Lamba Forever
Mandrakizay
FAMPIRANTIANA
NY 8 JOLAY 2023
HATRAMIN’NY 25 NOVAMBRA 2023
Omaly, eto anio, hatrany sy mandrakizay, tsy manam-pahataperana
Amin’ireo fomba rehetra entina anehoana ny kolontsain’i Madagasikara, singa iray tsy azo idovirana.
Lamba lamba lamba ary lamba ihany.
Maro karazana tokoa ireo famaritana maro lafy entina hamaritana sy handikana ny atao hoe Lamba ankehitriny. Ny fampirantiana LAMBA FOREVER MANDRAKIZAY, dia manasongadina ny maha zava-tsarobidy ny lamba, ary ihany koa maneho ny maha mpivoitra hevitra tsy manam-pahataperana azy.
Mifanindry andalana hatrany amin’ireo tetikasan’ny Hakanto Contemporary, izay manolotra fomba fijery avy amin’ny taranja samihafa sy avy amin’ny vanim-potoana nifandimby, ny fampirantiana mahakasika ny Lamba etoana dia mihoatra lavitra noho ny fandraisana azy ho singam-panehoana fotsiny ihany. Ity fampirantiana ity dia manolotra fomba fijery ara-javakanto maro karazany sy manasongadina ny fahasamihafan’ny kanto manodidina ny lamba. Ireo mpanakanto navondrona rehetra ireo dia misy ifandraisany amin’ny lamba avokoa : imbetika mandray ny lamba ho toy ny zava-mahasondriana, imbetika raisiny ho fanombohana andrana, mifono embona sy eritreritra na ihany koa nofinofy sy vinany.
Araka ny famaritana, ny atao hoe lamba dia ilay ravindamba mahitsy efa-joro, amin’ny ankapobeny dia fitafiana, entina hanaovana sy hotontaina raha iny vao mahita masoandro ka mandrapialan’ny fofon’aina, eny na efa lasa any ankoatra aza.
Efa fampiasan’ny be sy ny maro hatramin’ny ela ny lamba, tsikaritra izany tamin’ireo tahirin-tsary nalaina tao amin’ ny Foiben-Taosaritan’i Madagasikara tany amin’ny faraparan’ny taonjato faha-XIX, ary manana anjara toerana sarobidy tokoa ho an’ny fiarahamonina malagasy.
Akora, tenona sy fihetsehampo, kofehy mitety ny fotoana sy ny faritany rehetra eto Madagasikara
Asatanana nentim-paharazana no anenonana ny hasy, ny landy, na ny rofia, ahazoana lamba izay mandravaka ny sorok’ireo vehivavy Merina, isikinan’ ireo lehilahy Bara, isaforan’ireo Betsileo mandavantaona. Misy ihany koa ireo karazan-damba natokana ifanolorana entina anamafisana orina ny fifandraisana misy eo amin’ireo samy mpiarabelona, amin’ny fotoana samy hafa, na an-kafaliana na an-karatsiana, toy ny amin’ny fanambadiana sy fahoriana.
Akon’izay fampiasana ny lamba ho enti-miaina izay, dia manan-danja lehibe ihany koa ny fampiasana ny voambolana hoe lamba eo amin’ny teny malagasy. Voalohany, dia entina milaza amin’ny ankapobeny ireo kojakoja maro fampiasa amin’ny andavan’andro toy ny fitafy ho an’olombelona mazava ho azy, fa koa entina hilazana ireo fitaovana rehetra fampiasa amin’ny latabatra, na rehefa hirakotra, na rehefa hanaingo varavarankely… Mbola maro ireo ohatra azo raisina. Manaraka izany, misongadina manokana ao anatin’ireo ohapitenenana sy ohabolana ihany koa ny lamba satria dia entina anehoana ny maha zava-dehibe ny firahalahiana, ny firaisankina, ny fiainana, ny fitiavana ary ihany koa ny finoana.
Lamba, vetin-kevitra ara-javakanto voalohan-tsafidy, tahaky ny fofonaina sy aingampanahy
Raha toa ka manamafy amin’ny andian-tsary Doria ny fisian’ny lamba amin’ny andavan’andron’ny olona eto an-drenivohitry Madagasikara, Antananarivo, ilay mpaka sary Kevin Ramarohetra ; ireo mpanao sary hosodoko Emile Ralambo sy Jean Yves Chen indray dia mampiseho fijery hafa amin’ny fifandraisana mateza misy eo amin’ ny lamba sy ireo sanganasany avy. Na mifanelanelana ampolo-taonany maro aza ireto sary hosodoko roa ireto, izay samy lasa filamatra eo amin’ny tontolon’ny sary hosodoko malagasy, dia mitoetra hatrany ny finiavana hanoratra ny tononkalon’ny lamba, izay nampifandray azy ireo ao anatin’ny fotoana iray. Ilay voalohany mampiseho ny hamamin’ny fisiana eny amin’ny tontolo ambany vohitra, izahana lamba maha lasa eritreritra ary ny faharoa kosa dia mamerina tsy misy mipika ny antsipirihany madinika rehetra, hita amin’ny akanjo fotsin’ireo Fifohazana.
Amin’ny tolo-kanto hafa, ny lamba dia lasa ambaratongan-dalana entina hanariana dia. Madame Zo, izay mikirakira andram-panenomana mifandimby samihafa, dia mampifanandrina antsika amina fanambarana horonantsary VHS navadiny ho fanaka, hany ka niofo any anaty fotoana hafa ny kofehin’ilay horonantsary.
Manoloana io seza io, Joël Andrianomearisoa sy Madame Zo, dia manamafy amintsika amin’ny alalan’ireo rindran-draha iraisany sy tsy manampaharoa, FEHY MAINTY, izay aseho voalohany eto Madagasikara, fa ny lamba dia kilalaon’ireo faniriana tsy to… Tahaka ny fitaratry ny fiainana noloahana kiraro avo izay isarangotin’ny vorivorindamban’ny hamamoana.
Ireo tetikasa ireo dia mifamaly amin’ireo patchwork ato amin’ity fampirantiana ity. Lasa fitambarana fahatsiarovana ny lamba, entina manontany ny fihiziany manokana sy ny iraisan’ny mpiarabelona.
Ny lafiny haitao ao amin’ny Ny hendry no anarina, fa ny adala no manary lamba izay sanganasan’i Sandra Ramiliarisoa, izay vita amin’ny polyfloss* kosa dia mamaritra fitanisana tsy mana-pahataperana ireo fahaizana mamoly, manenona, mamatotra.
Amin’ny lafiny ara-kevitra, ny Bemiray no namelona ny fomba fiasan’i Tsiriniaina Irimboangy, ao anatin’ilay rindran-draha mitondra ny lohateny hoe Sombin-tantara, izay manambatra ireo voka-pikarohana nataony mahakasika ny lamba, sy nentin’ny embona fahatsiarovany ny renibeny nibaby azy, tahaka ny fomba nentim-paharazana malagasy.
Lambam-pianakaviana
Ao anatin’ny hay rindran-draha ataony, i Gad Bensalem izay mpisehatra amin’ny tantara an-dapihazo, dia mitondra ny Any Dada, fomba iray hiantsoany ilay ray, izay tsy eo intsony, na mety efa lasana, ary mandrava tanteraka ny lamba, misintona azy toy ny kofehy mba hanehoany ny tantaran’i Doda : mikaroka ny fihiziany, mamboraka ireo tsiarony ny reniny sy ny renibeny izay nitaiza azy, ary eo andaniny ny rainy izay tsy fantany akory. Eo amin’izay sehatra manodidina ny resa-pianakaviana izay ihany, amin’ny alalan’ny hai‑maritrano, ilay mpamolavola ara-kendrika Nadia Randriamorasata dia manadiady ny tetiarany ary mamantatra indray ny tantaran’ireo razambeny teo ampamoronana ny sanganasany mitondra ny lohateny hoe 1997, tsanganana marin-trano izay manome voninahitra ny fianakaviany, indrindra ny rainy izay efa lasa any amin’ny tontolon’ny razana.
Izay sahy maty ihany no mifono lambamena
Amin’ny kolontsaina malagasy, ny lamba dia entina hanamarihana ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ny velona sy ny maty. Ny fahafatesana dia tsy midika hoe tapitra hatreo akory ny fiainana, fa fandalovana ho any amin’ny tontolo masin’ny razana kosa. Ny amin’izay finoana izay indrindra, ny fifamenoana misy eo amin’ny velona sy ny maty dia tsapa amin’ny sanganasan’ireto mpanakanton’ny hita sy ny jery roa ireto. Ireo sary pikan’i Christian Sanna izay manasongadina lamba iray sady toy ny fandrakofana ireo fahatsapana ara‑nofo no toy ny mamaritra toerana fanaovana joro ; i Nazaria Tooj, izay sady mpandihy no mpamorona soradihy, indray kosa, ao anatin’ny horonantsariny mitondra ny lohateny hoe OME dia maneho ny hevitry ny fiverenan’ny fahaterahana indray.
Manamafy ny fiverenan’ny fahaterahana ilay sary sokitra vita amin’ny lamba an’i Charles Edgar Lincoln, naka aingampanahy tamin’ireo trano manara eny ambony fasana, izay fitoeran’ireo fanahy ho mandrakizay…
Mitafy ny lambamenan’ny fanirintsika ary miala aina ao ambadikin’ny alok’ireo fanantenana rehetra.
Arindra ao amin’ilay lapihazon’ny nofinofy, indreo misy fantina vitsy ny sanganasan’ireto mpamorona haifiraratra fanta-daza, midera manokana ny lanjan’ny traikefa avo lenta. Eto ny hai-toetany dia tsy misy dikany intsony. H. Ranaivo mamadika ny lambamena nentim-paharazana ho lasa palitao akanjo fianjaika amin’ny fiainana. Christian Lacroix dia voazaitra, ratsantanana malagasy, ho petakofehy. Clée Rabeharisoa sy Charlotte Razafindrakoto, taorian’ny fandalovan’izy ireo tany amin’ny Christian Dior sy Balmain, nampianjaika ireo sokajim-piarahamonina sangany indrindra nonina eto Imerina.
Mifandray indrindra amin’izay asa famoronana avo lenta izay ny fahamendrehan’ireo nisalotra lamba, nalain-dRamilijaona sy Rasolonjatovo sary: porofon’ilay endrika feno arifomba manodidina ny lamba fianjaika nentim-paharazana.
Ankoatra ireo fanazarana samihafa entina manome endrika, ny lamba ihany koa dia mibitsibitsika ao amin’ny fanahintsika.
Manamarina izany ilay mpanoratra Jean Luc Raharimanana izay manambara fa toy ny manenona ireo tsiarony, ireo eritreriny, ary ireo fisaintsainany izy ao anatin’ireo tantara foroniny, ireo tantara fohy ary ireo asa sorany. Raha asa soratra no nahafantarana ity mpanoratra ny « Rêves sous le linceul » sy ny « Tisser » ity, etoana izy dia sambany no manolotra andian-tsary izay notsongainy avy ao amin’ireo kahieny manokana, fampiasany rehefa manomana ireo asa-sorany izy. Misy takosona tsy mihebohebo ampitafiny ireo erijika manainga azy, aboridany ny alahelon’ny fiarahamonina, rovitiny ny voalin’izay rehetra tsy azo antoka.
… et moi je t’aime à la folie avec ton lamba blanc
Henri Ratsimbazafy . 1960
Et quand tu danses à la fête,
tu fais tourner tant de tête avec ton lamba blanc
Omaly sy anio, ary mandrakizay, manjohy ny diany lava dia lava ny lamba, sady misalotra ny toerana maha tompon’ny lakan’ny kolotsaina malagasy azy. Andry iankinan’itsy farany, efa lahatry ny lamba ny hikikiaka tahaky ny asa soratra tsy manam-pahatamperana, hanohy hambabo antsika, hanome aingam-panahy, hitoetra ho filamatra ary hiseho amin’ny endrika maro isankarazany, ho doria sy mandrakizay
Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo
*Polyfloss: kofehy azo avy amin’ny fanodinana akora fako plastika
IREO MPANAKANTO
GAD BENSALEM . JEAN YVES CHEN . TSIRINIAINA IRIMBOANGY . CHARLES EDGAR LINCOLN . JOËL ANDRIANOMEARISOA . MADAME ZO . NAZARIA TOOJ . JEAN LUC RAHARIMANANA . ALPHONSE RAKOTOVAO . GASTON RAKOTOVAO . EMILE RALAMBO . KEVIN RAMAROHETRA . A. RAMIANDRASOA . SANDRA RAMILIARISOA . RAMILIJAONA . H. RANAIVO . NADIA RANDRIAMORASATA . RASOLONJATOVO . CHRISTIAN SANNA . CLÉE RABEHARISOA SY CHARLOTTE RAZAFINDRAKOTO
Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana
Joël Andrianomearisoa . Ludonie Velotrasina . Rina Ralay-Ranaivo
Mpiara mifarimbona
Akanjo . Association Des Médiateurs Culturels – Centre de Ressources des Arts Actuels de Madagascar . Collection Elia Ravelomanantsoa . Collection Nicole Rabetafika . Collection Rabeharisoa . Collection Yavarhoussen . Foiben-Taosarintanin’i Madagasikara . Fonds Yavarhoussen . Institut de Civilisations, Musée d’Art et d’Archéologie de l’Université d’Antananarivo . Mboahangy