LA NOUVELLE TERRE

FAMPIRANTIANA
MISOKATRA NY 6 JANOARY HATRAMIN’NY 20 APRILY 2024

FANOKAFANA NY
ASABOTSY 6 JANOARY 2024
AMIN’NY 3 ORA TOLAKANDRO HATRAMIN’NY 7 ORA HARIVA

Ireo mpanakanto
Amir Juvara Andrianalitiana (Amir.J)
Joëlle Aresoa (Joey Aresoa)
Aina Jo Harimanjato (Jo Aina)
Richianny Raherinjatovo (Richianny Ratovo)
Mbolatiana Raoilison (Clipse Teean)

Nofinofy maka ny tsiron’ny tany

Tena manembona izany tsiron’ny tany izany aho.
Ary tena mamy izany akora vokatrin’ny tany izany !
Unifions nos avis autour de la Terre, la Terre mère, la Terre patrie, la Terre terre*.
Prenons le goût comme principe universel pour converser**.
The taste of my land, motherland, our land just like a dream***.

Ravo izahay ato amin’ny Hakanto Contemporary manoratra tantara vaovao amin’ny alalan’ny fampirantiana
LA NOUVELLE TERRE
Fampirantiana mivoy ny lohahevitra manodidina ny tany tanindrazana sy ny tany mitsinjo ny tontolo iainana
Izay iarahana amin’ny mpanakanto dimy mbola maitso volo tokoa kanefa efa milofo tanteraka
Amir Juvara Andrianalitiana (Amir.J) . Joëlle Aresoa (Joey Aresoa) . Aina Jo Harimanjato (Jo Aina) . Richianny Raherinjatovo (Richianny Ratovo) . Mbolatiana Raoilison (Clipse Teean)

Tanindrazana, Tany mitsinjo ny tontolo iainana
Tsy azo sarahina ireo lohahevitra roa ireo, koa andao hiaraha-mizaha ka ho atao lanja mitovy.
Alaintsika ny tany hamolavolana ny ho avy, misalasala na hitory fitiavana na amboraka alahelo.
Tany miahotra, miafy sy marefo ao anatin’ny fomba rehetra ho fampandrosoana.
Tany mitroatra kanefa mbola manoritra ainga vao.
Eny, mila karakaraina ny tany (nahaterahana), amin’ny fomba ahoana ? Inona ny fitavaona hanaovana izany ? Ahoana  ?
Indraindray anefa dia toa zava-poana ihany izao tontolo iainantsika izao.

Eo anatrehan’ireo fanontaniana mihevaheva ireo no hanoloran’ireto mpanakanto ireto ny fijeriny sy ny kantony.
Misalasala izy ireo kanefa maneho ihany koa ny faharesen-dahany tanteraka – fantatry ny fony ny fahamarinan’ny Tany – ao anatin’ny fanahiny lalina sy ny sanganasany.

Ranon’ando vao maraina ao anatin’ny taratry ny alina
Entin’i Richianny Raherinjatovo miriaria isika manaraka sori-dalana malefaka sy mampisalasala. Mitondra antsika anaty tontolo zary ho nofy eo anelanelan’ny tany/kibon’ny reny sy ny ilay rivo-doza ambany tany, kanefa fanantenana ihany no setrin’izany.
Norangotiny loko ny fitaratra ary tsy misy hiraharahiny an’izany.

Ilay Tany mitana ahy
Miroboka anatin’ireo tsiahin’i Joëlle Aresoa sy ny tany niaviany isika ary mitsidika ireo tany vaovao izay soritany.
Ny feony no mampita ny akon’ny fihetseham-pony, ny hiakan’ny tany sy ny tsiarony…
Voafaritra eo ambony latabatra ny sarin-tanin’ny fiainany.

Fire party, Revy mandoro
Hatosiky ny hetaheta maro, asehon’i Aina Jo Harimanjato ny afo mandrehitra sy mampidoboka ny gadon’ny sanganasany.
Horonan-tsary, raki-peo, hay raha, seho, akanjo, hosodoko … maro ny azo tanisaina.
Eto, anio, afindrany ato amin’ny habaky ny fampirantiana ny toeram-ponenany, ary zarainy amintsika ny fijeriny manokana sy azy irery ny fitiavan-tanindrazana.
Tsy hijanona ny lanonana ato anatin’ity efitrano ity… ary ny tany no toeram-pandihizana !

Kilalao mainty ou le jeu noir
Voalohany teo amin’ny asany no anoloran’i Amir Juvara Andrianalitiana sanganasa miavaka sy mirakotra ny haizin’ny loko mainty kanefa maneho ny fanantenana ara-ekolojika. Ny arina no hipoiran’ny hazavan’ny zava-maitso ary ny rindrina no hitoeran’ny dian’ny tsipiky ny fiainana. Eny, velona manana fo mitempo hatrany isika !

Ento aho, mba ento aho ry rivotra
Tadiavo ilay zavatra, izay no vohizin’i Mbolatiana Raoilison anatin’ny sanganasany. Eo anelanelan’ny rindrina, eo anelanelan’ny lanitra, eo anelanelan’ny tany – manasa antsika izy mba hisambotra ilay rivotra mitsoka eo amin’ny tanin’ny fihetseham-pontsika rehetra.
Tena izy sa somambisamby ? Isika no mamantatra izany.

Ampanetren-tena sy ampahatsoram-po no anehoan’ireo mpanakanto dimy ireo ny fijeriny ny Tany.
Kianja filalaovana mbola mitoetra ho ankamantatra, kanefa tsy azo ihodivirana fa tsy maintsy kajiana hatrany.
Amin’ny halemem-panahy sy ny fo,
Am-pitiavana.

Joël Andrianomearisoa . Rina Ralay-Ranaivo
2024

* Andao isika handravona ny hevitsika rehetra mikasika ny Tany, ilay Tany nanome ny aina, ilay Tany niavina, ilay Tany mpamokatra.
** Ny tsiro no fototra hiraisain’ny resaka rehetra.
*** Ny tsiron’ny taniko, tanindrazana, tany toy ny nofy.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar