontaniana momba ny fitiavana vaovao ary indrindra ilay fitiavana an’Antananarivo. Another Love.

Ary ny fahatelo,
Rina Ralay Ranaivo izay mizara ny fony eo anelanelan’Antananarivo, Berlin sy ny toerana hafa,
dia miantso amin’ny alalan’ny Chapitre I, ny nofinofy, ny razana ary ny tantara manamorona renirano tsy hita maso hiampitana.
Miampita rano indray, miampita fotoana, miampita ny hafa, miampita sisintany,
Hifankahita indray ary hanamafy fa manoloana an’izao rehetra izao, ahy ianao.

Hanorina faniriana,
Faniriana ny hitoetra eo amin’ny tontolo,
Hisosa safoin’ny rivotra,
hianjoria.

Joël Andrianomearisoa . 2021

Esprit Revue Noire
Une collection fondatrice

Sary maneho ny hay hetsi-draha an’i Joël Andrianomearisoa no eo amin’ny takela firakofana Revue Noire, laharana natokana ho an’i Madagasikara, ny taona 1997. Izay toy ny famantarana nohavaozina amin’ity taona 2022 ity noho ilay fampirantiana ESPRIT REVUE NOIRE UNE COLLECTION FONDATRICE eto amin’ny Hakanto Contemporary eto Antananarivo, roapolo taona aty aoriana.

Ny gazetiboky, ny trano fanontana sy famokarana boky dia naorin’i Jean Loup Pivin sy i Pascal Martin Saint Leon (izy ireo izay samy mpahay maritrano no sady tale ara-javakanto, ary mpitantana sy mpandrindra fampiratiana), Simon Njami (mpanoratra sy mpitantana ara java-kanto) ary Bruno Tilliette (mpanota boky ary mpanoratra).

Gazetiboky manadiady ireo hetsiky ny vanim-potoana ankehitriny afrikanina, nanamarika ny taona 1900 sy 2000, Revue Noire izay nanolotra endrika vaovao sy tsy mbola fantatra ny amin’ny ain-dehibe an’ny asa famoronana, ireo haitao maoderina, ireo fahamaroan’ny zavakanto sy ny mpanakanto avy any Afrika sy ireo any am-pielezana. Nahely maneran-tany, ity gazetiboky iraisam-pirenena izay amin’ny fiteny roa -frantsay/anglisy- ity dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantaran’ny zavakanton’ny vanimpotoana ankehitriny afrikanina ary nampivohitra mpanakanto maro, ny zavakanto ara- kendrika amam-bika hatramin’ny sary pika, ny sarimihetsika hatramin’ny dihy, ny lamaody hatramin’ny famolavolana ara- kendrika, ary ny literatiora tamin’ny fampisongadinana andiana mpanoratra vaovao.

Ity anjara asany ity dia nisava lalana teo amin’ny zavakanton’ny vanimpotoana ankehitriny ary indrindra teo amin’ny fanehoana ny tontolon’ny fakàna sary afrikanina. Ny fampirantiana atolotra ao Antananarivo dia avy amin’ilay fampirantiana hoe L’Afrique par elle-même izay efa niodina hatrany Paris (Maison Européenne de la Photographie) hatrany amin’ny Bienal de São Paulo, hatrany Washington (Smithsonian) ary hatrany New York (New Museum of Contemporary Art) ary nandalo tany Londres (Barbican), Bruxelles (Tervuren), Cape Town ary Berlin… Ilay boky Anthologie de la Photographie africaine, de l’Océan Indien et de la Diaspora (1998) izay mifandray amin’ilay fampirantiana, ary ireo laharana Revue Noire nivaoka dia samy mametraka vato fehizoro amin’ny tantaran’ny fakana sary afrikanina.

Mpaka sary malagasy manodidina ny roapolo isa no naseho tao anatin’ilay laharana natokana ho an’i Madagasikara ny taona 1997. Ankehitriny, ity fampirantiana Revue Noire eto Antananarivo ity dia miompana amin’ny tantaran’ny fakàna sary afrikanina, sary 140 ary ny ankamaroany dia ireo sary natonta voalohany sy tranainy. Misy horonantsary novokarin’ny Revue Noire ihany koa aseho ato ary fitambaran’ireo Revue Noire izay nivaoka aranty ato mba ahafahan’ireo mpitsidika mandray anjara amin’ilay fizohin-kevitry ny Revue Noire.

Natonta isaky ny telo volana, ireo laharana tsirairay dia mandrafitra jery tambatra avy amin’ireo kaomity mpanoratra napetraka isaky ny toerana, isaky ny firenena. Misy laharana sasany dia mamaha petrakolana manokana, mifandray amin’ny taranja iray, ny fakàna sary, ny dihy, ny lamaody na trangam-piarahamonina toy ny an-tanandehibe, ny haify na ihany koa ny Sida izay mandripaka ny kôntinanta. Manolo-tena amin’ity ady ho amin’ny fahavelomana ity, Revue Noire dia namokatra ny Les artistes africains et le Sida ny taona 1995, na dia tsy mbola nisy aza ny fitsaboana io aretina io tamin’izany, nampivondrona laharana Revue Noire, horonantsary novokarin’ireo mpanantontosa afrikanina, kapila mangirana ary fandaharana izay naparitaka tamin’ireo fahitalavitra afrikanina.

Ity votoatinasan’ny Revue Noire ity dia miraikitra tanteraka ao antsain’ireo mpanorina azy. Hita taratra izany ao amin’ilay fampirantiana Suites africaines tao Paris ny taona 1996 ka mpanakanto ara-kendrika amambika, mpandihy, mpaka sary, mpanoratra, mpanao hay hetsi-draha dia nitambatra tao amin’ity habaka mientanentana sy mampalalaka ny fitsangatsanganana ity.

Ankehitriny, dia mbola manohy ny asany ny trano fanontana boky ary manohy hatrany ireo famoahana boky sy ireo fampirantiana, izay vao tsy ela izao toy ny tao Toulouse, tao amin’ny Musée des Abattoirs, nanolotra ireo endrika maro an’ny Revue Noire amin’ny alalan’ny fanontana boky, zavakanto, sary pika, mozika, horonantsary. Izay aingam-panahy izay ihany no namolavolana ny fampirantian’ny Hakanto Contemporary ity.

Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon

FAMPIRANTIANA HATRAMIN’NY
31 MARTSA 2023

Ny fampirantiana Esprit Revue Noire une collection fondatrice dia manolotra an’ireo sanganasan’ireo mpanakanto ireo :

Joseph Moïse Agbojelou . Daniel Attoumou Amicchia – Agence Anta . Cornélius Augustt Azaglo . Agence BTEM-SGM-FTM . Mama Casset . Jean Depara . Drum . Gahité Fofana . Samuel Fosso . Antoine Freitas . Dorris Haron Kasco . Rotimi Fani-Kayodé . Seydou Keïta . Philippe Koudjina . Zwelethu Mthethwa . Ambroise Ngaimoko Studio 3 Z . Yves Pitchen . Alain Nzuzi Polo . Ramilijaona . J. Randria . Joseph Razaka . Guillaume Razafitrimo . Studio Rill Maurille Andrianarivelo . Abdourahmane Sakaly . Malick Sidibé . Ilay mpaka sary tsy fantatra avy ao Saint-Louis, Sénégal

Nisokatra ny 26 Novambra 2022 hatramin’ny 31 Martsa 2023
Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana, Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara