FOUR
SEASONS

FAMPIRANTIAN’I BENJAMIN LOYAUTÉ

HISOKATRA NY
SABOTSY 23 NOVAMBRA 2024
MANOMBOKA AMIN’NY 3 ORA TOLAKANDRO
HATRAMIN’NY 7 ORA HARIVA

Faly ny Hakanto Contemporary manolotra ny FOUR SEASONS, fampirantiana voalohan’i Benjamin Loyauté eto Madagasikara. Fantatra amin’ny fomba fanehoany feno kanto sy fanoloran-tena, ho asehon’ireo sanganasany ny fifandraisana eo amin’ny zavatra azo tsapain-tanana sy ny tsy azo tsapain-tanana, ny hita maso sy ny tsy hita maso, ny kolontsaina eto an-toerana ary ny olana sedrain’ny tontolo iainana.

Fanasana avy amin’ny Ndao Hanavao sy Hakanto Contemporary izay manome fahafahana malalaka azy handrafitra sy hamorona ity fampirantiana ity, FOUR SEASONS, izay endrika iray hidirana lalina ao amin’ny tontoliny ara-javakanto, ary miorina amin’ireo traikefa azony tao Madagasikara, sady fanomezana sehatra ireo vokatra avy amin’ny fiaraha-miasa nataony nandritra ny taona maro niaraka tamin’ny tetikasa Ndao Hanavao.

Amin’ity fampirantiany voalohany eto Madagasikara ity, ny fandinihan’i Benjamin Loyauté dia miresaka momba ny vanin-taona efatra izay misy akony amin’ny fiainana andavanandro sy ny fivoaran’ny toetr’andro izay mamaritra ny andavanandro sy ny hoavy amin’ny fiaraha-monina eny ambanivohitra.

Ny fampirantiana FOUR SEASONS dia tantanan’i Rina Ralay-Ranaivo eo ambanin’ny tolokevitra ara-tsiantifikan’i Bako Rasoarifetra. Ny fampirantiana dia fikarohana estetika momba ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro eto Madagasikara, indrindra amin’ny fiaraha-monina mpamboly sy ny tontolo. Amin’ny alalan’ny horonantsary, fananganana ary sary sokitra, Benjamin Loyauté dia mijery ny andraikitr’izao tontolo izao amin’ny fiovam-piainana. Nandinihina indray ny vanin-taona efatra mifanaraka amin’ny zava-misy malagasy mba hamoronana fifampiresahana eo amin’ny lovantsofina sy ny zava-baovao, ny natiora sy ny teknolojia.

Fantatra amin’ny asa samihafa i Benjamin Loyauté izay manontany ny fahatsapan’ny olona sy ny lova ara-kolontsaina. Amin’ny FOUR SEASONS, manasongadina ny fomba nentim-paharazana malagasy izy, indrindra ny momba ny voahangy—zavatra misy dikany amin’ny heviny ara-javakanto. Niara-niasa tamin’ny tanora avy amin’i Ndao Hanavao i Benjamin Loyauté namorona ny Voa ary, voahangy vita amin’ny plastika efa niasa, ka nohamasinina nandritra ny fombafomba nentim-paharazana.

Ny fampirantiana dia nahazo ny fanohanana avy amin’ny Rubis Mécénat
sy ny fiaraha-miasa avy amin’ny Ndao Hanavao

HAKANTO CONTEMPORARY
ALHAMBRA GALLERY . RIHANA FAHA-2
MADAGASIKARA

MPITANTANA SY MPANDRINDRA NY FAMPIRANTIANA
RINA RALAY-RANAIVO

MPANOLO-TSAINA ARA-TSIANTIFIKA
BAKO RASOARIFETRA

HISTOIRES DE FAMILLE

Tantaram-pianakaviana

Efa-taona taorian’ny nijoroany teto Antananarivo,
Hakanto Contemporary ankehitriny dia mivelatra eo amin’io tokotanim-pilalaovana vaovao io, hanamafisana ny firotsahanay ho an’i Madagasikara ary indrindra indrindra ho an’ny mpanakanto.
Vatam-piravaka vaovao amelàna toerana lehibebe kokoa ho an’ny fihetseham-po na dia eo aza ny fotoana tsy hay tsy hay loatra.
Habaka vaovao lehibe kokoa anomezana fahafahana ireo mpanakanto haneho ny hetahetany sy ny faharesen-dahatra ananany.
Ny tohin’izao fampiraondraonana izao, izahay dia misantatra ihany koa fanatona vaovao :
ny fametrahana amin’ny toerany habaka manokana, Hakanto Studio, natokana ho an’ny atrikasa, misy ampahany amin’ilay toerana natokana ho an’ny fifanakalozana, Resaka Hakanto, botika vaovao iray, Hakanto Shop.
Hakanto Contemporary dia lasa mpanota boky ihany koa amin’ny alalan’ny Hakanto Edition ary indrindra indrindra ny fikarakarana ny fandaharam-potoana alahatra amin’ny endrika tonon-taona.
Indro àry ny tonon-taona ho fitokanana HISTOIRES DE FAMILLE, izay mifandrohy manodidina ny fampirantiana enina manana tendro maromaro :

THE GRIEF, fampirantiana am-peo an’i Aude Onivola Rajaona izay manantso ny fahatsiarovana ara-pianakaviana miainga amina tsingerintaona ka hatramin’ny fara‑veloma.

LE CORPS DES VOLANTS À SIX ÉTAGES, fampirantiana monografika voalohan’i Jessy Razafimandimby aty Madagasikara izay mitondra antsika ao anatin’ny jeriny isan-karazany eny antsefatsefan’ny fiankaviana fendrofendro sa ve ampinga paradisa ?

AVEC ELLES, fampirantiana samirery voalohan’i Alexandre Gourçon izay iantsoany ny lovan’ny renibeny anankiroa, fa indrindra indrindra ny asa tanana avy eto an‑toerana.

MOTHER, resadresaka eo amin’ny Asma Ben Aissa sy Elie Ramanankavana hiresahina ny reny, Mama a !

THIS IS MY HOME, fifantenana sanganasa ara-javakanto avy ao amin’ny Collection Yavarhoussen. Voambolan-tsehatra am-po lalina sy velovelon-trano tsy misy jeografia afa-tsy ny hamaivana irery ihany.

Ary hamaranana azy, JOELY SY ANDY, resaka safatsiroa eo amin’i Andy Warhol sy Joely izay mpitondra tenintsika malagasin’ny vanim-potoana ankehitriny.

Fifandiasana fitokanana izay manontany tena izany atao hoe fianakaviana sady herin’ny aina no singan’ aingampanahy, saingy indraindray ihany koa vesatra iray ao anatin’ny fidadasihan’ny tena.

Enga anie Hakanto Contemporary hitsoka foana foana ao am-pontsika ary indrindra indrindra ao amin’izao vanim‑potoanantsika izao !

TONON-TAONA ITOKANANA
Histoires de famille

Ireo fampirantian’ny tonon-taona itokanana
hatramin’ny 16 Martsa 2025

THE GRIEF . Fampirantiana samirerin’i Aude Onivola Rajaona
AVEC ELLES . Fampirantiana samirerin’i Alexandre Gourçon
LE CORPS DES VOLANTS À SIX ÉTAGES . Fampirantiana samirerin’i Jessy Razafimandimby
MOTHER . Fampirantiana miaraka amin’i Asma Ben Aissa et Elie Ramanankavana
THIS IS MY HOME . Sanganasa avy amin’ny Collection Yavarhoussen
JOELY SY ANDY . Fampirantiana miaraka amin’i Andrianina Rajoelisoa na hoe Joely sy Andy Warhol

Hakanto Contemporary
ZFI . Ankadimbahoaka
Antananarivo . Madagascar

DANY BE
WHAT A WONDERFUL WORLD

I see trees of green
Red roses too
I see them bloom
For me and you *

Faniarian’i Dany Be raha ilay hiran’i Louis Armstrong, mitondra ny lohateny hoe What a Wonderful World, no hoventsoina ho fahatsiarovana azy rahatrizay. Isan’ireo hira izay tena tiany, ary sitrany tokoa raha io hira malazan’ilay mpiangaly jazz amerikanina io no hanembonana azy.

Tamin’ny 1967 no noraiketina am-peo ity hira ity. Tamin’izany fotoana izany dia toy ny tononkalo miantsa filaminana ary manolotra fisainana miabo ho an’ny fiainana, raha toa ka tafalatsaka noho ny olana ara-piarahamonina sy ara-pihaviana, ireo firehana ara-politika samifaha sy ireo faharavana nateraky ny adin-tafika izao tontolo izao.

Ny sary tonga ao an-tsaina amin’ity hira ity — ny maha vondrom-piarahamonina antsika, manohitra ireo mety ho endri-pandrahonana rehetra — dia mifanjoy amin’ny fomba fijerin’i Dany Be ho an’ny tontolo amin’ny ankapobeny, ary indrindra ny fiarahamonina malagasy.

Nandritra ny fiainany iray manontolo dia nijoro tamin’ny maha-izy azy izy — fifangaroana herimpo, fahasahiana ary fahitsiana — rehefa nitaky izany ny toe-javanisy.

Ny rainy izay mpanorina ny gazety La Grande Île dia nosamborin’ny Sureté Générale tamin’ny 1947, ary nanatrika izany izy. Hitany avokoa ireo fahafaham-baraka sy ireo fampiasan-kery natao tamin’io rainy io rehefa nitsidika azy tany am-ponja izy.

Nanelanelana ny taona 1955 sy 1956, nandritra ny fanompoam-pirenena nataony tao amin’ny tafika frantsay, dia tohina izy raha nahita ireo fihetsika fanambaniana nataon’ny lehibeany iray, izay naka sary ny fahorian’ny vahoaka malagasy.

Nanomboka teo no nitsiry tao amin’i Dany Be ny finiavany anohitra ireo endrika famoretana sy ny tsy ara-drariny rehetra. Izany ihany koa no isan’ny nanosika azy tamin’ny fakana sary, ary nananany fandavan-tena ny haneho ny nosiny sy ireo mponina ao aminy amin’ny fombany manokana.

Nanomboka ny taona 1957 dia liana tsikelikely tamin’ny fakana sary izy, nitombo hatrany izany. Niditra ho mpikamban’ny Select Photo tany Antsirabe i Dany Be, sady nanao fanadihadihana mitokana hatrany, ka fakantsary nindraminy tamin’ny rahalahiny no nampiasainy. Ny taona 1959, nahazo toerana mpaka sary an-gazety tao amin’ny Madagascar Dimanche izy.

Tahaka ny namany mpaka sary hafa, Dany Be dia tsy nandia fianarana momba ny asa fanaovan-gazety, kanefa dia tonga sangany teo amin’izany tontolo izany izy. Nianatra mivantana ny asany teo am-panaovana izany izy tamin’ny fifandraisana tamin’ny mpanao gazety hafa sy ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny serasera. Lasa matihanina noho ny traikefa azony izy, nivezivezy nitety ireo faritra rehetra teto amin’ny nosy sy manerantany – Afrika, Asia, Eoropa hatrany Amerika Latina.

Izany dia nahatonga azy ho isan’ny andry teo amin’ny fangalana sary malagasy tamin’ny amam-polotaona voalohany tao aorian’ny fahaleovantena.

Teo amin’ny vanim-potoana 1960 sy 1970 dia neken’ny rehetra fa manan-talenta, mendrika sy mahitsy tamin’ny asa nataony izy. Ny fanajana nomena azy dia taratry ny hasina nomeny ny asa fanaovan-gazety sy izay noheveriny ho antom-pisiany : ny mandrakitra an-tsary ny fijeriny manokana ny tontolo. Resy lahatra izy tamin’ny lanja izay hananan’ny sary an-gazety eo amin’ny fanefena ny fijerin’ny fiaraha-monina. Nihandrandra ny fahatongavan-tsain’ny maro an’isa no mety hitarika ny fahatongavan-tsain’ny rehetra izy.

Eo anilan’izany, izay tsy voarakitra an-tsary dia toy ny tsy misy. Niombonany tamin’ireo mpaka sary an-gazety hafa rehetra izany fomba fijery izany, na ireo mpaka sary an’ady na ireo mpaka sary ny zava-misy andavan’andro izay tsy fantatra akory raha tsy nisy ny fanoloran-tenan’izy ireo manerana izao tontolo izao. Ohatra amin’izany ny ady natao tamin’ny Apartheid tany Afrika Atsimo, ireo sary mipetraka ho vavolombelon’ny tantara ary maneho ny anjara andraikitry ny sary teo amin’ny sehatra politika.

Tamin’izany fotoana izany dia tsy fahita firy ny pika sary an-gazety, fa nanomboka ny taona 2000 no niparitaka eran-tany tamin’ny alalan’ny internet sy ny teknolojia nomerika izany, ka nahatonga azy ho toy ny mahazatra sy tsy mahagaga. Kanefa tamin’ny taona 1960, 1970, 1980, 1990 — izay vanim-potoana niasan’i Dany Be, dia tena nitaky fanoloran-tena tokoa na teo amin’ny lafiny maha-olombelona na teo amin’ny lafiny ara-pitaovana (ny fakan-tsary, ny fandraketana ny sary, ny fikirakirana, ny fanasana sy fanontana ny sary taratasy, lafo vidy ary tsy takatry ny be sy ny maro izany rehetra izany).

Tsy nisalasala mihitsy i Dany Be nanao ny fanadihadiana sy nirotsaka an-tsehatra lalina tamin’ny asany maha mpaka sary an-gazety azy. Niteraka fahasahiranana maro ho azy izany : ny fifandirana tamin’ny mpitandro ny filaminana, ny fisamborana azy, ny fidirana am-ponja saika teo ambanin’ny fitondrana rehetra nifanesy, ny fandroahana azy tao amin’ny gazety Le Courrier de Madagascar tamin’ny 1971, ary ny mafy indrindra ny nataon’ny Police de la censure ny taona 1983 izay naka an‑keriny ny asany rehetra mandrakitra ny taona 60 hatramin’ny 70 — sary manodidina ny roa arivo izay tsy ho hitany intsony.

Sary miisa 127 no avondron’ity fampiratiana ity, ary sambany vao aseho ny ankabeazany.

Tsy nosarahanay ny maha mpanao gazety sy ny maha paka sary an’i Dany Be fa nisafidy ny hampilahatra an’ireo lafiny roa ireo izahay.

Ireo andian-tsary izay mitantara mivantana lohahevitra tahaka ny politika, ny sosialy, ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly. Hita taratra ihany koa ilay fijery manokan’ilay mpakasary ny manodidina manerana ny nosy. Na tamin’ny faritra an-drenivohitra na ambanivohitra.

Ny pika sarin’i Dany Be dia maneho matetika ny fifandraisany akaiky tamin’ny tontolo nisy azy. Ny hakanton’ny olombelona, ny fiainana andavanandro, sarin’ireo olona nifanerasera taminy sy ireo olona kisendrasendra. Nandray an-tsary ny tantara izy.

Mipetraka ho tantara am-polon-taona maro aty aorina ny sarin’i Dany Be ary mitondra antsika mitety ireo tranga manan-danja nanomboka tamin’ny fahaleovantena ny taona 1960, ny tantaran’ny politika, ny toe-karena, ny sosialy sy ny kolontsainan’i Madagasikara. Nifandray tamin’ny karazana olona maro izy, nanampy azy betsaka teo amin’ny asany izany ary nahafahany nanatrika an’ireo tranga nisongadina toy ny tolona sy ny fiovan-tsata, ary ny tetezamita.

Mirakitra andininy maro ny tantarany teo amin’ny lafiny manokana sy teo amin’ny sehatry ny asa naha mpaka sary an-gazety matihanina azy. Mifamatotra amin’ny olombelona ny hakanton’ny asan’i Dany Be araka ny voalaza teo ambony ary mampiseho ny fifandraisany akaiky tamin’ny tantaran’ny tanindrazany nandritrin’ny vanim-potoana maro, vavolombelon’izany izy.

Tsinjon’i Dany Be sahady tamin’izany fa nataon’ny tanora ankilabao ny tantaran’i Madagasikara, izay no nanosika azy hiady ho an’ny fahafaha-maneho hevitra sy miteny, ary mampita fahalalana ho an’ny taranaka fara-mandimby no isan’ny tena tanjony, indrindra teo amin’ny atsasaky ny fiainany. Anisan’ireo tena nampihetsika ny tontolon’ny fangalana sary matihanina malagasy ihany koa izy. Nandray anjara niaraka tamin’ny Revue Noire teo amin’ny fanatontosana ny fikarohana momban’ny fangalana sary malagasy teo amin’ny faraparan’ny taona 1990 izy, niarahany tamin’i Pierrot Men sy Emile Rakotondrazaka (Ramily) izany.

Mankasitraka, mankatelina ny fahatokisana sy ny firaha-miasan’ny fianakavian’i Dany Be tamin’ny fanantanterahana an’ity fampirantiana ity. Ny fanasongadinana ny fandraisan’i Dany Be andraikitra teo amin’ny lafiny ara-javakanto, ara-tsosialy ary ara-politika dia fanandraisana anjara amin’ny fanomezana voninahitra ny sangan’asany.

Rina Ralay-Ranaivo . Jean Loup Pivin
Aprily 2024

* Notsongaina tamin’ny hira « What a Wonderful World »
Louis Armstrong . ABC Records . 1967
Tonony sy mozika George David Weiss sy Bob Thiele

FAMPIRANTIANA MISOKATRA
NY 4 MAY 2024
HATRAMIN’NY 26 OKTOBRA 2024

Fampirantiana samirery voalohany natokana ho an’i Rado Rakotoseheno fantatra amin’ny anarana maha mpaka sary azy hoe Dany Be (1935-2021). Mpialoha lalana eo amin’ny fangalana sary an-gazety eto Madagasikara.

Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana
Rina Ralay-Ranaivo sy Jean Loup Pivin
niarahana tamin’i Rado Rakotoseheno

HAKANTO CONTEMPORARY
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

LA NOUVELLE TERRE

FAMPIRANTIANA
MISOKATRA NY 6 JANOARY HATRAMIN’NY 20 APRILY 2024

FANOKAFANA NY
ASABOTSY 6 JANOARY 2024
AMIN’NY 3 ORA TOLAKANDRO HATRAMIN’NY 7 ORA HARIVA

Ireo mpanakanto
Amir Juvara Andrianalitiana (Amir.J)
Joëlle Aresoa (Joey Aresoa)
Aina Jo Harimanjato (Jo Aina)
Richianny Raherinjatovo (Richianny Ratovo)
Mbolatiana Raoilison (Clipse Teean)

Nofinofy maka ny tsiron’ny tany

Tena manembona izany tsiron’ny tany izany aho.
Ary tena mamy izany akora vokatrin’ny tany izany !
Unifions nos avis autour de la Terre, la Terre mère, la Terre patrie, la Terre terre*.
Prenons le goût comme principe universel pour converser**.
The taste of my land, motherland, our land just like a dream***.

Ravo izahay ato amin’ny Hakanto Contemporary manoratra tantara vaovao amin’ny alalan’ny fampirantiana
LA NOUVELLE TERRE
Fampirantiana mivoy ny lohahevitra manodidina ny tany tanindrazana sy ny tany mitsinjo ny tontolo iainana
Izay iarahana amin’ny mpanakanto dimy mbola maitso volo tokoa kanefa efa milofo tanteraka
Amir Juvara Andrianalitiana (Amir.J) . Joëlle Aresoa (Joey Aresoa) . Aina Jo Harimanjato (Jo Aina) . Richianny Raherinjatovo (Richianny Ratovo) . Mbolatiana Raoilison (Clipse Teean)

Tanindrazana, Tany mitsinjo ny tontolo iainana
Tsy azo sarahina ireo lohahevitra roa ireo, koa andao hiaraha-mizaha ka ho atao lanja mitovy.
Alaintsika ny tany hamolavolana ny ho avy, misalasala na hitory fitiavana na amboraka alahelo.
Tany miahotra, miafy sy marefo ao anatin’ny fomba rehetra ho fampandrosoana.
Tany mitroatra kanefa mbola manoritra ainga vao.
Eny, mila karakaraina ny tany (nahaterahana), amin’ny fomba ahoana ? Inona ny fitavaona hanaovana izany ? Ahoana  ?
Indraindray anefa dia toa zava-poana ihany izao tontolo iainantsika izao.

Eo anatrehan’ireo fanontaniana mihevaheva ireo no hanoloran’ireto mpanakanto ireto ny fijeriny sy ny kantony.
Misalasala izy ireo kanefa maneho ihany koa ny faharesen-dahany tanteraka – fantatry ny fony ny fahamarinan’ny Tany – ao anatin’ny fanahiny lalina sy ny sanganasany.

Ranon’ando vao maraina ao anatin’ny taratry ny alina
Entin’i Richianny Raherinjatovo miriaria isika manaraka sori-dalana malefaka sy mampisalasala. Mitondra antsika anaty tontolo zary ho nofy eo anelanelan’ny tany/kibon’ny reny sy ny ilay rivo-doza ambany tany, kanefa fanantenana ihany no setrin’izany.
Norangotiny loko ny fitaratra ary tsy misy hiraharahiny an’izany.

Ilay Tany mitana ahy
Miroboka anatin’ireo tsiahin’i Joëlle Aresoa sy ny tany niaviany isika ary mitsidika ireo tany vaovao izay soritany.
Ny feony no mampita ny akon’ny fihetseham-pony, ny hiakan’ny tany sy ny tsiarony…
Voafaritra eo ambony latabatra ny sarin-tanin’ny fiainany.

Fire party, Revy mandoro
Hatosiky ny hetaheta maro, asehon’i Aina Jo Harimanjato ny afo mandrehitra sy mampidoboka ny gadon’ny sanganasany.
Horonan-tsary, raki-peo, hay raha, seho, akanjo, hosodoko … maro ny azo tanisaina.
Eto, anio, afindrany ato amin’ny habaky ny fampirantiana ny toeram-ponenany, ary zarainy amintsika ny fijeriny manokana sy azy irery ny fitiavan-tanindrazana.
Tsy hijanona ny lanonana ato anatin’ity efitrano ity… ary ny tany no toeram-pandihizana !

Kilalao mainty ou le jeu noir
Voalohany teo amin’ny asany no anoloran’i Amir Juvara Andrianalitiana sanganasa miavaka sy mirakotra ny haizin’ny loko mainty kanefa maneho ny fanantenana ara-ekolojika. Ny arina no hipoiran’ny hazavan’ny zava-maitso ary ny rindrina no hitoeran’ny dian’ny tsipiky ny fiainana. Eny, velona manana fo mitempo hatrany isika !

Ento aho, mba ento aho ry rivotra
Tadiavo ilay zavatra, izay no vohizin’i Mbolatiana Raoilison anatin’ny sanganasany. Eo anelanelan’ny rindrina, eo anelanelan’ny lanitra, eo anelanelan’ny tany – manasa antsika izy mba hisambotra ilay rivotra mitsoka eo amin’ny tanin’ny fihetseham-pontsika rehetra.
Tena izy sa somambisamby ? Isika no mamantatra izany.

Ampanetren-tena sy ampahatsoram-po no anehoan’ireo mpanakanto dimy ireo ny fijeriny ny Tany.
Kianja filalaovana mbola mitoetra ho ankamantatra, kanefa tsy azo ihodivirana fa tsy maintsy kajiana hatrany.
Amin’ny halemem-panahy sy ny fo,
Am-pitiavana.

Joël Andrianomearisoa . Rina Ralay-Ranaivo
2024

* Andao isika handravona ny hevitsika rehetra mikasika ny Tany, ilay Tany nanome ny aina, ilay Tany niavina, ilay Tany mpamokatra.
** Ny tsiro no fototra hiraisain’ny resaka rehetra.
*** Ny tsiron’ny taniko, tanindrazana, tany toy ny nofy.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

SEDRAN’NY TANY
MIALY RAZAFINTSALAMA

FAMPIRANTIANA
NANOMBOKA NY 6 JANOARY
HATRAMIN’NY 20 APRILY 20204

Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana
Joël Andrianomearisoa . Samuel Ramaholimihaso

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

Lamba Forever
Mandrakizay

FAMPIRANTIANA
NY 8 JOLAY 2023
HATRAMIN’NY 25 NOVAMBRA 2023

Omaly, eto anio, hatrany sy mandrakizay, tsy manam-pahataperana
Amin’ireo fomba rehetra entina anehoana ny kolontsain’i Madagasikara, singa iray tsy azo idovirana.
Lamba lamba lamba ary lamba ihany.

Maro karazana tokoa ireo famaritana maro lafy entina hamaritana sy handikana ny atao hoe Lamba ankehitriny. Ny fampirantiana LAMBA FOREVER MANDRAKIZAY, dia manasongadina ny maha zava-tsarobidy ny lamba, ary ihany koa maneho ny maha mpivoitra hevitra tsy manam-pahataperana azy.
Mifanindry andalana hatrany amin’ireo tetikasan’ny Hakanto Contemporary, izay manolotra fomba fijery avy amin’ny taranja samihafa sy avy amin’ny vanim-potoana nifandimby, ny fampirantiana mahakasika ny Lamba etoana dia mihoatra lavitra noho ny fandraisana azy ho singam-panehoana fotsiny ihany. Ity fampirantiana ity dia manolotra fomba fijery ara-javakanto maro karazany sy manasongadina ny fahasamihafan’ny kanto manodidina ny lamba. Ireo mpanakanto navondrona rehetra ireo dia misy ifandraisany amin’ny lamba avokoa : imbetika mandray ny lamba ho toy ny zava-mahasondriana, imbetika raisiny ho fanombohana andrana, mifono embona sy eritreritra na ihany koa nofinofy sy vinany.
Araka ny famaritana, ny atao hoe lamba dia ilay ravindamba mahitsy efa-joro, amin’ny ankapobeny dia fitafiana, entina hanaovana sy hotontaina raha iny vao mahita masoandro ka mandrapialan’ny fofon’aina, eny na efa lasa any ankoatra aza.
Efa fampiasan’ny be sy ny maro hatramin’ny ela ny lamba, tsikaritra izany tamin’ireo tahirin-tsary nalaina tao amin’ ny Foiben-Taosaritan’i Madagasikara tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha-XIX, ary manana anjara toerana sarobidy tokoa ho an’ny fiarahamonina malagasy.

Akora, tenona sy fihetsehampo, kofehy mitety ny fotoana sy ny faritany rehetra eto Madagasikara
Asatanana nentim-paharazana no anenonana ny hasy, ny landy, na ny rofia, ahazoana lamba izay mandravaka ny sorok’ireo vehivavy Merina, isikinan’ ireo lehilahy Bara, isaforan’ireo Betsileo mandavantaona. Misy ihany koa ireo karazan-damba natokana ifanolorana entina anamafisana orina ny fifandraisana misy eo amin’ireo samy mpiarabelona, amin’ny fotoana samy hafa, na an-kafaliana na an-karatsiana, toy ny amin’ny fanambadiana sy fahoriana.
Akon’izay fampiasana ny lamba ho enti-miaina izay, dia manan-danja lehibe ihany koa ny fampiasana ny voambolana hoe lamba eo amin’ny teny malagasy. Voalohany, dia entina milaza amin’ny ankapobeny ireo kojakoja maro fampiasa amin’ny andavan’andro toy ny fitafy ho an’olombelona mazava ho azy, fa koa entina hilazana ireo fitaovana rehetra fampiasa amin’ny latabatra, na rehefa hirakotra, na rehefa hanaingo varavarankely… Mbola maro ireo ohatra azo raisina. Manaraka izany, misongadina manokana ao anatin’ireo ohapitenenana sy ohabolana ihany koa ny lamba satria dia entina anehoana ny maha zava-dehibe ny firahalahiana, ny firaisankina, ny fiainana, ny fitiavana ary ihany koa ny finoana.

Lamba, vetin-kevitra ara-javakanto voalohan-tsafidy, tahaky ny fofonaina sy aingampanahy
Raha toa ka manamafy amin’ny andian-tsary Doria ny fisian’ny lamba amin’ny andavan’andron’ny olona eto an-drenivohitry Madagasikara, Antananarivo, ilay mpaka sary Kevin Ramarohetra ; ireo mpanao sary hosodoko Emile Ralambo sy Jean Yves Chen indray dia mampiseho fijery hafa amin’ny fifandraisana mateza misy eo amin’ ny lamba sy ireo sanganasany avy. Na mifanelanelana ampolo-taonany maro aza ireto sary hosodoko roa ireto, izay samy lasa filamatra eo amin’ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy, dia mitoetra hatrany ny finiavana hanoratra ny tononkalon’ny lamba, izay nampifandray azy ireo ao anatin’ny fotoana iray. Ilay voalohany mampiseho ny hamamin’ny fisiana eny amin’ny tontolo ambany vohitra, izahana lamba maha lasa eritreritra ary ny faharoa kosa dia mamerina tsy misy mipika ny antsipirihany madinika rehetra, hita amin’ny akanjo fotsin’ireo Fifohazana.
Amin’ny tolo-kanto hafa, ny lamba dia lasa ambaratongan-dalana entina hanariana dia. Madame Zo, izay mikirakira andram-panenomana mifandimby samihafa, dia mampifanandrina antsika amina fanambarana horonantsary VHS navadiny ho fanaka, hany ka niofo any anaty fotoana hafa ny kofehin’ilay horonantsary.
Manoloana io seza io, Joël Andrianomearisoa sy Madame Zo, dia manamafy amintsika amin’ny alalan’ireo rindran-draha iraisany sy tsy manampaharoa, FEHY MAINTY, izay aseho voalohany eto Madagasikara, fa ny lamba dia kilalaon’ireo faniriana tsy to… Tahaka ny fitaratry ny fiainana noloahana kiraro avo izay isarangotin’ny vorivorindamban’ny hamamoana.
Ireo tetikasa ireo dia mifamaly amin’ireo patchwork ato amin’ity fampirantiana ity. Lasa fitambarana fahatsiarovana ny lamba, entina manontany ny fihiziany manokana sy ny iraisan’ny mpiarabelona.
Ny lafiny haitao ao amin’ny Ny hendry no anarina, fa ny adala no manary lamba izay sanganasan’i Sandra Ramiliarisoa, izay vita amin’ny polyfloss* kosa dia mamaritra fitanisana tsy mana-pahataperana ireo fahaizana mamoly, manenona, mamatotra.
Amin’ny lafiny ara-kevitra, ny Bemiray no namelona ny fomba fiasan’i Tsiriniaina Irimboangy, ao anatin’ilay rindran-draha mitondra ny lohateny hoe Sombin-tantara, izay manambatra ireo voka-pikarohana nataony mahakasika ny lamba, sy nentin’ny embona fahatsiarovany ny renibeny nibaby azy, tahaka ny fomba nentim-paharazana malagasy.

Lambam-pianakaviana
Ao anatin’ny hay rindran-draha ataony, i Gad Bensalem izay mpisehatra amin’ny tantara an-dapihazo, dia mitondra ny Any Dada, fomba iray hiantsoany ilay ray, izay tsy eo intsony, na mety efa lasana, ary mandrava tanteraka ny lamba, misintona azy toy ny kofehy mba hanehoany ny tantaran’i Doda : mikaroka ny fihiziany, mamboraka ireo tsiarony ny reniny sy ny renibeny izay nitaiza azy, ary eo andaniny ny rainy izay tsy fantany akory. Eo amin’izay sehatra manodidina ny resa-pianakaviana izay ihany, amin’ny alalan’ny hai‑maritrano, ilay mpamolavola ara-kendrika Nadia Randriamorasata dia manadiady ny tetiarany ary mamantatra indray ny tantaran’ireo razambeny teo ampamoronana ny sanganasany mitondra ny lohateny hoe 1997, tsanganana marin-trano izay manome voninahitra ny fianakaviany, indrindra ny rainy izay efa lasa any amin’ny tontolon’ny razana.

Izay sahy maty ihany no mifono lambamena
Amin’ny kolontsaina malagasy, ny lamba dia entina hanamarihana ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny velona sy ny maty. Ny fahafatesana dia tsy midika hoe tapitra hatreo akory ny fiainana, fa fandalovana ho any amin’ny tontolo masin’ny razana kosa. Ny amin’izay finoana izay indrindra, ny fifamenoana misy eo amin’ny velona sy ny maty dia tsapa amin’ny sanganasan’ireto mpanakanton’ny hita sy ny jery roa ireto. Ireo sary pikan’i Christian Sanna izay manasongadina lamba iray sady toy ny fandrakofana ireo fahatsapana ara‑nofo no toy ny mamaritra toerana fanaovana joro ; i Nazaria Tooj, izay sady mpandihy no mpamorona soradihy, indray kosa, ao anatin’ny horonantsariny mitondra ny lohateny hoe OME dia maneho ny hevitry ny fiverenan’ny fahaterahana indray.
Manamafy ny fiverenan’ny fahaterahana ilay sary sokitra vita amin’ny lamba an’i Charles Edgar Lincoln, naka aingampanahy tamin’ireo trano manara eny ambony fasana, izay fitoeran’ireo fanahy ho mandrakizay…

Mitafy ny lambamenan’ny fanirintsika ary miala aina ao ambadikin’ny alok’ireo fanantenana rehetra.
Arindra ao amin’ilay lapihazon’ny nofinofy, indreo misy fantina vitsy ny sanganasan’ireto mpamorona haifiraratra fanta-daza, midera manokana ny lanjan’ny traikefa avo lenta. Eto ny hai-toetany dia tsy misy dikany intsony. H. Ranaivo mamadika ny lambamena nentim-paharazana ho lasa palitao akanjo fianjaika amin’ny fiainana. Christian Lacroix dia voazaitra, ratsantanana malagasy, ho petakofehy. Clée Rabeharisoa sy Charlotte Razafindrakoto, taorian’ny fandalovan’izy ireo tany amin’ny Christian Dior sy Balmain, nampianjaika ireo sokajim-piarahamonina sangany indrindra nonina eto Imerina.
Mifandray indrindra amin’izay asa famoronana avo lenta izay ny fahamendrehan’ireo nisalotra lamba, nalain-dRamilijaona sy Rasolonjatovo sary: porofon’ilay endrika feno arifomba manodidina ny lamba fianjaika nentim-paharazana.

Ankoatra ireo fanazarana samihafa entina manome endrika, ny lamba ihany koa dia mibitsibitsika ao amin’ny fanahintsika.
Manamarina izany ilay mpanoratra Jean Luc Raharimanana izay manambara fa toy ny manenona ireo tsiarony, ireo eritreriny, ary ireo fisaintsainany izy ao anatin’ireo tantara foroniny, ireo tantara fohy ary ireo asa sorany. Raha asa soratra no nahafantarana ity mpanoratra ny « Rêves sous le linceul » sy ny « Tisser » ity, etoana izy dia sambany no manolotra andian-tsary izay notsongainy avy ao amin’ireo kahieny manokana, fampiasany rehefa manomana ireo asa-sorany izy. Misy takosona tsy mihebohebo ampitafiny ireo erijika manainga azy, aboridany ny alahelon’ny fiarahamonina, rovitiny ny voalin’izay rehetra tsy azo antoka.

… et moi je t’aime à la folie avec ton lamba blanc
Et quand tu danses à la fête,
tu fais tourner tant de tête avec ton lamba blanc

Henri Ratsimbazafy . 1960

Omaly sy anio, ary mandrakizay, manjohy ny diany lava dia lava ny lamba, sady misalotra ny toerana maha tompon’ny lakan’ny kolotsaina malagasy azy. Andry iankinan’itsy farany, efa lahatry ny lamba ny hikikiaka tahaky ny asa soratra tsy manam-pahatamperana, hanohy hambabo antsika, hanome aingam-panahy, hitoetra ho filamatra ary hiseho amin’ny endrika maro isankarazany, ho doria sy mandrakizay

 Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo

*Polyfloss: kofehy azo avy amin’ny fanodinana akora fako plastika

IREO MPANAKANTO
GAD BENSALEM . JEAN YVES CHEN . TSIRINIAINA IRIMBOANGY . CHARLES EDGAR LINCOLN . JOËL ANDRIANOMEARISOA . MADAME ZO . NAZARIA TOOJ . JEAN LUC RAHARIMANANA . ALPHONSE RAKOTOVAO . GASTON RAKOTOVAO . EMILE RALAMBO . KEVIN RAMAROHETRA . A. RAMIANDRASOA . SANDRA RAMILIARISOA . RAMILIJAONA . H. RANAIVO . NADIA RANDRIAMORASATA . RASOLONJATOVO . CHRISTIAN SANNA . CLÉE RABEHARISOA SY CHARLOTTE RAZAFINDRAKOTO

Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana
Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo

Mpiara mifarimbona
Akanjo . Association Des Médiateurs Culturels – Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar . Collection Elia Ravelomanantsoa . Collection Nicole Rabetafika . Collection Rabeharisoa . Collection Yavarhoussen . Foiben-Taosarintanin’i Madagasikara . Fonds Yavarhoussen . Institut de Civilisations, Musée d’Art et d’Archéologie de l’Université d’Antananarivo . Mboahangy

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara

Esprit Revue Noire
Une collection fondatrice

Sary maneho ny hay hetsi-draha an’i Joël Andrianomearisoa no eo amin’ny takela firakofana Revue Noire, laharana natokana ho an’i Madagasikara, ny taona 1997. Izay toy ny famantarana nohavaozina amin’ity taona 2022 ity noho ilay fampirantiana ESPRIT REVUE NOIRE UNE COLLECTION FONDATRICE eto amin’ny Hakanto Contemporary eto Antananarivo, roapolo taona aty aoriana.

Ny gazetiboky, ny trano fanontana sy famokarana boky dia naorin’i Jean Loup Pivin sy i Pascal Martin Saint Leon (izy ireo izay samy mpahay maritrano no sady tale ara-javakanto, ary mpitantana sy mpandrindra fampiratiana), Simon Njami (mpanoratra sy mpitantana ara java-kanto) ary Bruno Tilliette (mpanota boky ary mpanoratra).

Gazetiboky manadiady ireo hetsiky ny vanim-potoana ankehitriny afrikanina, nanamarika ny taona 1900 sy 2000, Revue Noire izay nanolotra endrika vaovao sy tsy mbola fantatra ny amin’ny ain-dehibe an’ny asa famoronana, ireo haitao maoderina, ireo fahamaroan’ny zavakanto sy ny mpanakanto avy any Afrika sy ireo any am-pielezana. Nahely maneran-tany, ity gazetiboky iraisam-pirenena izay amin’ny fiteny roa -frantsay/anglisy- ity dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny tantaran’ny zavakanton’ny vanimpotoana ankehitriny afrikanina ary nampivohitra mpanakanto maro, ny zavakanto ara- kendrika amam-bika hatramin’ny sary pika, ny sarimihetsika hatramin’ny dihy, ny lamaody hatramin’ny famolavolana ara- kendrika, ary ny literatiora tamin’ny fampisongadinana andiana mpanoratra vaovao.

Ity anjara asany ity dia nisava lalana teo amin’ny zavakanton’ny vanimpotoana ankehitriny ary indrindra teo amin’ny fanehoana ny tontolon’ny fakàna sary afrikanina. Ny fampirantiana atolotra ao Antananarivo dia avy amin’ilay fampirantiana hoe L’Afrique par elle-même izay efa niodina hatrany Paris (Maison Européenne de la Photographie) hatrany amin’ny Bienal de São Paulo, hatrany Washington (Smithsonian) ary hatrany New York (New Museum of Contemporary Art) ary nandalo tany Londres (Barbican), Bruxelles (Tervuren), Cape Town ary Berlin… Ilay boky Anthologie de la Photographie africaine, de l’Océan Indien et de la Diaspora (1998) izay mifandray amin’ilay fampirantiana, ary ireo laharana Revue Noire nivaoka dia samy mametraka vato fehizoro amin’ny tantaran’ny fakana sary afrikanina.

Mpaka sary malagasy manodidina ny roapolo isa no naseho tao anatin’ilay laharana natokana ho an’i Madagasikara ny taona 1997. Ankehitriny, ity fampirantiana Revue Noire eto Antananarivo ity dia miompana amin’ny tantaran’ny fakàna sary afrikanina, sary 140 ary ny ankamaroany dia ireo sary natonta voalohany sy tranainy. Misy horonantsary novokarin’ny Revue Noire ihany koa aseho ato ary fitambaran’ireo Revue Noire izay nivaoka aranty ato mba ahafahan’ireo mpitsidika mandray anjara amin’ilay fizohin-kevitry ny Revue Noire.

Natonta isaky ny telo volana, ireo laharana tsirairay dia mandrafitra jery tambatra avy amin’ireo kaomity mpanoratra napetraka isaky ny toerana, isaky ny firenena. Misy laharana sasany dia mamaha petrakolana manokana, mifandray amin’ny taranja iray, ny fakàna sary, ny dihy, ny lamaody na trangam-piarahamonina toy ny an-tanandehibe, ny haify na ihany koa ny Sida izay mandripaka ny kôntinanta. Manolo-tena amin’ity ady ho amin’ny fahavelomana ity, Revue Noire dia namokatra ny Les artistes africains et le Sida ny taona 1995, na dia tsy mbola nisy aza ny fitsaboana io aretina io tamin’izany, nampivondrona laharana Revue Noire, horonantsary novokarin’ireo mpanantontosa afrikanina, kapila mangirana ary fandaharana izay naparitaka tamin’ireo fahitalavitra afrikanina.

Ity votoatinasan’ny Revue Noire ity dia miraikitra tanteraka ao antsain’ireo mpanorina azy. Hita taratra izany ao amin’ilay fampirantiana Suites africaines tao Paris ny taona 1996 ka mpanakanto ara-kendrika amambika, mpandihy, mpaka sary, mpanoratra, mpanao hay hetsi-draha dia nitambatra tao amin’ity habaka mientanentana sy mampalalaka ny fitsangatsanganana ity.

Ankehitriny, dia mbola manohy ny asany ny trano fanontana boky ary manohy hatrany ireo famoahana boky sy ireo fampirantiana, izay vao tsy ela izao toy ny tao Toulouse, tao amin’ny Musée des Abattoirs, nanolotra ireo endrika maro an’ny Revue Noire amin’ny alalan’ny fanontana boky, zavakanto, sary pika, mozika, horonantsary. Izay aingam-panahy izay ihany no namolavolana ny fampirantian’ny Hakanto Contemporary ity.

Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon

FAMPIRANTIANA HATRAMIN’NY
6 MAY 2023

Ny fampirantiana Esprit Revue Noire une collection fondatrice dia manolotra an’ireo sanganasan’ireo mpanakanto ireo :

Joseph Moïse Agbojelou . Daniel Attoumou Amicchia – Agence Anta . Cornélius Augustt Azaglo . Agence BTEM-SGM-FTM . Mama Casset . Jean Depara . Drum . Gahité Fofana . Samuel Fosso . Antoine Freitas . Dorris Haron Kasco . Rotimi Fani-Kayodé . Seydou Keïta . Philippe Koudjina . Zwelethu Mthethwa . Ambroise Ngaimoko Studio 3 Z . Yves Pitchen . Alain Nzuzi Polo . Ramilijaona . J. Randria . Joseph Razaka . Guillaume Razafitrimo . Studio Rill Maurille Andrianarivelo . Abdourahmane Sakaly . Malick Sidibé . Ilay mpaka sary tsy fantatra avy ao Saint-Louis, Sénégal

Nisokatra ny 26 Novambra 2022 hatramin’ny 6 May 2023
Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana, Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara

LA NOUVELLE MAIN

The new hand
Ilay tanana vaovao

FAMPIRANTIANA MIARAKA
HATRAMIN’NY 22 OKTOBRA 2022

Miaraka amin’ny mpanakanto
Rose Kely Ranarivelo . Andy Rasoloharivony . Fitiavana Ratovo . Sanka

Toy ireo andian-teny izay misoratra eo amin’ny solaitra mainty,
Ilay tanana vaovao dia tanora malagasy efatra feno fisalasalana.
Efa mpanakanto ve izy ireo sa tsia? Ary ho lasa mpanakanto ve?
Ireo no tsangan-kevitras mipetraka! Io no votoatiny!
Eto mantsy, dia tsy ny ho mpanakanto aloha no imasoana, fa kosa fanehoana ny finiavan’izy ireo ao anaty asa famoronana, sy ny fanirian’izy ireo handrafitra ny endrika isehoany anio sy rahampitso ao anatin’ny fahatanorana tsy miraika.

Anio, eto amin’ny Hakanto Contemporary, dia faly izahay mampahafantatra ny mpitsidika ireto mpanakanto tanora efatra ireto, endrika vaovao, vao misandratra eo amin’ny sehatry ny vanimpotoana ankehitriny Malagasy amin’ny alalan’ireto sanganasa goavana sy miavaka ireto, izay novokarina manokana ho an’ity fampirantiana ity.

Rose Kely Ranarivelo, Andy Rasoloharivony, Fitiavana Ratovo ary i Sanka dia samy nandray anjara tamin’ny atrikasa izay nokarakarain’ny Hakanto Contemporary. Fihaonana izay natao matetika ho fampirisihana ny fifampiresahana sy ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpanakanto avy amin’ny taranja samihafa. Ary indrindra ahafahana mamboraka herijika vaovao.

Voahevitra ho toy ny habaka hifampiresahana sy hisainana miaraka, ireo fihaonana ireo dia tsy fifantenana fotsiny an’ireto mpanakanto efatra tanora ireto izay ao anatin’ity fampirantiana ity, fa ihany koa ho fampirisihana azy ireo ao anatin’ny famolavolany ireo hevi-pamoronana. Satria, amin’izao toerana misy azy ireo izao, dia mbola samy ao anatin’ny lalam-pikarohana avy izy ireo. Samy mbola manohy ny fitadiavana izay mety ho kanto anatin’ny lasi-panehoany avy, hatramin’ny fanandramana akora hafa sy hendrika hafa. Ny fitantanana manokana, izay nomena azy ireo ho fanomanana ity fampirantiana ity, dia niompana indrindra eo amin’ny maha zava-dehibe ny fivelarana ao anatin’ny lalam-pikarohany avy.

Raha jerena, ireto mpanakanto tanora ireto dia entanin’ny faniriana hanao dingana vaovao. Samy maniry ny handroso, ary hijery lalana vaovao amin’ny asany avy, mikolokolo ary manome tombana vaovao. Ireto ho mpanakanton’ny ampitso ireto dia mitady ny fomba hialany amin’ny tontolo mahazatra azy na ihany ko ny fitokatokanany. Ary na dia eo aza ilay ho avy mbola manjavozavo izay apetrak’ity lalana nosafidian’izy ireo ity, dia tsy mampaninona azy izany. Ny faniriana hanandrana, hanome hevitra na fotsiny hoe haneho ny fisiana dia mialoha ny zavatra hafa rehetra ary manako eto, anatin’ny fihetsika samy hafa, ny sosokevitra ary ihany koa ireo akora.

Ireo sary, ireo vy, ireo tany masaka, ireo lamba ary ihany koa ireo ireo taratasy… ireo akora mifampiditra anaty kilalaon‑pifampiresahana, fifanoherana sy fifandirana. Izy ireo dia maneho hendrika maro izay ahitana fitoviana eo amin’ny hevitry ny sanganasa tsirairay, izay samy voakolokolon’ny tantaran’ireo mpanakanto ary ireo traikefa ara-piarahamonina. Izany indrindra angamba no manome ilay hatsarana ao amin’ireto sanganasa ireto amin’ny ankapobeny, ny kalitaon’ny singa isanisany, ary maneho eo imason’ny tontolo ho toy ny fanolorana ny mombamomba ireto mpanakanto tanora ireto. Ny mahakasika manokana ireto rindran-draha ireto, ny herin’ny tolokevitra tsirairay dia mitotra eo amin’ny fandanjalanjany sy ny fahamarinany, satria tsy misy fanazarana manahirana mihoatran’ny fanolorana ny tenany sy ny tontolony avy, miaraka amin’ny fahasotana apetraky ny raikipohy sy ny fanehoana.

TSARASAOTRA
Amin’ny alalan’ny tantaran’ny fianakaviany, i Rose Kely Ranarivelo dia mamerina indray ireo fotoana maminy amin’ny alalan’ireto singa ampiasainy: Tsarasaotra. Miainga amin’ny lasi-panehoana maro toy ny tanimanga, ny hazo, ny hosodoko, ireo tahirin’ny fianakaviany izay avohitr’ity mpanakanto ity eo ambony latabatra iray noforoniny. Avy amin’ny aingampanahy mifototra amin’ny maha sady frantsay no Malagasy azy, ny rindran-draha atolony dia manako eo anivon’ireo todika ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina, amin’ny lafin’ny safidy sy ny hakanto.

IRAY LALANA
Mba hanatanterahana ny sanganasany dia namolavola fomba fiasa azy manokana i Fitiavana Ratovo izay hita eo amin’ny fiainana andavan’andro. Ity andiana fanitso vita sokitra ity, izay aseho toy ny sary anaty toeram-pampirantiana, dia maneho olona ao anaty fiarahamonina izay mitovy fijery, mitovy sanda ary mibanjina ho avy hitambarana. Iray lalana – izay midika ara‑bakiteny hoe miaradia amin’ny lalana iray – dia toa faniriana ny fahatongavantsainan’ny rehetra ao anatina fiarahamonina mandalo fotoan-tsarotra.

L’URGENCE DE LA FOI
Amin’ny alalan’ny herin’ilay taranja, ary ireo sary, Andy Rasoloharivony dia manasa ary miangavy ireo mpitsidika hiditra anatin’ity toeram-pivavahana ity, mba handray anjara ao anatin’ny fahamaizan’ny finoana (L’urgence de la foi). Ao anaty kilalao misy fifanoherana manaitra, ity mpanao horonantsary ity dia manolatra amin’ny alalan’ny andian-tsary, marika famantarana mahery eo anivon’ny finoana kristianina eo anivon’ny rava-panorenana. Ny hazana voajanaharin’ny masoandro, izay mitaratra anatin’ity toerana mifono zava-miafina sady masina ity, ireo no manainga ity fandraisana anjara ity ho eo amin’ny faratampon’ny andrana.

IRETO MASO
MIJERY AHY
MIBANJINA ANAO
MAMPITAMBERINA
NY LASA
NY VITA NATAO
I Sanka indray, dia mandroboka antsika amin’ny lalina sy ny herin’ny fijery, izay varavaran’ny fanahy. Izy dia manolotra dia manolotra ireto sanganasa voalohany izay maneho ny traikefa lalina ananany amin’ny maha mpanao sary tanana azy. Ny sanganasany dia mampivondrona andiana sary vita tanana, ary fifandimbiasana teny tahapeo voasoritra eo amin’ny solaitra mainty, izay mampitamberina ireo fihetsika fanaony tany amboalohany.

Ilay tanana vaovao, dia ambangovangon’ny ho avy mbola tsy fantatra, kanefa misoritra noho ireto tanora efatra mitondra fanantenana miaraka amin’ny faniriana mba handrafitra sy hanamboatra ny fotoanany.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

RAMILY
ILAY NANAO
NY MARAINA

FAMPIRANTIANA
NY 30 APRILY 2022
HATRAMIN’NY 30 JOLAY 2022

Sady jery todika no fanomezam-boninahitra, ny fampirantiana dia natokana ho an’i Emile Rakotondrazaka, izay fantatra amin’ny anarana hoe Ramily na hoe Dadamily ho an’ireo akaiky azy. Ramily tokoa no rain’ny sary mainty sy fotsy malagasy ny vanim-potoana ankehitriny. Ny fampirantiana dia fotoana iray hanasongadinana ny fahaiza-manaony amin’ny maha-mpaka sary, sy mpisava lalana ny mainty sy fotsy azy, ary mpanasa sary miavaka.

EMILE RAKOTONDRAZAKA . RAMILY

Emile Rakotondrazaka, antsoina hoe Ramily, na koa hoe Dadamily, teraka ny 25 Septambra 1939 tao Antohomadinika, Antananarivo. Zoky lahimatoa tamin’ny folo mianadahy, zana-dRakotozafy sy Razanapanalina, mpandrafitra.

Notaizan’ny mpitandrina Rasolonjatovo izay nanana zanaka mpakasary izy nanomboka ny taona 1949 teo amin’ny faha-folo taonany. Tamin’izay no nidirany voalohany teo amin’ny tontolon’ny fakana sary rehefa nanaraka io zanakin’ny mpitaiza azy io nanantontosa « opérations cartes d’identité » teny ambanivohitra sy tanandehibe eto Madagasikara, nandritra ny vanimpotoan’ny fanjanahantany.

Ny taona 1956, teo amin’ny faha-17 taonany, niasa nanampy tao amin’ny laboratoaran’ny PHOTOFLEX teo Analakely teo amin’ny Avenue de l’Indépendance, izay notarihin’ilay mpakasary frantsay Mesli d’Arloze izy. Nanomboka nanintona ny maro ny talentany mahafehy ireo teknika fanasana sary ao anaty efitra mainty. Nankafizin’ny mpampiasa azy tokoa ireo fifehezany ireo akora simika hanatontosana ny fanasana sary. Ramily dia laborantin tena lafatra.

Ny taona 1968, nanokatra ny laboratoarany fanasana sary voalohany izy – mbola kely saingy efa nalaza sahady – teny amin’ny tanàna manantantara, Ankadifotsy, ka tao ambany rihan’ilay fivarotamboky notazomin-dramatoa vadiny no nametrahany azy.

Roa taona taoriana (1970), nifindra teny Itaosy Ramily. Nentiny teny ilay laboratoara fanasana sary, izay lasa lehibe kokoa sy raitra dia raitra. Anisan’ny voalohany teto Madagasikara izany. Namorona efitrano fakana sary ihany koa izy. Taorian’izay dia nanomboka nisokatra ny toeram-pandrafetana hazo ho fefimeran’ireo sary pika.

Teo anelanelan’ny taona 1970 hatramin’ny 2000, Ramily dia nanao fampirantiana teny amin’ny habaky ny Air Madagascar, ny Centre Culturel Albert Camus (izay Institut Français de Madagascar ankehitriny), ny CITE (Centre d’Information Technique et Économique), ary ny Alliance Française d’Antananarivo, sy teny amin’ny arabe an’Antananarivo rehetra teny, niaraka tamin’ireo andiana mpaka sary. Nandray anjara tamin’ireo hetsika Mois de la Photo sy ny Festival Photoana, ary hetsika ara-tsary atao isaky ny roa taona eo anivon’ny Ranomasimbe Indianina, natao teto Antananarivo, ihany koa izy. Indroa miataona, « Revue Noire » dia nanokana lahatsoratra ho an-dRamily.

Mpikambana mpanorina, fikambanana mpaka sary roa samihafa izy, dia ny « Association des Photographes de Madagascar » sy ny « Association des Photographes de Tananarive ».

Anisan’ireo hetsika farany nisehoany vahoaka ny taona 2007, sy nandraisany anjara ilay fampirantiana iraisampirenena « 30 et Presque-Songes » notarihin’i Joël Andrianomearisoa tao Antananarivo.

Vato nasondrotry ny tany teo amin’ny fakana sary Ramily, izay handrarezin’ny fanasana sary mainty sy fotsy. Nahatratra ny laza faratampony ny sanganasany nanomboka ny taona 1970. Nihato tamin’ny asany maha-mpanasa sary azy izy ny taona 2003, rehefa nianjadian’ny fahatapahana lalan-drà. Nodimandry Ramily ny 26 Martsa 2017 tao Antananarivo, ary namela sary toy ny tononkalo anjatony, nanao asa fanasana sary voakaly tokoa, namela sarim-panambadiana sy lanonana miloko mainty sy fotsy, ary indrindra, nampita ilo ny fitiavany ny fakana sary, taminkahalalahana tanteraka tamin’ireo taranaka andiana tanora mpaka sary.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

NY FITIAVANAY
OUR LOVE
NOTRE AMOUR

FAMPIRANTIANA MIARAKA
NISOKATRA NY 09 OKTOBRA 2021
HATRAMIN’NY 16 MARSA 2022

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara

Ny fitiavanay
Our love
Notre amour

Ry Tanindrazanay malala ô !
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Oh our cherished country!
Oh beautiful Madagascar,
Our love for you remains,
And will remain forever.

Toy ny fanao ato amin’ny Hakanto Contemporary rehefa manao fampirantiana efa ho roa taona izao,
mametra-panontaniana foana izahay mahakasika ny zava-misy, ny Tantara, ny ankehitriny ary miandrandra ny ho avy ihany koa.

Amin’ity andiany ity, tsy mivaona amin’izay fanao, dia hiresaka manodidina
ny tanindrazana – ny firenena – ny tany izahay.
Ny lasa, ny ankehitriny, ny ho avy, ireo hatrany no gadona handrindrana ity feo vaovao ity.

Ny tany
Resahina matetika ity tanintsika lazaina fa Nosy mena ity, ampahan-tany anilan’ny Afrika, afovoan’ny ranomasim-be sy izao tontolo izao.
Isika.
Isika izay avy amin’ny Ranomasimbe, araka ny fanambaran’i Serge Henri Rodin azy.
Madagasikara.
Ny ranomasina manodidina azy, mitoetra ho misitery hatrany.

Fanambarana ? Fametraham-panontaniana ? Fitiavana ? Elanelana ? Fahaleovantena ?
Tsy ny hanome vahaolana no ifantohana eto, fa kosa ny handrafitra fahatsapana amin’ny alalan’ny fampivondronana fahaiza-manao.
Fihetsika tsy miloko, hatramin’ny fisiana saina tsy misy loko.
Fo voatritra mba ahafahana mandraraka ny ranomaintin’ny fanantenana.
Kalom-pitia mitraotra avy amin’ny tonombavaka.
Na ihany koa sakafo mitam-pihavanana, afomanga manoloana ireo ratrantsika.
Maro no mety ho valiny. Mety ho amin’ny alalan’ny resaka, indraindray fifanandrinana, na koa disadisa.

Fanehom-pitiavana Ny fitiavanay
Indro misy fanehom-pitiavana marolafy ataon’ny mpanakanto malagasy 26 ho an’ity nosy malala ity.
26 miresaka an’izay 60 taona izay.
Mpanakanto 26.
60 taona nahaleo tena.
Ahoana ny handrafetana ny ankehitriny manoloana ity fankalazana ity ? Ahoana no hamborahana ny tantara ? Hanoratana indray ireo tantara. Ahoana no hitantaràna ny ho avy ?

Manoratra indray ny tantara
Miverina manoratra ny lasa
Manainga indray
Manolo ny faka
Ary dia manangana, manangana, manangana hatrany.

Michèle Rakotoson

Ny tena sy fo fanahy anananay

Feo re moramora manako mamelombelona ny fo sy fanahy ao anaty fahalalahana.
Eny, andao resahina fa fotoanany izao.

– Joël Andrianomearisoa . Septambra 2021

Ry Tanindrazanay malala ô
Hiram-pirenanan’i Madagasikara nanomboka tamin’ny 1958
Tonony . Pastora Rahajason
Feo . Norbert Raharisoa

IVELANY HAKANTO

MALAGASY

Sarin’i Rijasolo
Tsena Pochard
Lalana Ampanjaka Toera . Soarano . Antananarivo

Tomorrow

Sarin’i Viviane Rakotoarivony
Lycée Jean-Joseph Rabearivelo
7, lalana Andrianampoinimerina . Analakely . Antananarivo

Ireo mpanakanto

Alizé . Malala Andrialavidrazana . Jean Andrianaivo Ravelona . Philippe Gaubert . Joan Paoly . Mat Li . MiMaDa . Môta Soa . Ndao Hanavao . Zahra Rabeharisoa . Fenosoa Rahajamalala . Viviane Rakotoarivony . Harivola Rakotondrasoa . Zoly Rakotoniera . Michèle Rakotoson . Emile Ralambo . Rina Ralay-Ranaivo . Maurice Ramarozaka . Antoine Ratrena . Fela Razafiarison . Ketaka Razafimisa . Rijasolo . serge henri rodin . Samoëla . Ludonie Velotrasina . Vonjiniaina