RAMILY
ILAY NANAO
NY MARAINA

FAMPIRANTIANA
NY 30 APRILY 2022
HATRAMIN’NY 30 JOLAY 2022

Sady jery todika no fanomezam-boninahitra, ny fampirantiana dia natokana ho an’i Emile Rakotondrazaka, izay fantatra amin’ny anarana hoe Ramily na hoe Dadamily ho an’ireo akaiky azy. Ramily tokoa no rain’ny sary mainty sy fotsy malagasy ny vanim-potoana ankehitriny. Ny fampirantiana dia fotoana iray hanasongadinana ny fahaiza-manaony amin’ny maha-mpaka sary, sy mpisava lalana ny mainty sy fotsy azy, ary mpanasa sary miavaka.

EMILE RAKOTONDRAZAKA . RAMILY

Emile Rakotondrazaka, antsoina hoe Ramily, na koa hoe Dadamily, teraka ny 25 Septambra 1939 tao Antohomadinika, Antananarivo. Zoky lahimatoa tamin’ny folo mianadahy, zana-dRakotozafy sy Razanapanalina, mpandrafitra.

Notaizan’ny mpitandrina Rasolonjatovo izay nanana zanaka mpakasary izy nanomboka ny taona 1949 teo amin’ny faha-folo taonany. Tamin’izay no nidirany voalohany teo amin’ny tontolon’ny fakana sary rehefa nanaraka io zanakin’ny mpitaiza azy io nanantontosa « opérations cartes d’identité » teny ambanivohitra sy tanandehibe eto Madagasikara, nandritra ny vanimpotoan’ny fanjanahantany.

Ny taona 1956, teo amin’ny faha-17 taonany, niasa nanampy tao amin’ny laboratoaran’ny PHOTOFLEX teo Analakely teo amin’ny Avenue de l’Indépendance, izay notarihin’ilay mpakasary frantsay Mesli d’Arloze izy. Nanomboka nanintona ny maro ny talentany mahafehy ireo teknika fanasana sary ao anaty efitra mainty. Nankafizin’ny mpampiasa azy tokoa ireo fifehezany ireo akora simika hanatontosana ny fanasana sary. Ramily dia laborantin tena lafatra.

Ny taona 1968, nanokatra ny laboratoarany fanasana sary voalohany izy – mbola kely saingy efa nalaza sahady – teny amin’ny tanàna manantantara, Ankadifotsy, ka tao ambany rihan’ilay fivarotamboky notazomin-dramatoa vadiny no nametrahany azy.

Roa taona taoriana (1970), nifindra teny Itaosy Ramily. Nentiny teny ilay laboratoara fanasana sary, izay lasa lehibe kokoa sy raitra dia raitra. Anisan’ny voalohany teto Madagasikara izany. Namorona efitrano fakana sary ihany koa izy. Taorian’izay dia nanomboka nisokatra ny toeram-pandrafetana hazo ho fefimeran’ireo sary pika.

Teo anelanelan’ny taona 1970 hatramin’ny 2000, Ramily dia nanao fampirantiana teny amin’ny habaky ny Air Madagascar, ny Centre Culturel Albert Camus (izay Institut Français de Madagascar ankehitriny), ny CITE (Centre d’Information Technique et Économique), ary ny Alliance Française d’Antananarivo, sy teny amin’ny arabe an’Antananarivo rehetra teny, niaraka tamin’ireo andiana mpaka sary. Nandray anjara tamin’ireo hetsika Mois de la Photo sy ny Festival Photoana, ary hetsika ara-tsary atao isaky ny roa taona eo anivon’ny Ranomasimbe Indianina, natao teto Antananarivo, ihany koa izy. Indroa miataona, « Revue Noire » dia nanokana lahatsoratra ho an-dRamily.

Mpikambana mpanorina, fikambanana mpaka sary roa samihafa izy, dia ny « Association des Photographes de Madagascar » sy ny « Association des Photographes de Tananarive ».

Anisan’ireo hetsika farany nisehoany vahoaka ny taona 2007, sy nandraisany anjara ilay fampirantiana iraisampirenena « 30 et Presque-Songes » notarihin’i Joël Andrianomearisoa tao Antananarivo.

Vato nasondrotry ny tany teo amin’ny fakana sary Ramily, izay handrarezin’ny fanasana sary mainty sy fotsy. Nahatratra ny laza faratampony ny sanganasany nanomboka ny taona 1970. Nihato tamin’ny asany maha-mpanasa sary azy izy ny taona 2003, rehefa nianjadian’ny fahatapahana lalan-drà. Nodimandry Ramily ny 26 Martsa 2017 tao Antananarivo, ary namela sary toy ny tononkalo anjatony, nanao asa fanasana sary voakaly tokoa, namela sarim-panambadiana sy lanonana miloko mainty sy fotsy, ary indrindra, nampita ilo ny fitiavany ny fakana sary, taminkahalalahana tanteraka tamin’ireo taranaka andiana tanora mpaka sary.

Hakanto Contemporary
Alhambra Gallery . Rihana faha-2
Ankadimbahoaka . Antananarivo
Madagascar