
Navoakan'ny Hakanto Édition . 2026
Mpandray anjara : Fanja Andriamanantena . Joël Andrianomearisoa
Soratra : Andrianina Rajoelisoa
ANDRIANINA RAJOELISOA
Teraka tamin'ny 1992, mipetraka sy miasa eo anelanelan'i Paris sy Antananarivo.
Ity boky ity no manamarika ny famoahana ny boky voalohan'i Andrianina Rajoelisoa (fantatra amin'ny anarana hoe Joely) : Ifalio Ny Maraina. Fitambarana tononkalo zato eo ho eo izy io, izay manitatra sy mandalina ny fomba fiasany ara-kanto. Amin'ny alalan'ny fanoratana feno fahatohinam-po, mivantana ary tsy misy fihatsarambelatsihy. Mampiseho feo anaty sy lalina ilay mpanakanto — voatohin'ny fihetseham-po, ny fahalemena ary ny zava-misy iainan'ny fiaraha-monina malagasy ankehitriny.
Mpanakanto mpiara-miasa akaiky amin'ny Hakanto Contemporary izy, ary nandray anjara tamin'ny dingana lehibe iray nandritra ny tonon-taona fanokafana Histoires de Famille tamin'ny alalan'ny fampirantiana Joely sy Andy. Manohy izany fikarohana izany izy ankehitriny ao anatin'ny FEO, izay tonon-taona fahatelo ao amin'ny Hakanto Contemporary, narindran’i Joël Andrianomearisoa.
Araka izany, ny Ifalio Ny Maraina dia fanohizana ny asa ahitana sary, sehatra ary soratra izay mifamaly tsy misy fiatsarambelatsihy.

Navoakan'ny Hakanto Édition . 2026
Mpandray anjara : Joël Andrianomearisoa
Soratra : Elie Ramanankavana
ELIE RAMANANKAVANA
Teraka tamin'ny 1992, mipetraka sy miasa eo anelanelan'i Manakara sy
Antananarivo
Mampivondrona ny asa soratr'i Elie Ramanankavana ity boky LITERA À ity, ireo nosoratany tao anatin’ireo hetsika ara-tsosialy sy politika nitranga teto Madagasikara tamin’ny volana septambra 2025.
Eo an-tsapanan-dalan’ny asa soratra, ny fijery manadihady ary ny fahatsapana ara-javakanto ireto lahatsoratra ireto izay mirakitra ireo fotoana manan-danja, ireo fahanginana ary ny fisamboaravoaran’ny vanim-potoana tsy azo ihodivirana.
Mpanakanto efa tsy zoviana amin’i Hakanto Contemporary i Elie Ramanankavana izay efa nandray anjara tamin’ny tonon-taona fanokafana Histoires de Famille natao tao amin’ny ivo-toerana vaovao. Nandray anjara tamin’ny tonon-taona FEO ihany koa izy teo ambany fandridran’i Joël Andrianomearisoa ka nanolorany an’i Sans Voix. Manohy izany asa izany i LITERA A, manome endrika soratra ny feo tsy mihambahamba ary mifototra amin’ny zava-misy.