HAKANTO CONTEMPORARY

Hakanto Contemporary dia manandratra sy manohana ny famoronana eo amin’ny sehatry ny kanto ao Madagasikara.

Natokana hanomezan-danja ny harenan’ny kanton’ny vanim-potoana ankehitriny Malagasy, toerana mahaleotena ho an’ny mpanakanto, tsy hitadiavam-bola nisokatra ho an’ny be sy ny maro tamin’ny volana Febroary 2020.

Joël Andrianomearisoa no mpitantana ara-java-kanto, mirefy 300 m2 ny toerana ary ao Ankadimbahoaka, atsimon’Antananarivo no misy azy. Mandray anjara amin’ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny kanto ao an-toerana sy iraisam-pirenena izy ary manamafy fa tokana sy manana ny maha-izy azy ny kolontsaina Malagasy.

Maimaim-poana ny fitsidihana ary misokatra ho an’ny rehetra. Hakanto Contemporary dia manolotra toerana ahafahan’ny mpanakanto sy izao tontolo izao mihaona sy mifanerasera.

Ankoatran’ny fampirantiana miaraka sy ny fampirantiana ataon’olon-tokana manandratra ny kanton’i Madagasikara dia manolotra toerana fiofanana natokana ho an’ny mpanakanto ihany koa ny Hakanto Contemporary ho fampitomboana ny traikefa sy hampandroso ny tetikasam-pamoronana manohana ny sehatry ny kanto Malagasy.

Ny Fonds Yavarhoussen no manohana an’ny Hakanto Contemporary noho ny fahatsapany fa andry lehibe ho an’ny fampandrosoana ny kanto sy ny kolontsaina ary mankahery hatrany  ny taranaka mbola ho avy eo amin’ny sehatry ny famoronana.

HASNAINE YAVARHOUSSEN

Hasnaine Yavarhoussen no Tale Jeneraly ny Groupe Filatex ary nanorina ny Fonds Yavarhoussen. Mahatsapa fa ny kanto sy ny kolontsaina dia andry lehibe ho an’ny fampandroasana, ny FYH dia manome toky amin’ny fanandratana ny tontolon’ny kanto sy kolontsaina Malagasy.

Ny taona 2019, ny Fonds Yavarhoussen dia nanohana ny trano heva voalohan’i Madagasikara tamin’ny Biennale de Venise faha-58 niaraka tamin’ny mpanakanto Joël Andrianomearisoa. Ny taona 2020 no niarahan’izy ireo nanorina ny Hakanto Contemporary ao Antanananarivo, toerana voalohany natao ho an’ny kanto, taranja rehetra mifangaro (tsy hitadiavam-bola), natokana hanandratana ny lanjan’ny kanton’ny vanim-potoana ankehitriny Malagasy sy manolotra toeram-piofanana ho an’ny mpanakanto.

Nampandroso sy nampivelatra ny Groupe Filatex, orinasam-mpianakaviana, teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena i Hasnaine Yavarhoussen ka nahatonga ny sampany misahana ny angovo ho mpamokatra angovo mahaleo tena lehibe indrindra ao Madagasikara. Nitantana sy nandrindra asa soa maro eo anivon’ny Groupe Filatex i Hasnaine Yavarhoussen ary nanatontosa fandaharan’asa soa 32 ao Madagasikara.

Ny taona 2018 sy 2019 i Hasnaine Yavarhoussen dia voafantina tamin’ny Choiseul 100 Africa, izay manaiky sy mandahatra ny mpitarika Afrikanina 200 latsaky ny 40 taona.

JOËL ANDRIANOMEARISOA

Joël Andrianomearisoa
© Nicolas Brasseur

Teraka tamin’ny taona 1977 tao Antanananarivo, Madagasikara izy ary miaina sy miasa mivezivezy  anelanelan’i Parisy sy Antananarivo

Joël Andrianomearisoa no mpitantana ara-java-kanto sy mpitahiry ny zava-kanto ao amin’ny Hakanto Contemporary. Nanomboka ny fotoana nisokafany ny volana febroary 2020, manambatra ny maha mpanakanto azy sy mpanohana ny fanandratana ny kolontsaina sy ny kanton’ny Madagasikara eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Nitondra ny voninahitr’ i Madagasikara tamin’ny 58ème Biennale de Venise 2019 izy ary efa naneho ny sangan’asany tamin’ny toerana fampirantiana lehibe maro eo anivon’izao tontolo izao, MAXXI ao Roma, ny Hamburger Bahniof ao Berlin, ny Smithsonian National Museum of African Art ao Washington DC ary ny Centre Pompidou ao Paris. Nanohana sy nanorina ny 30 et Presque-Songes (2007, 2011) ihany koa izy, tetik’asa sy fandaharana, taranja mifangaro natokana hanandratana ny zava-kanto nosoratan’ilay poeta Malagasy Jean-Joseph Rabearivelo ary niara niasa tamin’ny fanatontosana ny Festival de danse Sanga (2003) sy Festival Photoana (2005).

FONDS YAVARHOUSSEN

Ny Fonds Yavarhoussen dia fandraisana andraikitra, hevitr’i Hasnaine Yavarhoussen, Tale Jerenaly ny Groupe Filatex izay ahitana orinasa mpamokatra angovo, orinasa akaf’haba, orinasa mpanorina ary mpanangana foto-drafitr’asa.

Niforona tamin’ny taona 2019 ny Fonds Yavarhoussen ary maniry ny hampiroborobo ny sehatry ny kanton’ny vanim-potoana ankehitriny Malagasy, ny kolontsaina miavaka ao Madagasikara eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.

Fitrandrahana, fanohanana, fiarahana hanorina ny ho avy, fanomezan-danja ny famoronana sy ny fivoarana Malagasy no anisan’ny tanjona voafaritra.

NY ANTON’NY HAKANTO CONTEMPORARY AO MADAGASIKARA

Noho ny lazan’ny fampirantiana I Have forgotten the Night niaraka tamin’ny fandraisana anjaran’ny Groupe Filatex tamin’ny fanohanana ara-bola ny Pavillon de Madagascar, trano hevan’i Madagasikara tamin’ny Biennale de Venise  2019 faha-58 dia tsikaritra ny firoborobon’ny sehatry ny kanto ao Madagasikara ary tsapa ihany koa ny fahasahiranan’ny mpanakanto  manoloana ny havitsian’ny toerana fampirantiana sy ny tsy fisian’ny toerana famoronana.

Avy amin’izany no nahatonga an’i Hasnaine Yavarhoussen naniry hanorina ao Antananarivo, toerana fampirantiana sy famoronana, Hakanto Contemporary ho fivondronan’ny kolontsaina ao Madagasikara sy ny any ivelany, ho sehatra ahafahan’ny mpankanto hiseo ary ho toerana manara-penitra ahafahan’ny tsirairay miaina ny kolontsaina.

Ny fihaonan’ny mpanohana ny kanto Hasnaine Yavarhoussen sy ny mpanakanto Joël Andrianomearisoa no nampitsiry ny tanjona hanome aina vaovao ho an’ny sehatry ny famoronana ao Madagasikara ary nahatonga ny faniriana hanorina ny Fonds Yavarhoussen miaraka amin’ny fanomanana fandaharam-potoana ao Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho an’ny taranja rehetra ho fanohanana sy fanomezana toky ho an’ny tanora taranaka mbola ho avy eo anivon’ny famoronana mba hanandratra avo ny harenan’ny kolontsainan’ny Afrika, ny Ranomasimbe Indianina ary izao tontolo izao.