LA NOUVELLE MAIN

The new hand
Ilay tanana vaovao

FAMPIRANTIANA MIARAKA
HATRAMIN’NY 22 OKTOBRA 2022

Miaraka amin’ny mpanakanto
Rose Kely Ranarivelo . Andy Rasoloharivony . Fitiavana Ratovo . Sanka

Toy ireo andian-teny izay misoratra eo amin’ny solaitra mainty,
Ilay tanana vaovao dia tanora malagasy efatra feno fisalasalana.
Efa mpanakanto ve izy ireo sa tsia? Ary ho lasa mpanakanto ve?
Ireo no tsangan-kevitras mipetraka! Io no votoatiny!
Eto mantsy, dia tsy ny ho mpanakanto aloha no imasoana, fa kosa fanehoana ny finiavan’izy ireo ao anaty asa famoronana, sy ny fanirian’izy ireo handrafitra ny endrika isehoany anio sy rahampitso ao anatin’ny fahatanorana tsy miraika.

Anio, eto amin’ny Hakanto Contemporary, dia faly izahay mampahafantatra ny mpitsidika ireto mpanakanto tanora efatra ireto, endrika vaovao, vao misandratra eo amin’ny sehatry ny vanimpotoana ankehitriny Malagasy amin’ny alalan’ireto sanganasa goavana sy miavaka ireto, izay novokarina manokana ho an’ity fampirantiana ity.

Rose Kely Ranarivelo, Andy Rasoloharivony, Fitiavana Ratovo ary i Sanka dia samy nandray anjara tamin’ny atrikasa izay nokarakarain’ny Hakanto Contemporary. Fihaonana izay natao matetika ho fampirisihana ny fifampiresahana sy ny fifanakalozana eo amin’ny samy mpanakanto avy amin’ny taranja samihafa. Ary indrindra ahafahana mamboraka herijika vaovao.

Voahevitra ho toy ny habaka hifampiresahana sy hisainana miaraka, ireo fihaonana ireo dia tsy fifantenana fotsiny an’ireto mpanakanto efatra tanora ireto izay ao anatin’ity fampirantiana ity, fa ihany koa ho fampirisihana azy ireo ao anatin’ny famolavolany ireo hevi-pamoronana. Satria, amin’izao toerana misy azy ireo izao, dia mbola samy ao anatin’ny lalam-pikarohana avy izy ireo. Samy mbola manohy ny fitadiavana izay mety ho kanto anatin’ny lasi-panehoany avy, hatramin’ny fanandramana akora hafa sy hendrika hafa. Ny fitantanana manokana, izay nomena azy ireo ho fanomanana ity fampirantiana ity, dia niompana indrindra eo amin’ny maha zava-dehibe ny fivelarana ao anatin’ny lalam-pikarohany avy.

Raha jerena, ireto mpanakanto tanora ireto dia entanin’ny faniriana hanao dingana vaovao. Samy maniry ny handroso, ary hijery lalana vaovao amin’ny asany avy, mikolokolo ary manome tombana vaovao. Ireto ho mpanakanton’ny ampitso ireto dia mitady ny fomba hialany amin’ny tontolo mahazatra azy na ihany ko ny fitokatokanany. Ary na dia eo aza ilay ho avy mbola manjavozavo izay apetrak’ity lalana nosafidian’izy ireo ity, dia tsy mampaninona azy izany. Ny faniriana hanandrana, hanome hevitra na fotsiny hoe haneho ny fisiana dia mialoha ny zavatra hafa rehetra ary manako eto, anatin’ny fihetsika samy hafa, ny sosokevitra ary ihany koa ireo akora.

Ireo sary, ireo vy, ireo tany masaka, ireo lamba ary ihany koa ireo ireo taratasy… ireo akora mifampiditra anaty kilalaon‑pifampiresahana, fifanoherana sy fifandirana. Izy ireo dia maneho hendrika maro izay ahitana fitoviana eo amin’ny hevitry ny sanganasa tsirairay, izay samy voakolokolon’ny tantaran’ireo mpanakanto ary ireo traikefa ara-piarahamonina. Izany indrindra angamba no manome ilay hatsarana ao amin’ireto sanganasa ireto amin’ny ankapobeny, ny kalitaon’ny singa isanisany, ary maneho eo imason’ny tontolo ho toy ny fanolorana ny mombamomba ireto mpanakanto tanora ireto. Ny mahakasika manokana ireto rindran-draha ireto, ny herin’ny tolokevitra tsirairay dia mitotra eo amin’ny fandanjalanjany sy ny fahamarinany, satria tsy misy fanazarana manahirana mihoatran’ny fanolorana ny tenany sy ny tontolony avy, miaraka amin’ny fahasotana apetraky ny raikipohy sy ny fanehoana.

TSARASAOTRA
Amin’ny alalan’ny tantaran’ny fianakaviany, i Rose Kely Ranarivelo dia mamerina indray ireo fotoana maminy amin’ny alalan’ireto singa ampiasainy: Tsarasaotra. Miainga amin’ny lasi-panehoana maro toy ny tanimanga, ny hazo, ny hosodoko, ireo tahirin’ny fianakaviany izay avohitr’ity mpanakanto ity eo ambony latabatra iray noforoniny. Avy amin’ny aingampanahy mifototra amin’ny maha sady frantsay no Malagasy azy, ny rindran-draha atolony dia manako eo anivon’ireo todika ara-kolontsaina sy ara-piarahamonina, amin’ny lafin’ny safidy sy ny hakanto.

IRAY LALANA
Mba hanatanterahana ny sanganasany dia namolavola fomba fiasa azy manokana i Fitiavana Ratovo izay hita eo amin’ny fiainana andavan’andro. Ity andiana fanitso vita sokitra ity, izay aseho toy ny sary anaty toeram-pampirantiana, dia maneho olona ao anaty fiarahamonina izay mitovy fijery, mitovy sanda ary mibanjina ho avy hitambarana. Iray lalana – izay midika ara‑bakiteny hoe miaradia amin’ny lalana iray – dia toa faniriana ny fahatongavantsainan’ny rehetra ao anatina fiarahamonina mandalo fotoan-tsarotra.

L’URGENCE DE LA FOI
Amin’ny alalan’ny herin’ilay taranja, ary ireo sary, Andy Rasoloharivony dia manasa ary miangavy ireo mpitsidika hiditra anatin’ity toeram-pivavahana ity, mba handray anjara ao anatin’ny fahamaizan’ny finoana (L’urgence de la foi). Ao anaty kilalao misy fifanoherana manaitra, ity mpanao horonantsary ity dia manolatra amin’ny alalan’ny andian-tsary, marika famantarana mahery eo anivon’ny finoana kristianina eo anivon’ny rava-panorenana. Ny hazana voajanaharin’ny masoandro, izay mitaratra anatin’ity toerana mifono zava-miafina sady masina ity, ireo no manainga ity fandraisana anjara ity ho eo amin’ny faratampon’ny andrana.

IRETO MASO
MIJERY AHY
MIBANJINA ANAO
MAMPITAMBERINA
NY LASA
NY VITA NATAO
I Sanka indray, dia mandroboka antsika amin’ny lalina sy ny herin’ny fijery, izay varavaran’ny fanahy. Izy dia manolotra dia manolotra ireto sanganasa voalohany izay maneho ny traikefa lalina ananany amin’ny maha mpanao sary tanana azy. Ny sanganasany dia mampivondrona andiana sary vita tanana, ary fifandimbiasana teny tahapeo voasoritra eo amin’ny solaitra mainty, izay mampitamberina ireo fihetsika fanaony tany amboalohany.

Ilay tanana vaovao, dia ambangovangon’ny ho avy mbola tsy fantatra, kanefa misoritra noho ireto tanora efatra mitondra fanantenana miaraka amin’ny faniriana mba handrafitra sy hanamboatra ny fotoanany.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar