LA NOUVELLE MAIN

The new hand
Ilay tanana vaovao

FAMPIRANTIANA MIARAKA
HATRAMIN’NY 22 OKTOBRA 2022

Miaraka amin’ny mpanakanto
Rose Kely Ranarivelo . Andy Rasoloharivony . Fitiavana Ratovo . Sanka

Toy ireo andian-teny izay misoratra eo amin’ny solaitra mainty,
Ilay tanana vaovao dia tanora malagasy efatra feno fisalasalana.
Efa mpanakanto ve izy ireo sa tsia? Ary ho lasa mpanakanto ve?
Ireo no tsangan-kevitras mipetraka! Io no votoatiny!
Eto mantsy, dia tsy ny ho mpanakanto aloha no imasoana, fa kosa fanehoana ny finiavan’izy ireo ao anaty asa famoronana, sy ny fanirian’izy ireo handrafitra ny endrika isehoany anio sy rahampitso ao anatin’ny fahatanorana tsy miraika.

Anio, eto amin’ny Hakanto Contemporary, dia faly izahay mampahafantatra ny mpitsidika ireto mpanakanto tanora efatra ireto, endrika vaovao, vao misandratra eo amin’ny sehatry ny vanimpotoana ankehitriny Malagasy amin’ny alalan’ireto sanganasa goavana sy miavaka ireto, izay novokarina manokana ho an’ity fampirantiana ity.

Rose Kely Ranarivelo, Andy Rasoloharivony, Fitiavana Ratovo ary i Sanka dia samy nandray anjara tamin’ny atrikasa izay nokarakarain’ny Hakanto Contemporary. Fihaonana izay natao matetika ho fampirisihana ny fifampiresahana sy ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpanakanto avy amin’ny taranja samihafa. Ary indrindra ahafahana mamboraka herijika vaovao.

Voahevitra ho toy ny habaka hifampiresahana sy hisainana miaraka, ireo fihaonana ireo dia tsy fifantenana fotsiny an’ireto mpanakanto efatra tanora ireto izay ao anatin’ity fampirantiana ity, fa ihany koa ho fampirisihana azy ireo ao anatin’ny famolavolany ireo hevi-pamoronana. Satria, amin’izao toerana misy azy ireo izao, dia mbola samy ao anatin’ny lalam-pikarohana avy izy ireo. Samy mbola manohy ny fitadiavana izay mety ho kanto anatin’ny lasi-panehoany avy, hatramin’ny fanandramana akora hafa sy hendrika hafa. Ny fitantanana manokana, izay nomena azy ireo ho fanomanana ity fampirantiana ity, dia niompana indrindra eo amin’ny maha zava-dehibe ny fivelarana ao anatin’ny lalam-pikarohany avy.

Raha jerena, ireto mpanakanto tanora ireto dia entanin’ny faniriana hanao dingana vaovao. Samy maniry ny handroso, ary hijery lalana vaovao amin’ny asany avy, mikolokolo ary manome tombana vaovao. Ireto ho mpanakanton’ny ampitso ireto dia mitady ny fomba hialany amin’ny tontolo mahazatra azy na ihany ko ny fitokatokanany. Ary na dia eo aza ilay ho avy mbola manjavozavo izay apetrak’ity lalana nosafidian’izy ireo ity, dia tsy mampaninona azy izany. Ny faniriana hanandrana, hanome hevitra na fotsiny hoe haneho ny fisiana dia mialoha ny zavatra hafa rehetra ary manako eto, anatin’ny fihetsika samy hafa, ny sosokevitra ary ihany koa ireo akora.

Ireo sary, ireo vy, ireo tany masaka, ireo lamba ary ihany koa ireo ireo taratasy… ireo akora mifampiditra anaty kilalaon‑pifampiresahana, fifanoherana sy fifandirana. Izy ireo dia maneho hendrika maro izay ahitana fitoviana eo amin’ny hevitry ny sanganasa tsirairay, izay samy voakolokolon’ny tantaran’ireo mpanakanto ary ireo traikefa ara-piarahamonina. Izany indrindra angamba no manome ilay hatsarana ao amin’ireto sanganasa ireto amin’ny ankapobeny, ny kalitaon’ny singa isanisany, ary maneho eo imason’ny tontolo ho toy ny fanolorana ny mombamomba ireto mpanakanto tanora ireto. Ny mahakasika manokana ireto rindran-draha ireto, ny herin’ny tolokevitra tsirairay dia mitotra eo amin’ny fandanjalanjany sy ny fahamarinany, satria tsy misy fanazarana manahirana mihoatran’ny fanolorana ny tenany sy ny tontolony avy, miaraka amin’ny fahasotana apetraky ny raikipohy sy ny fanehoana.

TSARASAOTRA
Amin’ny alalan’ny tantaran’ny fianakaviany, i Rose Kely Ranarivelo dia mamerina indray ireo fotoana maminy amin’ny alalan’ireto singa ampiasainy: Tsarasaotra. Miainga amin’ny lasi-panehoana maro toy ny tanimanga, ny hazo, ny hosodoko, ireo tahirin’ny fianakaviany izay avohitr’ity mpanakanto ity eo ambony latabatra iray noforoniny. Avy amin’ny aingampanahy mifototra amin’ny maha sady frantsay no Malagasy azy, ny rindran-draha atolony dia manako eo anivon’ireo todika ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina, amin’ny lafin’ny safidy sy ny hakanto.

IRAY LALANA
Mba hanatanterahana ny sanganasany dia namolavola fomba fiasa azy manokana i Fitiavana Ratovo izay hita eo amin’ny fiainana andavan’andro. Ity andiana fanitso vita sokitra ity, izay aseho toy ny sary anaty toeram-pampirantiana, dia maneho olona ao anaty fiarahamonina izay mitovy fijery, mitovy sanda ary mibanjina ho avy hitambarana. Iray lalana – izay midika ara‑bakiteny hoe miaradia amin’ny lalana iray – dia toa faniriana ny fahatongavantsainan’ny rehetra ao anatina fiarahamonina mandalo fotoan-tsarotra.

L’URGENCE DE LA FOI
Amin’ny alalan’ny herin’ilay taranja, ary ireo sary, Andy Rasoloharivony dia manasa ary miangavy ireo mpitsidika hiditra anatin’ity toeram-pivavahana ity, mba handray anjara ao anatin’ny fahamaizan’ny finoana (L’urgence de la foi). Ao anaty kilalao misy fifanoherana manaitra, ity mpanao horonantsary ity dia manolatra amin’ny alalan’ny andian-tsary, marika famantarana mahery eo anivon’ny finoana kristianina eo anivon’ny rava-panorenana. Ny hazana voajanaharin’ny masoandro, izay mitaratra anatin’ity toerana mifono zava-miafina sady masina ity, ireo no manainga ity fandraisana anjara ity ho eo amin’ny faratampon’ny andrana.

IRETO MASO
MIJERY AHY
MIBANJINA ANAO
MAMPITAMBERINA
NY LASA
NY VITA NATAO
I Sanka indray, dia mandroboka antsika amin’ny lalina sy ny herin’ny fijery, izay varavaran’ny fanahy. Izy dia manolotra dia manolotra ireto sanganasa voalohany izay maneho ny traikefa lalina ananany amin’ny maha mpanao sary tanana azy. Ny sanganasany dia mampivondrona andiana sary vita tanana, ary fifandimbiasana teny tahapeo voasoritra eo amin’ny solaitra mainty, izay mampitamberina ireo fihetsika fanaony tany amboalohany.

Ilay tanana vaovao, dia ambangovangon’ny ho avy mbola tsy fantatra, kanefa misoritra noho ireto tanora efatra mitondra fanantenana miaraka amin’ny faniriana mba handrafitra sy hanamboatra ny fotoanany.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

RAMILY
ILAY NANAO
NY MARAINA

FAMPIRANTIANA
NY 30 APRILY 2022
HATRAMIN’NY 30 JOLAY 2022

Sady jery todika no fanomezam-boninahitra, ny fampirantiana dia natokana ho an’i Emile Rakotondrazaka, izay fantatra amin’ny anarana hoe Ramily na hoe Dadamily ho an’ireo akaiky azy. Ramily tokoa no rain’ny sary mainty sy fotsy malagasy ny vanim-potoana ankehitriny. Ny fampirantiana dia fotoana iray hanasongadinana ny fahaiza-manaony amin’ny maha-mpaka sary, sy mpisava lalana ny mainty sy fotsy azy, ary mpanasa sary miavaka.

EMILE RAKOTONDRAZAKA . RAMILY

Emile Rakotondrazaka, antsoina hoe Ramily, na koa hoe Dadamily, teraka ny 25 Septambra 1939 tao Antohomadinika, Antananarivo. Zoky lahimatoa tamin’ny folo mianadahy, zana-dRakotozafy sy Razanapanalina, mpandrafitra.

Notaizan’ny mpitandrina Rasolonjatovo izay nanana zanaka mpakasary izy nanomboka ny taona 1949 teo amin’ny faha-folo taonany. Tamin’izay no nidirany voalohany teo amin’ny tontolon’ny fakana sary rehefa nanaraka io zanakin’ny mpitaiza azy io nanantontosa « opérations cartes d’identité » teny ambanivohitra sy tanandehibe eto Madagasikara, nandritra ny vanimpotoan’ny fanjanahantany.

Ny taona 1956, teo amin’ny faha-17 taonany, niasa nanampy tao amin’ny laboratoaran’ny PHOTOFLEX teo Analakely teo amin’ny Avenue de l’Indépendance, izay notarihin’ilay mpakasary frantsay Mesli d’Arloze izy. Nanomboka nanintona ny maro ny talentany mahafehy ireo teknika fanasana sary ao anaty efitra mainty. Nankafizin’ny mpampiasa azy tokoa ireo fifehezany ireo akora simika hanatontosana ny fanasana sary. Ramily dia laborantin tena lafatra.

Ny taona 1968, nanokatra ny laboratoarany fanasana sary voalohany izy – mbola kely saingy efa nalaza sahady – teny amin’ny tanàna manantantara, Ankadifotsy, ka tao ambany rihan’ilay fivarotamboky notazomin-dramatoa vadiny no nametrahany azy.

Roa taona taoriana (1970), nifindra teny Itaosy Ramily. Nentiny teny ilay laboratoara fanasana sary, izay lasa lehibe kokoa sy raitra dia raitra. Anisan’ny voalohany teto Madagasikara izany. Namorona efitrano fakana sary ihany koa izy. Taorian’izay dia nanomboka nisokatra ny toeram-pandrafetana hazo ho fefimeran’ireo sary pika.

Teo anelanelan’ny taona 1970 hatramin’ny 2000, Ramily dia nanao fampirantiana teny amin’ny habaky ny Air Madagascar, ny Centre Culturel Albert Camus (izay Institut Français de Madagascar ankehitriny), ny CITE (Centre d’Information Technique et Économique), ary ny Alliance Française d’Antananarivo, sy teny amin’ny arabe an’Antananarivo rehetra teny, niaraka tamin’ireo andiana mpaka sary. Nandray anjara tamin’ireo hetsika Mois de la Photo sy ny Festival Photoana, ary hetsika ara-tsary atao isaky ny roa taona eo anivon’ny Ranomasimbe Indianina, natao teto Antananarivo, ihany koa izy. Indroa miataona, « Revue Noire » dia nanokana lahatsoratra ho an-dRamily.

Mpikambana mpanorina, fikambanana mpaka sary roa samihafa izy, dia ny « Association des Photographes de Madagascar » sy ny « Association des Photographes de Tananarive ».

Anisan’ireo hetsika farany nisehoany vahoaka ny taona 2007, sy nandraisany anjara ilay fampirantiana iraisampirenena « 30 et Presque-Songes » notarihin’i Joël Andrianomearisoa tao Antananarivo.

Vato nasondrotry ny tany teo amin’ny fakana sary Ramily, izay handrarezin’ny fanasana sary mainty sy fotsy. Nahatratra ny laza faratampony ny sanganasany nanomboka ny taona 1970. Nihato tamin’ny asany maha-mpanasa sary azy izy ny taona 2003, rehefa nianjadian’ny fahatapahana lalan-drà. Nodimandry Ramily ny 26 Martsa 2017 tao Antananarivo, ary namela sary toy ny tononkalo anjatony, nanao asa fanasana sary voakaly tokoa, namela sarim-panambadiana sy lanonana miloko mainty sy fotsy, ary indrindra, nampita ilo ny fitiavany ny fakana sary, taminkahalalahana tanteraka tamin’ireo taranaka andiana tanora mpaka sary.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar

NY FITIAVANAY
OUR LOVE
NOTRE AMOUR

FAMPIRANTIANA MIARAKA
NISOKATRA NY 09 OKTOBRA 2021
HATRAMIN’NY 16 MARSA 2022

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faharoa
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagasikara

Ny fitiavanay
Our love
Notre amour

Ry Tanindrazanay malala ô !
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.

Oh our cherished country!
Oh beautiful Madagascar,
Our love for you remains,
And will remain forever.

Toy ny fanao ato amin’ny Hakanto Contemporary rehefa manao fampirantiana efa ho roa taona izao,
mametra-panontaniana foana izahay mahakasika ny zava-misy, ny Tantara, ny ankehitriny ary miandrandra ny ho avy ihany koa.

Amin’ity andiany ity, tsy mivaona amin’izay fanao, dia hiresaka manodidina
ny tanindrazana – ny firenena – ny tany izahay.
Ny lasa, ny ankehitriny, ny ho avy, ireo hatrany no gadona handrindrana ity feo vaovao ity.

Ny tany
Resahina matetika ity tanintsika lazaina fa Nosy mena ity, ampahan-tany anilan’ny Afrika, afovoan’ny ranomasim-be sy izao tontolo izao.
Isika.
Isika izay avy amin’ny Ranomasimbe, araka ny fanambaran’i Serge Henri Rodin azy.
Madagasikara.
Ny ranomasina manodidina azy, mitoetra ho misitery hatrany.

Fanambarana ? Fametraham-panontaniana ? Fitiavana ? Elanelana ? Fahaleovantena ?
Tsy ny hanome vahaolana no ifantohana eto, fa kosa ny handrafitra fahatsapana amin’ny alalan’ny fampivondronana fahaiza-manao.
Fihetsika tsy miloko, hatramin’ny fisiana saina tsy misy loko.
Fo voatritra mba ahafahana mandraraka ny ranomaintin’ny fanantenana.
Kalom-pitia mitraotra avy amin’ny tonombavaka.
Na ihany koa sakafo mitam-pihavanana, afomanga manoloana ireo ratrantsika.
Maro no mety ho valiny. Mety ho amin’ny alalan’ny resaka, indraindray fifanandrinana, na koa disadisa.

Fanehom-pitiavana Ny fitiavanay
Indro misy fanehom-pitiavana marolafy ataon’ny mpanakanto malagasy 26 ho an’ity nosy malala ity.
26 miresaka an’izay 60 taona izay.
Mpanakanto 26.
60 taona nahaleo tena.
Ahoana ny handrafetana ny ankehitriny manoloana ity fankalazana ity ? Ahoana no hamborahana ny tantara ? Hanoratana indray ireo tantara. Ahoana no hitantaràna ny ho avy ?

Manoratra indray ny tantara
Miverina manoratra ny lasa
Manainga indray
Manolo ny faka
Ary dia manangana, manangana, manangana hatrany.

Michèle Rakotoson

Ny tena sy fo fanahy anananay

Feo re moramora manako mamelombelona ny fo sy fanahy ao anaty fahalalahana.
Eny, andao resahina fa fotoanany izao.

– Joël Andrianomearisoa . Septambra 2021

Ry Tanindrazanay malala ô
Hiram-pirenanan’i Madagasikara nanomboka tamin’ny 1958
Tonony . Pastora Rahajason
Feo . Norbert Raharisoa

IVELANY HAKANTO

MALAGASY

Sarin’i Rijasolo
Tsena Pochard
Lalana Ampanjaka Toera . Soarano . Antananarivo

Tomorrow

Sarin’i Viviane Rakotoarivony
Lycée Jean-Joseph Rabearivelo
7, lalana Andrianampoinimerina . Analakely . Antananarivo

Ireo mpanakanto

Alizé . Malala Andrialavidrazana . Jean Andrianaivo Ravelona . Philippe Gaubert . Joan Paoly . Mat Li . MiMaDa . Môta Soa . Ndao Hanavao . Zahra Rabeharisoa . Fenosoa Rahajamalala . Viviane Rakotoarivony . Harivola Rakotondrasoa . Zoly Rakotoniera . Michèle Rakotoson . Emile Ralambo . Rina Ralay-Ranaivo . Maurice Ramarozaka . Antoine Ratrena . Fela Razafiarison . Ketaka Razafimisa . Rijasolo . serge henri rodin . Samoëla . Ludonie Velotrasina . Vonjiniaina

BEYOND ALL
YOU ARE
MINE

Fampirantiana miaraka
:mentalKLINIK . Rina Ralay-Ranaivo . Temandrota

TOLO-KEVITR’I JOËL ANDRIANOMEARISOA

Hakanto Contemporary 
Antananarivo 

Fampirantiana manomboka ny 27 Febroary hatramin’ny 4 Septambra 2021

Beyond all you are mine.
Manoloana an’izao rehetra izao, ahy ianao.

Fanambarana feno hafaliana manoloana ny ho avy manjavozavo. Hatraiza ny fetra! Hanao ahoana  ny ampitso?
Fanambarana velona, amin’ny fotoana manempotra. Hatao ahoana ny hiaina? Miaraka amin’iza?
Sakaiza azo hitokiana eo anatrehan’ny tontolo marefo. Hiara handihy ve isika indray andro any? Hifanoroka?
Fitiavana mihatrika fitiavan-tanindrazana diderena.

Mpanakanto telo no manambara fa mbola tafaraka, feno aingam-panahy ary velona hatrany isika.
Isika no manefy ny fotoana ary mihoatra ny faravodilanitra rehetra ny faniriantsika.
Ny voalohany dia hery malagasy. Temandrota.
Mikirakira ny tany, mamolavola ny afo, manorotoro ny fontsika hanako feo vao.
Amin’ny alalan’ny Kolondoy no anoritany faritany vaovao, kianja filalaovana hiarahan-tsika miatrika ny fanontaniana rahampitso sy ny filan-tsika anaty.

Ny faharoa,
avy any Bosphore mandalo ny moron’ny Ikopa,
ry zareo :mentalKLINIK izay mampanjavozavo ny fitsipiky ny lalao eo amin’ny materialy, ny fahazavana ary ny fihetseham-po.
Tsy misy jeografia ankoatry ny fahatsapana.
Ny hevitry ny 2, ny 3 na mihoatra… Ny mpifankatia :mentalKLINIK dia manasa antsika hametra-panontaniana momba ny fitiavana vaovao ary indrindra ilay fitiavana an’Antananarivo. Another Love.

Ary ny fahatelo,
Rina Ralay Ranaivo izay mizara ny fony eo anelanelan’Antananarivo, Berlin sy ny toerana hafa,
dia miantso amin’ny alalan’ny Chapitre I, ny nofinofy, ny razana ary ny tantara manamorona renirano tsy hita maso hiampitana.
Miampita rano indray, miampita fotoana, miampita ny hafa, miampita sisintany,
Hifankahita indray ary hanamafy fa manoloana an’izao rehetra izao, ahy ianao.

Hanorina faniriana,
Faniriana ny hitoetra eo amin’ny tontolo,
Hisosa safoin’ny rivotra,
hianjoria.

Joël Andrianomearisoa . 2021

ICI NOUS PORTONS TOUS LES RÊVES DU MONDE

Tolo-kevitr’i Joël Andrianomearisoa

Fampirantiana ny 08 Febroary 2020 hatramin’ny 08 Febroary 2021

Tsy misy dikany aho.
Tsy hisy dikany na rahoviana aho.
Tsy hahay ny te ho tsy hisy dikany aho.
Ankoatra izay, vimbiniko anaty ny nofin’izao tontolo izao.”

Fernando Pessoa

Ny eto dia eto, avy eto isika mijery ny tontolo, avy eto isika manonofy ny tontolo. Ndao haminavina, ndao hiresaka nofy, ndao hanonofy – satria noho ny nofy no hahafahantsika mametraka tsioka vao Malagasy amin’ny alalan’ny endrika ara-fiforonan’ny ankehitrio anatrehan’ny mpanakanto sy ny endri-panehoana avy any an-kafa.

Ao anatin’ny filaza, tsy misy fomba fanehoana mihitsoka amin’ny endriny tokana. Ilay fampirantiana dia mametraka ny hamaroam-peon’ny endrika anaty lalaom-potoana miaraka amin’ny anoanony sy ny tena iziny.

Tsy mifantsika ny lisi-tsakafo. Tsy misy fefy ny lisi-tsakafo.
Ny chef Lalaina miandraikitra ny fenitra nony izy nanavao sakafo fanta-daza Malagasy anaty ngadon’ny Nofy rock an’i Kristel.

Ny hodidina dia ilay lalao, ny hamaroan-karazana, no fitsipika.
Ny roroa ho dorian’i Istanbul :mentalKLINIK mamorom-panindroany fitia vaovao, lalaom-pitia vaovao manoloana ireo volana vaovao sinoritr’i Môssieur Njo.
Anatin’ny hamaroan-karazan’ny tsipika, ilay designer tanora Domi Sanji mangaro ny taniny mifanandrina amin’i Alexandre Gourçon sy valony alinkisa.
Ramily, ilay rain’ny fakana sary Malagasy ankehitriny somary latsaka anaty fanadinoana, mahita indray ny hazavana amin’ny alalan’ny andia famantarana azy eo anelanelan’ny ngazana sy ny habetsahana ara-java-maniry. Ilay mpanakanto plasticien Donn dia mametraka ny piesiny eo anelanelan’ny nofy ratsy sy ny halefahana toy ny fiserak’ilay mpamorona sora-dihy Judith Manantenasoa ny hamamian’ny korontana tanteraka.
Izany rehetra izany dia milona anaty embona adala Malagasy amin’ny alalan’ny teny ifanaovana ara-diteratioran’i Jean-Joseph Rabearivelo sy Elie Rajaonarison.

Fihaoanana tsy nampoizina hanosika sy hanaitra.
Ny asa tanana mihaona amin’ny hira. Ny fakana sary no raoby. Ny teny lasa hosodoko. Ndao handrary ny literatiora, ndao handrehitra ny afo, ndao handihy ny mari-trano, ndao hiresaka zaitra, ndao hanafy ny ankehitrio.
Ndao hanao petakofehy ny hainahandro dia ndao hanimbolo voninkazo.
Ny nofy no tena iziko, karazana tena izy hafa. Ny nofin’Iarivo. Ny vinavinan’ny tontolo.
Ndao hianjoria.
Ndao hanonofy.

Eto Madagasikara isika dia manandratra ny nofin’izao tontolo izao.

Joël Andrianomearisoa . Janoary 2019 

Lisitry ny mpanakanto

JOËL ANDRIANOMEARISOA
:MENTALKLINIK
DONN
ALEXANDRE GOURÇON
KRISTEL
LALAINA RAVELOMANANA
JUDITH OLIVIA MANANTENASOA
MÔSSIEUR NJÔ
JEAN-JOSEPH RABEARIVELO
RAMILY
ELIE RAJAONARISON
DOMI SANJI