
PLEASE
SING ME MY SONG
BEFORE YOU GO
JOËL ANDRIANOMEARISOA
Please Sing Me My Song Before You Go no fampirantiana samirery voalohany ataon’i Joël Andrianomearisoa ato amin’ny Hakanto Contemporary, izay mifototra amin’ny sangan’asa horonan- tsary mitovy lohateny aminy ity fampirantiana ity.
Ity ihany koa no horonan-tsary voalohany notontosain’ny mpanakanto, izay notanterahiny nandritra ny famolavolainy ny fampirantiana “Measures Lullabies and Whispers” izay notanterahiny tao amin’ny IFA Gallery tany Berlin tamin’ny taona 2024.
Mampivady endrika fanehoana maro ary mikirakira akora isan-karazany, toy ny vy, ny lamba, ny taratasy, ny teny…, i Joël Andrianomearisoa ao anatin’ny fandrafetany ny famoronana ara-javakanto izay ataony. Ankehitriny kosa dia ny sary sy ny feo no lalaoviny.
Ny horonan-tsariny Please Sing Me My Song Before You Go dia sangan’asa manjoretra, mindrana tsiahy, zohin’ny akon’ny hira fandrotsirotsy Iny Hono Izy Ravorombazaha. Kalo iray, tsy zohiana amin’ny maro fa lalim-paka ao amin’ny kolontsaina Malagasy. Kalo mifototra amin’ny tantara Ntaolo Imaitsoanala izay maneho ny fandosiran’ny zanaka vavin-dRavorombe noho ny fanoheran’ity rainy ity ny fanambadiany an’ilay malalany, ka nitarika azy ireo handeha lavitra handositra sy hiandrandra fahalalahana.
Saingy eto, dia tsy hira mampitony intsony ilay kalo, zary lasa hira fisarahana. Ato amin’ity sangan’asa iray ity dia ny vesatry ny fandaozana, ny fangirifirian’ny famoizana, ary ny fahabangana mankadiry no navoitra sy nasongadina. Amin’ny alalan’ny fampisehoana saro-takarina no hanehoany ny dindon’ny fisiana — ny fahatsiarovana ny fihaonana voalohany, ny fisosososo miadan’ny fahanginana mandrapahatongan’ny fitakemoran’ny vatana.
Lasa velona ao anatin’ity sarimihetsika ity ny gadona tsy afaka an-doha an’ilay kalo mandrotsirotsy, amin’ny alalan’ny fitempon’ny fo rehefa mifadimby an-tsaina ny fisaonana sy ny fanantenana. Ao anatin’ny famakafakana sy ny fanehoana ny tsiaro’ny samirery sy ny tsiahy iombonana, dia tsy mionona amin’ny maha-tantara azy ihany ity sangan’asa horonan-tsary ity, fa zary lasa habaka, tokonana isehoan’ny bitsiky ny famoizana, ibaribarian’ny fahabangana, ary itoeran’ilay feo-kira, mihandrona tsy miontsona na dia miroso aza ny taona.
Avy amin’io fahatsapana ny vesatry ny fandaozana io no anambaran’i Joël Andrianomearisoa ihany koa endrika sy fiteny hafa kanto amin’ity fampirantiana ity, amin’ny alalan’ny sangan’asa miavaka. Anisan’izany ny sangan’asa roa izay arosony ato anatin’ity fampirantiana vaovao ity. Sangan’asa maneho ny fifangongonana sy ny fiverimberenana amin’ny fikasana handrakitra ny tadidy sy hanadiadiana ny efa noadinoina.
Ny sangan’asa iray dia mandahatra fitaratra fampirantiana maromaro misesy izay itoeran’ny labozia mirehatra lavareny, mitsonika miadana, mandeviny tsikelikely ny hazavana. Miempo ny savoka, mivaingana, miangona ao amin’ilay fitaratra, ka mamela marika tsy hay kosehina maneho ny fotoana ritra lasa zavona. Fisiana marefo, fahatsiarovana eo am-panombohana.
Ity sangan’asa ity dia mampahatsiahy ny sarin’ny andavanandro miseho, hita eny an’ny araben’Antananarivo rehefa mody masoandro. Ireny tsenakely tsizarizarin’ireny mpivarotra amoron- dalana ireny, izay ahitana ny labozia mitsilopy manilo ny entam-barony. Hazavana mihelina izay manaraka ireo mpandalo mody na ireo mpivoak’alina miriorio. Misintona aingam- panahy avy amin’ny zava-kanto minimaly** — hetsika ara-javakanto tarihin’ny mpanakanto toa an’i Donald Judd (1928–1994) fanta-daza tamin’ny sary sokitra jeometrika amin’ny vy sy fitaratra plastika — ity sangan’asa an’i Joël Andrianomearisoa ity, izay mamolavola amin’ny fombany ny fahazarana, ny zava-misy sy mitranga amin’ny andavan’androm-piainana, ary manova izany ho lasa poezia.
Misy ihany koa sangan’asa iray arantiny vita amin’ny takelaka viraty miisa enina amby telopolo sy telon-jato izay miankina, miantona, mitanjozotra tahaka ny tsiaro miangona. Ireo takela-by ireo, izay mampahatsiahy takela-pahatsiarovana, dia mitondra ny akon’ny fisiana, ny lanjan’ny fahatsiarovana voarakitra ao anatin’ny akora. Ity sangan’asa manokana ity, dia topy maso amin’ny sangan’asa iray izay nataon’i Joël Andrianomearisoa ao amin’ny Fondation Zinsou any Bénin — La Promesse de la terre izay fitambaran’ny takelaka tany sy Le Miroir de la terre, mampitambatra takelaka vato mika maro. I Joël Andrianomearisoa dia mampiseho, amin’ny alalan’ny fikirakirana amin’ny fomba kanto ny akora iray, ny fotoana mavesa-danja manaraka ny fisarahana, mba hitoetra ny soritry ny lasa sy tsy ho adinoina tanteraka ny fahatsiarovana.
Ny sangan’asa farany mandrafitra an’ity fampirantian’i Joël Andrianomearisoa Please Sing Me My Song Before You Go ity dia takela-damba maromaro handraketany ny dian-tanany amin’ny alalan’ny fanosorany menaka mainty ho fitahirizana ny soritrin’ny lasa. Mamela ny marika azy manokana sady iombonanana izy, takoritsika mangina eo amin’ny fisiana sy ny fahalasana, eo amin’ny nofo sy ny tsiaro, eo amin’ny mitoetra sy ny milefa.
Ity fampirantian’i Joël Andrianomearisoa ity dia manamarika kihon-dalana iray lehibe amin’ny Hakanto Contemporary, indrindra eto amin’ity toerana niantombohana sy nanorenana ny tetikasa ity. Tao aorian’izay dimy taona lasa nilofosana sy nanokan-tena ho an’ny tontolo ara-javakanto izay, dia miroso amin’ny dingana manaraka tsy azo ihodivirana i Hakanto Contemporary ankehitriny.
Ao aorian’ity fampirantiana ity dia hikatona ity toeran’i Hakanto Contemporary eto amin’ny Alhambra Gallery Ankadimbahoaka ity.
Ao aorian’izany dia hiompana tanteraka amin’ny fampiroboroboana sy ny fivelaran’ny tetikasa eo anivon’ny toerana vaovao — Hakanto Contemporary Zone Filatex Ankadimbahoaka.
Ho an’ity fampirantiana ity, izay miendrika sento, dia nankinina tamin’i Joël Andrianomearisoa ny fanomezana ainga farany ny toerana ary ny fametrahana ny dian-tanany, mialohan’ny fahanginana, ka hitohizan’ny tantara ao amin’ny toerana iray izay hanome sehatra bebekokoa hatrany amin’ny famoronana ara-java-kanto sy fifanakalozan-kevitra maro.
Rina Ralay Ranaivo, Martsa 2025
* Measures Lullabies and Whispers no fampirantiana azy samirery voalohany nataon’i Joël Andrianomearisoa tany Alemaina. Notontosaina tamin’ny 2024 ary nampanaovin’ny IFA Gallery, nokarakarain’i Alya Sebti sy Meriem Berrada.
** Ny zava-kanto minimaly na ny minimalisma dia hetsika ara-javakanto niseho tamin’ny taona 1960 tany Etazonia izay miavaka anatin’ny rehetra, amin’ny fampiasana endrika tsotra sy jeometrika, miverina misesy matetika, ka fiverimberina sy firindrana no vokatr’izany.