© Joël Andrianomearisoa

SAVE THE DATE 


FAMPIRANTIANA VAOVAO 


HISOKATRA NY ASABOTSY 12 APRIlY 2025 


3 ORA TOLAKANDRO

Hatramin’ny 7 ora Hariva

Hakanto Contemporary dia faly manolotra ny fampirantiana vaovao

PLEASE SING ME MY SONG BEFORE YOU GO

Izay fampirantiana voalohany an’i Joël Andrianomearisoa eto anivon’ny Hakanto Contemporary.

Fampirantiana izay manodidina ny sarimihetsika voalohany notontosainy, sanganasa miresaka fahatsapana manokana sy alahelo mavesatra izay mifandray amin’ireo sila-pahatsiarovana, tandindon’ilay hira fandrotsirotsiana Iny hono izy Ravorombazaha.

Nolalaovin’i Joël Andrianomearisoa anefa ny fahalefahan’io rotsirotsy malaza io mba haneho ilay fisarahana miafina: ny amin’ny fifandaozana, ny famoizana, ny fialana tsikelikely. Mivadika ho bitsika ny fandaozana, ny fahabangana voasoratra an-tsary ary ny hira no sisa mitoetra, ao anatin’ny fotoana mifanesy.

Please sing me my song before you go dia sanganasa niarahana narindra niaraka tamin’ny IFA Gallery, notontosaina sy natolotra voalohany tamin’ny taona 2024 nandritra ny fampirantiana samirery voalohany an’i Joël Andrianomearisoa tany Allemagne.

Ity fampirantiana ity dia

Novokarina niaraka tamin’ny Kantoko
Iarahana amin’ny Filatex Properties
Tohanan’ny Fonds Yavarhoussen

FIFANDRAISANA ARA-GAZETY

Samira Mihaja Moumini
+261 32 58 723 72
contact@hakantocontemporary.org

Hakanto Contemporary dia tetikasan’i Joël Andrianomearisoa
tohanan’ny Fonds Yavarhoussen

HAKANTO CONTEMPORARY . ALHAMBRA GALLERY . ANKADIMBAHOAKA
ANTANANARIVO 101 . MADAGASCAR . Tel. +261 32 05 063 36 . CONTACT@HAKANTOCONTEMPORARY.ORG