DANY BE
WHAT A WONDERFUL WORLD
I see trees of green
Red roses too
I see them bloom
For me and you *
Faniarian’i Dany Be raha ilay hiran’i Louis Armstrong, mitondra ny lohateny hoe What a Wonderful World, no hoventsoina ho fahatsiarovana azy rahatrizay. Isan’ireo hira izay tena tiany, ary sitrany tokoa raha io hira malazan’ilay mpiangaly jazz amerikanina io no hanembonana azy.
Tamin’ny 1967 no noraiketina am-peo ity hira ity. Tamin’izany fotoana izany dia toy ny tononkalo miantsa filaminana ary manolotra fisainana miabo ho an’ny fiainana, raha toa ka tafalatsaka noho ny olana ara-piarahamonina sy ara-pihaviana, ireo firehana ara-politika samifaha sy ireo faharavana nateraky ny adin-tafika izao tontolo izao.
Ny sary tonga ao an-tsaina amin’ity hira ity — ny maha vondrom-piarahamonina antsika, manohitra ireo mety ho endri-pandrahonana rehetra — dia mifanjoy amin’ny fomba fijerin’i Dany Be ho an’ny tontolo amin’ny ankapobeny, ary indrindra ny fiarahamonina malagasy.
Nandritra ny fiainany iray manontolo dia nijoro tamin’ny maha-izy azy izy — fifangaroana herimpo, fahasahiana ary fahitsiana — rehefa nitaky izany ny toe-javanisy.
Ny rainy izay mpanorina ny gazety La Grande Île dia nosamborin’ny Sureté Générale tamin’ny 1947, ary nanatrika izany izy. Hitany avokoa ireo fahafaham-baraka sy ireo fampiasan-kery natao tamin’io rainy io rehefa nitsidika azy tany am-ponja izy.
Nanelanelana ny taona 1955 sy 1956, nandritra ny fanompoam-pirenena nataony tao amin’ny tafika frantsay, dia tohina izy raha nahita ireo fihetsika fanambaniana nataon’ny lehibeany iray, izay naka sary ny fahorian’ny vahoaka malagasy.
Nanomboka teo no nitsiry tao amin’i Dany Be ny finiavany anohitra ireo endrika famoretana sy ny tsy ara-drariny rehetra. Izany ihany koa no isan’ny nanosika azy tamin’ny fakana sary, ary nananany fandavan-tena ny haneho ny nosiny sy ireo mponina ao aminy amin’ny fombany manokana.
Nanomboka ny taona 1957 dia liana tsikelikely tamin’ny fakana sary izy, nitombo hatrany izany. Niditra ho mpikamban’ny Select Photo tany Antsirabe i Dany Be, sady nanao fanadihadihana mitokana hatrany, ka fakantsary nindraminy tamin’ny rahalahiny no nampiasainy. Ny taona 1959, nahazo toerana mpaka sary an-gazety tao amin’ny Madagascar Dimanche izy.
Tahaka ny namany mpaka sary hafa, Dany Be dia tsy nandia fianarana momba ny asa fanaovan-gazety, kanefa dia tonga sangany teo amin’izany tontolo izany izy. Nianatra mivantana ny asany teo am-panaovana izany izy tamin’ny fifandraisana tamin’ny mpanao gazety hafa sy ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny serasera. Lasa matihanina noho ny traikefa azony izy, nivezivezy nitety ireo faritra rehetra teto amin’ny nosy sy manerantany – Afrika, Asia, Eoropa hatrany Amerika Latina.
Izany dia nahatonga azy ho isan’ny andry teo amin’ny fangalana sary malagasy tamin’ny amam-polotaona voalohany tao aorian’ny fahaleovantena.
Teo amin’ny vanim-potoana 1960 sy 1970 dia neken’ny rehetra fa manan-talenta, mendrika sy mahitsy tamin’ny asa nataony izy. Ny fanajana nomena azy dia taratry ny hasina nomeny ny asa fanaovan-gazety sy izay noheveriny ho antom-pisiany : ny mandrakitra an-tsary ny fijeriny manokana ny tontolo. Resy lahatra izy tamin’ny lanja izay hananan’ny sary an-gazety eo amin’ny fanefena ny fijerin’ny fiaraha-monina. Nihandrandra ny fahatongavan-tsain’ny maro an’isa no mety hitarika ny fahatongavan-tsain’ny rehetra izy.
Eo anilan’izany, izay tsy voarakitra an-tsary dia toy ny tsy misy. Niombonany tamin’ireo mpaka sary an-gazety hafa rehetra izany fomba fijery izany, na ireo mpaka sary an’ady na ireo mpaka sary ny zava-misy andavan’andro izay tsy fantatra akory raha tsy nisy ny fanoloran-tenan’izy ireo manerana izao tontolo izao. Ohatra amin’izany ny ady natao tamin’ny Apartheid tany Afrika Atsimo, ireo sary mipetraka ho vavolombelon’ny tantara ary maneho ny anjara andraikitry ny sary teo amin’ny sehatra politika.
Tamin’izany fotoana izany dia tsy fahita firy ny pika sary an-gazety, fa nanomboka ny taona 2000 no niparitaka eran-tany tamin’ny alalan’ny internet sy ny teknolojia nomerika izany, ka nahatonga azy ho toy ny mahazatra sy tsy mahagaga. Kanefa tamin’ny taona 1960, 1970, 1980, 1990 — izay vanim-potoana niasan’i Dany Be, dia tena nitaky fanoloran-tena tokoa na teo amin’ny lafiny maha-olombelona na teo amin’ny lafiny ara-pitaovana (ny fakan-tsary, ny fandraketana ny sary, ny fikirakirana, ny fanasana sy fanontana ny sary taratasy, lafo vidy ary tsy takatry ny be sy ny maro izany rehetra izany).
Tsy nisalasala mihitsy i Dany Be nanao ny fanadihadiana sy nirotsaka an-tsehatra lalina tamin’ny asany maha mpaka sary an-gazety azy. Niteraka fahasahiranana maro ho azy izany : ny fifandirana tamin’ny mpitandro ny filaminana, ny fisamborana azy, ny fidirana am-ponja saika teo ambanin’ny fitondrana rehetra nifanesy, ny fandroahana azy tao amin’ny gazety Le Courrier de Madagascar tamin’ny 1971, ary ny mafy indrindra ny nataon’ny Police de la censure ny taona 1983 izay naka an‑keriny ny asany rehetra mandrakitra ny taona 60 hatramin’ny 70 — sary manodidina ny roa arivo izay tsy ho hitany intsony.
Sary miisa 127 no avondron’ity fampiratiana ity, ary sambany vao aseho ny ankabeazany.
Tsy nosarahanay ny maha mpanao gazety sy ny maha paka sary an’i Dany Be fa nisafidy ny hampilahatra an’ireo lafiny roa ireo izahay.
Ireo andian-tsary izay mitantara mivantana lohahevitra tahaka ny politika, ny sosialy, ny fanatanjahan-tena sy ny fialam-boly. Hita taratra ihany koa ilay fijery manokan’ilay mpakasary ny manodidina manerana ny nosy. Na tamin’ny faritra an-drenivohitra na ambanivohitra.
Ny pika sarin’i Dany Be dia maneho matetika ny fifandraisany akaiky tamin’ny tontolo nisy azy. Ny hakanton’ny olombelona, ny fiainana andavanandro, sarin’ireo olona nifanerasera taminy sy ireo olona kisendrasendra. Nandray an-tsary ny tantara izy.
Mipetraka ho tantara am-polon-taona maro aty aorina ny sarin’i Dany Be ary mitondra antsika mitety ireo tranga manan-danja nanomboka tamin’ny fahaleovantena ny taona 1960, ny tantaran’ny politika, ny toe-karena, ny sosialy sy ny kolontsainan’i Madagasikara. Nifandray tamin’ny karazana olona maro izy, nanampy azy betsaka teo amin’ny asany izany ary nahafahany nanatrika an’ireo tranga nisongadina toy ny tolona sy ny fiovan-tsata, ary ny tetezamita.
Mirakitra andininy maro ny tantarany teo amin’ny lafiny manokana sy teo amin’ny sehatry ny asa naha mpaka sary an-gazety matihanina azy. Mifamatotra amin’ny olombelona ny hakanton’ny asan’i Dany Be araka ny voalaza teo ambony ary mampiseho ny fifandraisany akaiky tamin’ny tantaran’ny tanindrazany nandritrin’ny vanim-potoana maro, vavolombelon’izany izy.
Tsinjon’i Dany Be sahady tamin’izany fa nataon’ny tanora ankilabao ny tantaran’i Madagasikara, izay no nanosika azy hiady ho an’ny fahafaha-maneho hevitra sy miteny, ary mampita fahalalana ho an’ny taranaka fara-mandimby no isan’ny tena tanjony, indrindra teo amin’ny atsasaky ny fiainany. Anisan’ireo tena nampihetsika ny tontolon’ny fangalana sary matihanina malagasy ihany koa izy. Nandray anjara niaraka tamin’ny Revue Noire teo amin’ny fanatontosana ny fikarohana momban’ny fangalana sary malagasy teo amin’ny faraparan’ny taona 1990 izy, niarahany tamin’i Pierrot Men sy Emile Rakotondrazaka (Ramily) izany.
Mankasitraka, mankatelina ny fahatokisana sy ny firaha-miasan’ny fianakavian’i Dany Be tamin’ny fanantanterahana an’ity fampirantiana ity. Ny fanasongadinana ny fandraisan’i Dany Be andraikitra teo amin’ny lafiny ara-javakanto, ara-tsosialy ary ara-politika dia fanandraisana anjara amin’ny fanomezana voninahitra ny sangan’asany.
Rina Ralay-Ranaivo . Jean Loup Pivin
Aprily 2024
* Notsongaina tamin’ny hira « What a Wonderful World »
Louis Armstrong . ABC Records . 1967
Tonony sy mozika George David Weiss sy Bob Thiele
FAMPIRANTIANA MISOKATRA
NY 4 MAY 2024
HATRAMIN’NY 26 OKTOBRA 2024
Fampirantiana samirery voalohany natokana ho an’i Rado Rakotoseheno fantatra amin’ny anarana maha mpaka sary azy hoe Dany Be (1935-2021). Mpialoha lalana eo amin’ny fangalana sary an-gazety eto Madagasikara.
Mpitantana sy mpandrindra ny fampirantiana
Rina Ralay-Ranaivo sy Jean Loup Pivin
niarahana tamin’i Rado Rakotoseheno